IZA MARINA? FIRY MARINA?
1. ydifas
(
27/03/2011 06:05)
Miarahaba antsika rehetra.
Mba mangataka fanazavàna momba ireto andinin-teny ireto (Apokalypsy 14/1-5).
1) Moa ve 14400 no isan'ny ho voavonjy?
2) Raha ny voalaza eto mantsy dia tsy nahitana pentina ireo. Nefa voalaza fa isika olombelona dia tsy misy marina na dia iray akory aza (Romana 3/10) sa ve tsy olombelona ireo?
Misaotra mialoha amin'ny fanazavàna sy valin-teny.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra mandrakizay.
"1 Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan-aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy; Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin'ny olona no voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.
5 Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy." APOKALYPSY 14/1-5

répondu par bor2lais le 27/04/2011 09:16
2. Miharena
(
27/03/2011 17:54)
Mazava io resaka io fa ireo 144000 dia taranaka tsy nanan-tsiny avy tao amin'ny Isiraely ary efa any ireo olona ireo fa tsy ho avy intsony io resaka io.
3. rijadolly
(
27/03/2011 19:26)
Ydifas:
1) Moa ve 14400 no isan'ny ho voavonjy?
Akaotra ireo 12000 isaky ny Firenena 12 izay voalaza fa mpanaradia an'Jesoa Kristy dia...
APOKALYPSY 7 : 9 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,10 dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe:
Ny famonjena anie ho an'Andriamanintsika,
Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana,
sy ho an'ny Zanak'ondry11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan-aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra12 nanao hoe:
Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena
sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie,
Ho an'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay. Amena.13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?14 Fa hoy izaho taminy: Tompoko, hianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.15 Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin'ny tempoly; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy.16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.17 Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.(Isa.25.8)
4. vonynive
(
01/04/2011 11:24)
rijadolly:

5. vonynive
(
01/04/2011 11:34)
miarahaba antsika rehetra,
ny hoe iza marina, firy marina dia samy tsy misy mahalala;
azo heverina fa manana ny fanisany manokana ny lanitra fa tsy toy ny fanisantsika ety antany; na fanisanandro izany : kronos (na fanisan'andro @ alalan'ny volana na masoandro ny antsika ety antany, fa kairos ny fanisanandro any an-danitra
Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.PETERA FAHAROA 3 8 - 8
mety hanana endrika ara-panahy koa ny isa ao @ baiboly fa tsy mitovy @ ara-bakiteny

6. rekinbelo
(
04/04/2011 09:33)
Tsy hoe ny isany vovonjy ireo fa ireo no nanaraka ny zanak'ondry fona de mahazo tombotsoa ho any an-danitra ka hanapaka any andanitra mmiaraka @ Jesosy Kristy mandritra ny 1000 taona,ireo ilay ondry vitsy lazainy Lioka 12:32.fa isika olona tsotra izay tsy ho any andanitra kosa no antsoiny jaona 10:16 hoe ondry hafa.tsy voafetra ny isany ondry hafa izay iainy mandrakizay eto antany fa ny makanhy andanitra no voafetra, ary nanomboka t@ apostoly 12 lahy ny mpikambana ao anatin'io 144000 io.tsy nifarana izy io ra tsy tany amin'ny taona 1980 tany ho any.
Manahirana ihany aloha ny manazava azy io fa ny misy tonga de tezitra be fa mazoto mamaky de amin'ny manaraka indray e

7. bor2lais
(
04/04/2011 09:40)
rekinbelo:

