ENTO AM-BAVAKA

1. ydifas ( 21/03/2011 07:57)
Miarahaba,
Miala tsiny raha toa ka eto no alefako ity satria eto no fantatro fa betsaka indrindra ny zanak'Andriamanitra.
Manana namana aho i Magloire no anarany, mipetraka any Toliara, tsy nandray karama hatramin'ny Janoary izy fa lasa any an-dafy ny mpampiasa azy (= naman'ny tsy miasa ihany izany). Izy anefa raim-pianakaviana: ny "écolage" n'ny mpianatra tsy voaloa, ny hofatrano mitambatra, ny adidy amin'ny fianakaviana tsy lazaina intsony.

Koa miangavy re raha azo atao, fa zanak'Andriamanitra toa ahy sy ianao ihany izy ary tena iray amin'i Kristy ihany koa, mba hivavaka ho azy. Tsy ny hivahan'ny olana ihany fa ny hampifikitra azy bebe kokoa amin'Ilay Ray Tsitoha sy tsy ho kivy.

Mahatoky antsika rehetra mba hampiditra izany antom-bavaka izany ao anatin'ny fangatahantsika. "Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy" Galatiana 6/2 Lalàn'i Kristy = FITIAVANA

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2977