Zava-mananaina ve ny rano ?

1. AndriambyII ( 10/03/2011 14:04)
Araka ny eritreritrareo , fantaro inona avy ireo zavatra vitan' ny avo tsy tsapan' ny olombelona ny antom- pisiany eto @ ny voary !
répondu par soanja le 21/03/2011 12:13
2. AndriambyII ( 10/03/2011 14:07)
Inona no atao hoe miaina maintsika tsi 11 avy ? Mahazo ny tombontsoa materiels rehetra ve sa manaraka ambokony ny lalànan' ny natiora araka izay voatendriny ?
3. AndriambyII ( 10/03/2011 20:22)
amintsika , fanitsiana kely
4. soanja ( 13/03/2011 09:14)
somary mifangaro izy izany. Finoana no tianao resahina eto sa siansa? hazavao tsara aloha dia hita eo aiza no andrasanay azy. Misaotra.

Raha siansa dia tsy isan'ny aina ny rano fa isan'ny manome ny aina. Izy no mifangaro amin'ny element hafa no manome ny aina. Raha sendra mahita rano isika olombelona any am planeta hafa dia midika izay fa nisy na mety misy aina ao. Vao haingana nisy planeta nahitana rano mivaingana na ice donko mety misy tantaram-piainana tao izany.
5. AndriambyII ( 15/03/2011 22:35)
Raha araka ny siansa tokoa dia tsy manan' aina ny rano . H2O , composition moleculaire , Fa raha halalinina dia tonga lafatra ve ny fahafantarana ny voary napetraky ny lanitra ho fahalalàna ho lovan' olombelona hatr@ izay naha tany ny tany ? indrindra resaka rano hiankinan' ny aina ?
6. soanja ( 17/03/2011 01:34)
AndriambyII:

Raha araka ny siansa tokoa dia tsy manan' aina ny rano . H2O , composition moleculaire , Fa raha halalinina dia tonga lafatra ve ny fahafantarana ny voary napetraky ny lanitra ho fahalalàna ho lovan' olombelona hatr@ izay naha tany ny tany ? indrindra resaka rano hiankinan' ny aina ?


Matoa isika afaka miaina eto ambonin'ny planeta Tany dia tonga lafatra ny zavatra rehetra mameno izany Aina izany. Saingy isika olombelona ihany koa dia hahavita hamotika izany lafatra izany ho fahoriana raha tsy mandinika ny fomba handaminana ilay aina nomena. Isan'izany ny fikarakarana ny rano. Raha tsy misy ny rano dia foana ny Aina. Raha tsy misy ny Aina dia tsy misy ny fahalalana.

Nohariana ve isika? Eny nohariana tao anaty Tany isika. Eny amin'ny voary iainantsika ve no ahitana ny valim-panontaniana rehetra dia hoy aho hoe TSIA. Fa betsaka amin'izany dia any anaty atidoha na hevitra koa. Noho izany zava-dehibe ny fikajiana ny cerveau n'olombelona.
7. niryna ( 17/03/2011 05:12)

AndriambyII:

Araka ny eritreritrareo , fantaro inona avy ireo zavatra vitan' ny avo tsy tsapan' ny olombelona ny antom- pisiany eto @ ny voary !

aleo angamba hianao mametraka ny fanontaniana no hamaly voalohany?
aminao : zava-mananaina ve ny rano?
8. AndriambyII ( 17/03/2011 09:29)
Mety ho izany tokoa ! Satria tsy misy olombelona hatramin' izay afaka nilaza ny tena marina nanambara ny nifanohitra @ izany .Na miova endrika ho entona sy ranomandry aza ny rano dia tsy miova ny constituans ao anaty (???? ) Molecules ==>> Atomes H2O ( sy izay mbola tsy fantatra ) ==>>Electrons , Positons ( sy izay mbola tsy fantatra ) ==>> quarks ==>> Matiére originale , sa éléments philosophal , ? ==>> ??? (Zava-manan' aina miseho @ endrika hafa ? sa inona ?
9. soanja ( 17/03/2011 23:33)
Tsy mety maty ny rano koa noho izany dia tsy Aina izy satria ny Aina dia mety maty. Izay no nanamboaran'Atra azy. Ny rano kosa dia nipoirantsika, lalana nandalovantsika. Tsy misy isika rehefa ritra ny rano eo/ao/amintsika. Tsy Andriamanitra izy fa ao anatiny Andriamanitra.
10. AndriambyII ( 20/03/2011 00:12)
Misaotra !
11. milamm ( 20/03/2011 14:43)
mitovy hevitra @ voalazany soanja io za momba ny rano, mamelona aina fa tsy manan'aina tsy ekeko ny oe ao anatiny Andriamanitra izay sarotra ny manaporofo izany ara siantifika na lafiny mivaingana hafa satria finoana izany. Tompon'andraikitry @ fahavelomany zavamanan'aina marobe eto @ planeta tany aloha ny rano (blue gold ozy ny teny baiko)tsy iadinkevitra sy ireo sivilizasiona nifandimby, oh.fitahirizana maharitra ny vatsindrano erantany dia mbola olana goavana fikojana ny ala sy tontolo iainana( antsoiny reo manampanahaizana oe ecosystem mechanism)
anisany nisarika ny saiko ireto fandaharana haino amanjery vahiny ireto mikasika izany
http://www.cinemagia.ro/trailer/blue-gold-world-water-wars-blue-gold-world-water-3309/

http://www.greenfacts.org/en/water-resources/index.htm
12. soanja ( 21/03/2011 12:13)
Ny voary rehetra dia silak'Andriamanitra raha ny finoako tokoa no jerena. Raha tsy misy anefa ny rano dia mbola afaka ho planeta ihany ny tany saingy isika no tsy hisy fa ny hafa no hisolo antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0605