Mba tohano kosa moa ny hevitra aroso iaraha-mijery fa aza dia malaky mitsoaka tahaka io !
9. bor2lais
(
04/04/2011 11:49)
rekinbelo:
za mbola ato a
Hay, dia misaotra anao izany, fa ny angatahana dia ny hanazavanao misimisy ireo zavatra ambaranao ireo :
- 144 000 ihany no mankany an-danitra fa ny sisa dia mijanona mandrakizay eto an-tany
- vao tamin'ny taona 1980 teo ho eo (hoy ianao) no feno ireo isa 144 000 ireo
sns.
Dia misaotra anao mialoha amin'ny fanazavana izay ho entinao !
11. rijadolly
(
04/04/2011 16:00)
Izany hoe Tokony ho fantatra izany ilay farany voaray ao anatin'ireo 144000 ireo an! Dia samy miandry izany isika rehetra. Homany tsara ny valiten' se Rekinbelo fa miandry vaovao ny rehetra.
12. rekinbelo
(
15/04/2011 10:57)
izao le izy ary.Mety ho zaraiko 2 fa lava ihany mantsy izy ity.
Rehefa nanota i Adama sy Eva de nanambara faminaniana iray i Jehovah izay hita ao à genesisy 3:15.Misy taranaka 02 zany eo aloha mazava hoazy dia ny tarak'ilay menarana sy ilay vehivavy.
Mba ahatonga ny tarank'ilay vehivavy tsy ho voaloto dia namome lalàna t@ alalan'ny Mosesy i Jehovah.Teo no nanomboka niforona ny firenen'ny Isarely.Inona no tanjon'Andriamanitra teo?
Ny ahatongavan'ilay firenena ho fanjakam-pisorona sy firenena masina izy io (Exo: 19:6)izay zany no tena ilaina ilay lalàna akoatry ny hoe mba ahafahan'io firenena io hanome ilay taranaka ihany koa.Rehefa tonga anefa ilay taranaka dia in Jesosy dia nanda an'i Jesosy NY firenena Jiosy (Jn 1:11) Inona no vokany?Nesorina t@ israley ny Fanjakan'Andriamanitra (Mt21:43)Ka namorona firenena vaovao Andriamnitra teo dia firenena tsy jiosy ara_nofo akory fa ara-panahy satria nisy ny jiosy , ny samaritana sy ny jentilisa na hafa firenena.(asa 2:14-21)Tany @ Pentekosta taona 33 no nanomboka io Firenena vaovao io rehefa nilatsahan'y Fanahy Masina ireo mpiantry Jesosy Kristy.Antsoina ko hoe Israelin'Andrimanitra izy io(Gal 6:16).Mbola nohamafisin'i Apostoly Petera ko a anefa ny asan'io firenena io taty aoriana kely(1 Pet2:9-10)Avieo I Jaona Apostoly nahazo fahitana ny Apokalipsy ka nahafantatra ny isa marina ny olona izay mahaforona io Firenena Vaovao io (Apok 7:4) ary mbola naseho t@ Jaona ihany koa ny asa ataon'izy io (Apok5:10)fantatsika izany zao ny antony nisian'io firenena io sy ny asa miandry azy na koa ilay antsoitsika hoe 144 000.
Rehefa maty anefa ny Apostoly Jaona izay Apostoly farany, dia nanomboka nitsipozipozy ny Kristianisma.Tsy voatazona intsony ilay Kristianisma izay naorin'i Jesosy Kristy.Nanomboka niditra tao daholo ny fampianarana grika sy ny Filosofia isan-karazany: Trinité, fanahy tsy mety maty, ny afobe sy ny fety isan-karazany izay tsy ninoan'ireo mpanara-dia an'i Jesosy mihitsy.Io no antsoina hoe "Fivadiham-pinoana lehibe" nitranga teto @ izao tontolo izao.Niditra tao anty haizina ara-panahy tanteraka ny olombelona nanomboka ny taona 300 tany ho any,ka tsy nifarana izany raha tsy taty @ farany 20 siècle.Izany hoe tany @ faraparan'ny taona 1800 tany ho any.Aona no anaporofoantsika izany Jereo ny bokin'i Daniela 12:1-4,10.Izany hoe nanomboka nanakaiky ny fotona farany vao niseho indray ny olo-masina na ny sisa @ 144 000.
Inona ny zvtf niseho refa tonga ary ny fotoana?
Ho valiantsika amin'ny fotoana manaraka indray fa manjary reraka sika mamaky de tsy misy fahafinaretana eeeeeeeeeee!
Misaotra!

