FEUILLE DE ROUTE IVOAHANA @ KRIZY? ITY IHANY IZY

1. RUZ9 ( 05/02/2011 11:43)
Mihamitatra hatrany ny fahasahiranan’ny firenena Malagasy ankehitriny, samy manao an’izay heveriny ho mety avokoa ny tsirairay eo anatrehan’izany. Misy ny miezaka hamaha ny olana, misy miezaka hifikitra @ saza fotsiny noho ny tombontsoan’ny tenany manokana ary samy manao sorona ny ain’ny mpiray tanindrazany noho io tombontsoa io, manao sorona ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena.
Tsarovy nefa fa Tany Masina ity firenena ity, ary lalana tokana no hahafahany mandroso, dia ny fiverenana miaina an’ilay atao hoe «NY FANAHY NO OLONA»
Lalàm-pitondran-tena tokony harahin’ny tsirairay io.
Tsy olona mpanao herisetra, tompon’antoka @ fandorana sy fandrobana fananam-bahoaka araka izany no afaka hampandroso an’ity firenena ity, mandrave no talentany ka tsy ho hainy ny mifanohitra @ izany.
Tsy mpanao sorona olona noho ny tomontsoan’ny tenany manokana no hahay hitsinjo ny mpiara-belona aminy.
Tsy ela akory izay no nitrangan’ireo tantara ireo (26-01-2009 sy 07-02-2009). Ary mitohy mandrak’izao ny fandripahana harem-pirenena raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha bois de rose, novolena ny krizy kolokoloin’olom-bitsy dia ny vahoaka no mizaka ny vokany.
NY fanonganam-panjakana moa efa eny @ fitsarana ny raharaha fa ny fampihorohoroana t@ alatsinainy mainty kosa ; iangaviana an’ireo tompon’anadraikitra am-perinasa isam-paritra handray an-tanana ny fitoriana, eo ianareo ben’ny Tanana, ny antoko politika, ianareo Ampanjaka rehetra an’ny faritra maro maro any, raha misy fitsarana marina ihany eto.
Tsy misy voafidim-bahoaka ireo ka hanana zo tsy ho voatohintohina
Tsy fotoanan’ny fiandrasana intsony fa fandraisana andraikitra.
Ny fivarotana tanindrazana izay nanenjehana ny fitondrana teo aloha natao lalam-panorenana ankehitriny. Hanorenana inona?
Mpivarotra tanindrazana sy saribakolin’ny mpanjanaka no mamoritra vahoaka eto.
Tsy hahavaha olana izany, mametraka olana no hainy.
Tsy ny «feuille de route» novolavolaina vahiny sy olo-meloka no hamaha ny olantsika
HO LANY ANDRO ETO ary hitohy ny fijaliam-bahoaka ka raha handany andro hidinika etsy sy eroa, sy hiandry fifidianana eto, satrin’ny FAT tsy hisy fifidianana hijanonany ela eo.
Fantatra izao fa olona tsy mahatana ny teniny ve no ifampidinihana, tsy mitsinjo afa-tsy ny tombotsoany sy ny mpiara-komana aminy?
Ny tompon’antoka t@ fandrobana sy fanimabana fananam-bahoaka no mibodo fahefana sy mitomany hanendry tompon’andraikitra etsy sy eroa.
Angaha moa izy ity raharaham-pirenena, fiainam-pirenena sa fikambanan-jiolahy
TENY ATSIPY FOTSINY handinihantsika fa raha tiana ny hamaha tanteraka ny olam-pirenena ka tsy hiverenan’ny Krizy intsony, dia ity ny vahaolana andraisan’ny rehetra anjara.
Ny tenako aloha tsy nandalina ny lalàna nataon’olombelona izay azo tsolorana ny mpahay azy dia manova na tsy mapihatra azy, ny lalàna andaminan’ny mpahary ny fiainana, ny fisiana sy ny tontolo no nohalaliniko.
Ho hitanao ato ato ny momba ny Fanahy, ny Tody, ny fampianaran’ny Kristy
Tsy miasa @ ity lalàna ity ny tsolotra.
Mila miverina any an-doharano isika miaina tanteraka an’ity Fanahy no olona ity ka olona manam-panahy no apetraka hitondra fa tsy DJ manao remixe an’izao hadalana rehetra izao.
Rehefa ny lohany mantsy no matsatso, matsatso manaraka an’izany ny rafitra rehetra hatr@ vahoaka.
Tsarovy, «tsy mahantra olomanga isika fa mahantra olo-marina»
Efa nitondra antsika avokoa na mpampianatra, na bekintana, profesora, mpandraharaha, ilay DJ moa vao mainka loza.
Tsy fombafomba ivelany toy ny fitafy sy fomba fiteny no tao hoe fandalana ny maha Malagasy, ivelany fotsiny ireny fa fikarohana lalina kosa anefa no nahitana ny tena foto-pisainana sy fiainan’ny Malagasy an’ity FANAHY ity
INONA ARY NY ATAO HOE FANAHY?
ARAHO ATO NY FANAZAVANA http://cyrius.centerblog.net/

répondu par AndriambyII le 05/02/2011 23:30
2. AndriambyII ( 05/02/2011 23:30)
Ya kalé !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3443