fialana sigara??

1. ledala ( 22/10/2010 22:42)
Ankoatry ny fahavononana, inona koa no fomba atao mba hialana, sigara?
répondu par joax20 le 18/02/2011 15:46
2. Dan23 ( 26/10/2010 05:43)

ledala:

Ankoatry ny fahavononana, inona koa no fomba atao mba hialana, sigara?

za ko ranga tena efa ela zay tiako elana sigara zay fa ten tsis vokan dôl ze ataoko a,eo milaza fa mihinana bonbon refa te hifoka fa toa ny nifiko fotsin no simba,eo ndray milaza fa herintsaina fotsn nef toa ts mety le iz ko.ngamba mba miandry isika e ze mahay ianarana e
3. sylvaine ( 26/10/2010 06:28)
ka refa tsy vonon enao to tsy mety zany kou,tsisy fomba hafa afatsy io na anao in na in
4. sylvaine ( 26/10/2010 06:45)

Dan23:

ledala:

Ankoatry ny fahavononana, inona koa no fomba atao mba hialana, sigara?

za ko ranga tena efa ela zay tiako elana sigara zay fa ten tsis vokan dôl ze ataoko a,eo milaza fa mihinana bonbon refa te hifoka fa toa ny nifiko fotsin no simba,eo ndray milaza fa herintsaina fotsn nef toa ts mety le iz ko.ngamba mba miandry isika e ze mahay ianarana e

ny tena itako matetika alou,maafaka sigara de ny tsy fisian'ny vola!
5. Dan23 ( 26/10/2010 07:08)

sylvaine:

otran itako mty toko zan klé,fa sarotra be lo le tsis vola ampôs e,misaotra anao fa aleo andramako zay fikanao zay d teneniko eto ra mahomby
6. foudre ( 27/10/2010 21:02)
Manatona lety dokotera a!
7. ledala ( 27/10/2010 21:13)

Misy milaza hoe:
- atao amposy ny sakamalaho dia rehefa tia hifoka , iny no tsetsafina
- misinda vetivety any amin'ny toerana iray tsy ahitana sigara firy ( vakansy....) tsy mitondra mivatsy
- ovaovaina ny sigara fohana ( ilay karazany) dia tsy ho tadidy ilay tena tsirony mahatamana anao
- tsy mandositra izay mifoka fa miaritra ny fofona eo mihintsy aza
-misy koa hono fanafody na zavatra toy izany hanesorana ilay efa ao anaty ary tsy ahafahana mampiditra intsony??
-mazoto mijanona amin'ny toerana tsy azo hifohana sigara mba hampihenana azy ahay
sy ny sisa lazain'ny olona rehetra eny
8. foudre ( 27/10/2010 21:21)
Misy tsy mila an'ireo zavatra be dia be tanisan'elah ireo dia afaka sigara lety a!
9. miravero ( 28/10/2010 06:39)
rehefa tsy mazoto izany dia tsy afaka mihitsy koa
10. ndotofetsy ( 31/10/2010 22:51)
misy fomba hatao kaaaa mamono tena wahahahahahaha
11. kamory ( 01/11/2010 09:52)
Resaka daholo izany rehetraizany fa refa te-hiala sigara ianao dia ny sainao ihany no mitondra an'io koa refa tena vonona ianao dia afaka fôna fa matoa ianao mbola mifoka dia mbola tsy te-hiala sigara ianao izay ; fa na in'in ataonao tsy afaka ianao refa ianao no mbola te- hifoka; Tsotra ihany ny teniko hoe:"Eritrereto fôna isaky ny mandrehitra sigara ianao dia ataovy hoe: mihena 1andro ny fotôna havelomako"mifoka 2 ianao dia mihena 2jrs dia toy izay fôna e!Koa amafiso ny saina e! Tsy afaka ianao raha tsy manao izay.
12. niryna ( 04/11/2010 16:00)

Dan23:

ledala:

Ankoatry ny fahavononana, inona koa no fomba atao mba hialana, sigara?

