HEVERO NY HAFA

1. ydifas ( 21/03/2011 08:01)
Miarahaba antsika amin'ny Anaran'i Kristy ny tenako,
Tamin'ny farany dia nampahery antsika hifampivavaka ny tenin'Andriamanitra. Nahoana no ny hafa no entina am-bavaka fa tsy isika?
Diniho anie! rehefa mivavaka isika dia izay ho antsika foana no katsahintsika, izay tsy misy eo amintsika foana no angatahintsika.

Mivavaka ho an'ny hafa = manetry tena hihevitra ny hafa = mampandefitra ny "izaho" = faly amin'ny ahombiazan'ny hafa = tsy tia tena.
Izany no toe-po tian'Andriamanitra sy afaka iasany na ho an'ilay mitondra am-bavaka na ho an'ilay entina am-bavaka.
Hitan'Andriamanitra fa mahatoky amin'ny hita maso izay manao izany ka hoy Izy hoe: "mendrika ny handray ny tandrifiny koa ity olona mitondra am-bavaka ny hafa ity". Izany hoe, rehefa mihevitra ny hafa isika dia mihevitra antsika koa Andriamanitra.

Inona ny olana eo amintsika? inona no manjo antsika? Hoy indrindra Izy: "Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." Filipiana 4/6

Matoa voasoratra ny hoe "aza manahy" dia tsy maintsy misy zavatra mampatahotra eo amin'ny fiainantsika, misy zavatra manozongozona ny fifikirantsika amin'Andriamanitra ety amin'ity izao tonotolo izao ity. Fanomezan-toky ho antsika izany mba hihazonantsika lalandava ny teny fikasana ataon'Andriamanitra amintsika, mba hitoerantsika mandrakariva ao Aminy ary hanamafisantsika ny fifamatorantsika Aminy.

Mitarika antsika hivavaka amin'Andriamanitra ny zava-miseho amintsika ("...aoka ny fivavahana..." Filipiana 4/6). Mba tsy hitadiavantsika vahaolana any an-kafa sy tsy handehanantsika araka ny herintsika dia vonona handray antsika mandrakariva Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Tian'Andriamanitra hitodika Aminy ny olombelona rehetra ary hitoky Aminy indrindra amin'ny tranga miseho eo amin'ny fiainana.
Teny am-boalohany dia nianatra ny hifampivavaka isika. Koa raha tiantsika hivaha ny olana eo amintsika, meteza hanetry tena ka hivavaka ho an'ny hafa fa hohitantsika, vahan'Andiamanitra tsy ho eo amintsika io fahoriantsika io.

Mila fahadiovam-po sy fahamarinana eo anatrehan'Andriamanitra anefa izany vao ho tanteraka. Efa nilaza Izy fa "Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an' Andriamanitra" Matio 5/8. Izany hoe, hahita ny Herin'Andriamanitra, hahatsapa ny fitantanany, handray fahagagàna avy Aminy. Voalaza koa "...sy ny fifonana..." (Filipiana 4/6): io no ahazoana famelan-keloka ary izay voavela heloka dia madio ary izay madio dia mahita an'Andriamanitra.
"Araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza" Romana 3/10. Fantatsika tsara fa ny fahadisoana na ny fahotàna dia manakana ny valim-bavaka tsy ho tonga eo amintsika. Hevero fotsiny hoe samy olombelona: tsy hahazo rariny any amin'ny olona izay nasiana ratsy ilay nanao ratsy taminy raha tsy efa nifona noho ny nataony. Toa izany koa ny miaraka amin'Andriamanitra.
Ndeha ary hoentitsika any amin'ilay lohahevitra: Aoka hifona ho antsika isika ary hifona ho an'ireo izay olona entintsika am-bavaka f'andrao noho fahotantsika na ny fahotàny no mahatonga ny olana tsy hiala sy mahatonga ilay olana tsy hivaha ary mahatonga ny vavaka tsy hivaly.

Miompana betsaka amin'ny fangatahana ireo voalazantsika teo ambony ireo. Mamporisika antsika antsika hisaotra ihany koa anefa ity Filipiana 4/6 ity. Mbola amafisiny fa tokony hahay hisaotra amin'ny zavatra rehetra isika (1Tesaloniana 5/18).
Midika indrindra izany fa manaiky izay itondran'Andriamanitra antsika isika raha mahatanteraka izany.
Ndrao ary noho ny tsy fankasitrahana teo amintsika no mahatonga antsika ho azon'ny fahoriana? Sao dia aratsiantsika izay efa nomen'Andriamanitra antsika ka mahatonga Azy tsy hanome intsony? Fotoana fandinihan-tena izao noho ireo voalaza rehetra eo ambony ireo.

Fehiny: Rehefa mangataka isika dia mila matoky Ilay Mpanome (Andriamanitra): matoky ny Heriny, matoky fa misy ao Aminy izay angatahintsika. Manaraka izany, tsy fantantsika ary mety tsy fanahy iniantsika ny hanota, koa noho izany, ndeha hifona mandrakariva isika ho antsika sy ho an'ireo olona entintsika am-bavaka mba hihainoan'Andriamanitra ny fangatahantsika. Ary farany, isaory Andriamanitra noho ny ataony rehetra fa manana hevitra hiheverana antsika Izy: mety hoe te hampiverina antsika ho ao am-balany Izy, mety te hitsapa Izy hoe hatraiza ny fitiavan'ny olona Ahy? hatraiza ny fahatokiany Ahy?
"Mitondra am-bavaka" amiko dia miara-mitondra ny mavesatra amin'ny hafa, mampahery azy tsy hiala amin'Andriamanitra na inona inona mitranga. Tsarovy fa any alavitra any misy olona mijaly mihoatra lavitra noho isika.

Mahereza mivavaka ho an'ny hafa, indrindra ny hitodihan'ny olombelona rehetra amin'Ilay Ray Tsitoha mba hahanany fiainana mandrakizay. Ny hiverenan'ireo izay efa nivoaka ny vala indray ary ny hifikiran'ireo izay efa zanak'Andriamanitra Aminy n'inon'inona mitranga.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny Voninahitra mandrakizay.

Hafatra: "Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay." 2 Korintiana 1/6
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3714