Ny vidim-piainan' olombelona
1. AndriambyII
(
03/11/2010 20:54)
Ohatr' inona sy hatr'aiza no hamaritanareo izany eo anatrehan' ny fahefan' A/tra ?
répondu par RAR.DAGO le 16/11/2010 06:57
2. RAR.DAGO
(
04/11/2010 06:20)
Tsy misy vidiny ny fiainan'olombelona iray raha ny hevitro satria tsy azo atakalo iny fa azy irery foana na raoviana na raoviana ary izay tompony foana no mandidy farany izay tiany anaovana azy. (aina no resahina eto fa tsy fahafahana - liberté-)
Ny fahefan'Atra amiko dia manomboka eo @ izay tsy takatry ny saiko ka tsy mety ho tonga eo anatrehany mihitsy aho izany satria rehefa tsy azoko intsony ny zava-mitranga dia tsy raharahiko intsony raha tsy hoe hitady ny tohin'ny tantara no ataoko anton'asa

3. RBNIR
(
05/11/2010 13:01)
RAR.DAGO:
tsy raharahiko intsony raha tsy hoe hitady ny tohin'ny tantara no ataoko anton'asa
RAR.DAGO a!
Amiko kosa aloha tokony hamakiana loha be mihitsy ilay any an-koatra satria iny anie no miantoka ny fianana mandrak'izay e!
Tsy ho zakako mihitsy kosa aloha izany hoe hijaly mandrak'izay izany e! (tsy manam-pahataperana anie izany e!).
Kely sandry aho zalahy a! afondabozy aza mandoro ahy segondra kely fotsiny efa sahirana aho.
Izay no nahatonga ahy hitady ka dia nahita tokoa moa izany. « Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. » (Matio 7:7)
Ary rehefa nahita dia nisafidy ny hipetraka tsara amin'izay.
Izahay anie tsy afaka mihitsy ny hiditra ao an-dohan'ny olona na hanery azy hoe minoa fa tena marina anie ity e, fa dia fijoroana vavolombelona fotsiny ihany no azo atao e!
Dia anjaran'izay mpihaino no mino na tsy mino. Nefa tadidio fa ampy hitsaran'Andriamanitra an-tsika anie iny fijoroan'ny sasany vavolombelona taminao iny e!
Averiko indray RAR.DAGO a! afaka manandrana sy mizaha anie isika e! « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:8).
Tsy fanerena io RAR.DAGO an, sao dia ho tezitra eo ise, invitation io ka mba tiako ho raisin'ny olona am-pitiavana satria atolotro am-pitiavana koa.
Ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra e!
4. RAR.DAGO
(
05/11/2010 20:48)
RBNIR:
Tsy fanerena io RAR.DAGO an, sao dia ho tezitra eo ise, invitation io ka mba tiako ho raisin'ny olona am-pitiavana satria atolotro am-pitiavana koa.
Olona manasa ve dia ho tezerana. Misaotra @ fanasana fa raha mahasoa anao dia tohizo.
Izaho izany tsy dia miraika loatra @ izay fiainana any ankoatra any fa ny eto aza efa manahirana. Izany no mahatonga aho manao vazivazy hoe tsy mampaninona aho na any @ afobe na any am-paradisa fa misy namako daholo any.
5. AndriambyII
(
06/11/2010 20:19)

Iza no tsy manana fahasahiranana ? Mba ampahazahoy sombitsombiny any izahay ry RAR.DAGO raha mba misy feeling manja any a!!
7. RBNIR
(
08/11/2010 04:37)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)
8. RBNIR
(
09/11/2010 10:36)
Sarobidy amin'Andriamanitra ny fiainan'ny olombelona :
« Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay » (Jaona 3:16)
« Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay » (Jaona 3:16)
9. Miharena
(
15/11/2010 08:48)
Ny olombelona sy ny voary manontolo no ahafantaran'Andriamanitra fa Misy IZY. Koa ny fahalalana izany no hahafahan'ny olombelona mahatsapa fa tenan'Andriamanitra izy. Izay no Fototra tsy manam-pahataperana sy tsy ho lefy mandrakizay.
10. RAR.DAGO
(
16/11/2010 06:57)
Miala tsiny fa tsy mazava fa ny tena moa efa manantona angamba ny Alzheimer :
Iza no mahafantatra hoe misy iza? Ny tianao ho lazaina angamba eto dia hoe ampahafantaran'Atra fa tsy hoe ahafantaran'Atra
Dieu est vraiment dieu ou bien l'homme est dieu ou Dieu est dans chacun de nous?
Raha ny finoako aloha dia manantokantona ny finoana fa Atra dia ao anatin'ny tsirairay fa anjarantsika no mamoaka na mandevina azy
Miharena:
Ny olombelona sy ny voary manontolo no ahafantaran'Andriamanitra fa Misy IZY.
Iza no mahafantatra hoe misy iza? Ny tianao ho lazaina angamba eto dia hoe ampahafantaran'Atra fa tsy hoe ahafantaran'Atra
Miharena:
Koa ny fahalalana izany no hahafahan'ny olombelona mahatsapa fa tenan'Andriamanitra izy.