Ny zava marina nisy teto hatramin'izay dia izao, vitsy ireo malagasy ao @n'ny fitondràna, na sivily na miaramila, no tena tia fahamarinana, lainga sy fitaka no manavanana azy ireo, tsy hain-dRa8 izany, hany ka halan'ireo izy.

1. gasyihany ( 14/01/2011 06:51)
Raha ny filoham-pirenena hatrizay nitondra teto M/kara dia i Ravalomanana irery no tsy dia tia nandainga tamin'ny vahoaka, tsy fanindrahindrana io fa fijery tsy mitongilana, ny mampalahelo anefa dia araka io nolazaiko teo ambony io, vitsy ny malagasy ao amin'ny fitondràna no tena tia fahamarinana, izany hoe tia tena loatra. Tsy zakan'izy ireo izany fihetsik'i Ravalomanana izany, ka nararaotin'ireo mpitondra frantsay hany ka mora ho azy ny nanjera an'dRavalomanana, amin'izao fotoana izao, hatramin'ny nangalana an-keriny ny fahefam-bahoaka dia lainga sy fitaka ary vonoan'olona tsy misy ohatran'izany no ataon'ity andry sy ireo tariny, dia mankasitraka daholo ireto mpiasam-panjakana, na sivily na miaramila, atao hoe manana andraikitra lehibe ao amin'ny fitondràna. Raha izao izany no fandehany dia hiharatsy hatrany ny toe-draharaha eto madagasikara satria ny taranak'ireo ihany no handimby toerana azy ka izay nataon'ny ray aman-dreniny ihany no ataony ihany koa, tsy hay intsony hoe 100 taona ve ? Tsy afaka hiakatra eo amin'ny fitondràna mihitsy mantsy ny olona tena tia fampandrosoana fa vetivety dia mety ho faty hiharan'ny herisetran'ireo fahavalom-pirenena ireo.
répondu par xhavier le 18/01/2011 06:15
2. bazylou ( 14/01/2011 18:37)

resak ovy be ny anao zany an,

tsy i le8 ve izao no ifandrohitan'ny rsa sy interpol e??

beuurrrk vive tgv
3. xhavier ( 18/01/2011 06:15)
Ianareo ry zalahy mba manaova fanadihadina lalina sy mahisy ary marina vao manoratra na mamaly f'aza de fanatika loatra fa izany ihany no nahatonga izao aretimbe mitambatra zao efa mihinana ny tsy fihinana mbola eo ihany mazotoa manaradrenirano e!
bazylou:


resak ovy be ny anao zany an,

tsy i le8 ve izao no ifandrohitan'ny rsa sy interpol e??

beuurrrk vive tgv
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0609