13. bor2lais
(
22/04/2011 12:40)
Miala tsiny fa izay vao hitako ity valinteny nomen'i rekinbelo ity !
Misaotra anao amin'ny ampahany amin'ny valinteny andrasana aminao.
Azonao hambara misimisy ve fa voafono ao ny fanontaniana rehetra napetraka ? Misaotra mialoha !
Misaotra anao amin'ny ampahany amin'ny valinteny andrasana aminao.
rekinbelo:
Niditra tao anty haizina ara-panahy tanteraka ny olombelona nanomboka ny taona 300 tany ho any,ka tsy nifarana izany raha tsy taty @ farany 20 siècle.Izany hoe tany @ faraparan'ny taona 1800 tany ho any.Aona no anaporofoantsika izany Jereo ny bokin'i Daniela 12:1-4,10.Izany hoe nanomboka nanakaiky ny fotona farany vao niseho indray ny olo-masina na ny sisa @ 144 000.
Inona ny zvtf niseho refa tonga ary ny fotoana?
Azonao hambara misimisy ve fa voafono ao ny fanontaniana rehetra napetraka ? Misaotra mialoha !
14. rekinbelo
(
27/04/2011 06:55)
Inona le fanontaniana tiano apetraka fa otrany tsy azoko tsara? somary detaillé-o kely hoe azafady
15. bor2lais
(
27/04/2011 09:16)
Ity no fanontaniana nanitikitika ahy rekinbelo a !
Dia nampin'i rijadolly moa ilay izy :
Ka ity nambaranao ity dia tsy mahavaly ny fanontaniana napetraka ka nahatonga ahy mbola nangataka fanazavana misimisy :
Mendrika lohateny hafa kosa angamba ireo raha ho resahina a !
Io no angatahako fanazavana misimisy aminao satria toa mahakasika ny fanontaniana napetraka ihany : oviana sy/na iza ireo antsoinao hoe olo-masina nanampy isa ny 144 000 ireo ?
Ny tiana ahatongavana dia ity : matoa ianao milaza fa 144 000 ihany no lasa any an-danitra fa ny sisa dia mijanona eto an-tany ihany sy ny hoe "taty amin'ny faran'ny 20ème siècle vao nifarana izany", dia mety fantatrao angamba izany ny anaran'izy 144 000 ireo na ny sasany amin'izy ireo !!
Izay ilay iandrasam-baliny mazava avy aminao ka isaorana anao mialoha !
bor2lais:
04/04/2011 13:49
... ny angatahana dia ny hanazavanao misimisy ireo zavatra ambaranao ireo :
- 144 000 ihany no mankany an-danitra fa ny sisa dia mijanona mandrakizay eto an-tany
- vao tamin'ny taona 1980 teo ho eo (hoy ianao) no feno ireo isa 144 000 ireo
sns.
Dia nampin'i rijadolly moa ilay izy :
rijadolly:
04/04/2011 18:00
Izany hoe Tokony ho fantatra izany ilay farany voaray ao anatin'ireo 144000 ireo an! Dia samy miandry izany isika rehetra. Homany tsara ny valiten' se Rekinbelo fa miandry vaovao ny rehetra.
Ka ity nambaranao ity dia tsy mahavaly ny fanontaniana napetraka ka nahatonga ahy mbola nangataka fanazavana misimisy :
rekinbelo:
15/04/2011 12:57
... Rehefa maty anefa ny Apostoly Jaona izay Apostoly farany, dia nanomboka nitsipozipozy ny Kristianisma.Tsy voatazona intsony ilay Kristianisma izay naorin'i Jesosy Kristy.Nanomboka niditra tao daholo ny fampianarana grika sy ny Filosofia isan-karazany: Trinité, fanahy tsy mety maty, ny afobe sy ny fety isan-karazany izay tsy ninoan'ireo mpanara-dia an'i Jesosy mihitsy.Io no antsoina hoe "Fivadiham-pinoana lehibe" nitranga teto @ izao tontolo izao.
Mendrika lohateny hafa kosa angamba ireo raha ho resahina a !
rekinbelo:
Niditra tao anty haizina ara-panahy tanteraka ny olombelona nanomboka ny taona 300 tany ho any,ka tsy nifarana izany raha tsy taty @ farany 20 siècle.Izany hoe tany @ faraparan'ny taona 1800 tany ho any.Aona no anaporofoantsika izany Jereo ny bokin'i Daniela 12:1-4,10.Izany hoe nanomboka nanakaiky ny fotona farany vao niseho indray ny olo-masina na ny sisa @ 144 000.
Inona ny zvtf niseho refa tonga ary ny fotoana?
...