za ko ranga tena efa ela zay tiako elana sigara zay fa ten tsis vokan dôl ze ataoko a,eo milaza fa mihinana bonbon refa te hifoka fa toa ny nifiko fotsin no simba,eo ndray milaza fa herintsaina fotsn nef toa ts mety le iz ko.ngamba mba miandry isika e ze mahay ianarana e
ny vahaolana dia hianao dia hianao irery ihany io,ny saina,ny fandavantena,ny famehezana ary ny fahavinirana anao izany
Nisy namako izay mpifoka sigara be mihitsy izy,na dia miaraka eny ary izahay dia tsy voatarika aho sainga indray andro izay tonga dia nositomiko teny an-tanany ny sigara ary noteneniko azy fa tia tena izy.Nazavaiko azy ny vokatra mety ateraky ny sigara
ny cancer,ny nify mafo,ny fofon'ankonjo maimbo,ny trano feno fofon-tsigara,ny zaza lasa mifoka fofona sigara ihany koa,ny loza dia raha tonga ao anatin'ny tenda ilay cancer ka mbola nomen'Atra fotoana anasorana azy dia lasa mianatra miteny(manao terapia) ary miteny toy ny robot ireny ilay olona .
Tsy nety ny nataoko saingy mba nandinika ireo zanany mbola kely aho ary nizara izany tamin'ny foko ka tsy nampaninona azy fa dia maty aloha ny sigara.
Nifoka ihany herinandro saingy isaky ny mifoka izy dia ilay teny noteneniko,ilay fihetsika nataoko ilay hanatranatra maromaro nomeko azy no nameno ny sainy ary dia nanapakevitra ny hiala tamin'izay izy dia izay,vita a
Tsy niverina intsony izy
Misy fomba iray koa toa ny fahazarandratsy rehetra,isika ihany no manafaka izany ary mila vonjy amin'Atra isika fa tsy vitantsika irery.Toa izany koa ny kristiana raha tena te hiala amin'ny zavatra tsy tiany atao,mivavaka ary mangataka amin'Atra mba omeny hery anala izany fa afaka io rehefa tena mino tokoa
13. ledala ( 13/11/2010 21:24)
misaotra betsaka ireo zay namaly fa misy ho atoro ireo namana mpifoka sigara maro izany,
14. Herimiafina ( 18/01/2011 18:50)
Misy traitement LASER izay any amerika, 2000dolaka ny sarany.
Misy koa mihotra any amin'ny sinoa.
Misy koa ao amin'ny hoeopharma fa tsy efficace tsara;

Fa ny tena hitako efficace dia ilay tara amina sipa faran'izay manjabe, dia manaiky hiaraka ilay sipa raha miala sigara,.
15. niryna ( 21/01/2011 17:06)
Herimiafina koa mampihomehy
Io dia araky ny tsirairay ihany,toy ny vehivavy ohatra maro no tia mandeha any an-tsena ,misy moa aza ny sasany miteny hoe na tsy hividy aza dia mijery fotsiny fa e,e,rehefa mivoaka mitondra harona avy ao vao tonga saina.
Mila mamehy tena izany ary tena zavatra lehibe io,ny nomeko ny olona iray izay dia hoy aho hoe ohatrinona isan'andro no vola laninao ? kaontio isankerinandro izay dia ho hitanao,manaova hoy aho boatin-drakotra ary isaky ny te hividy sigara dia arotsahy ao anatin'ilay boaty kely raha tsy mahavita manampy ny vady aman-janakao hianao.
Niholakolana teo ihany izy ,nandeha teny ny herinandro,niala tsikelikely ary dia afaka hono izy izao aleloia. Maro ny zavatra tsy vitan'ny herin'ny tenantsika fa raha mametraka ny fiainantsika amin'ATra isika ka mangataka famelankeloka aminy ary mitodidoha manaraka ny tiany sy ampanaoviny antsika dia hamonjy sy hanampy antsika tokoa izy .Andramo anie e
16. joax20 ( 18/02/2011 15:46)
Io les tsotra n miala aminio ra vonona an!
Ny nialako izao naka saina mihintsy izao ary nanontany tena hoe inona aza no dikan'ny ity sigara ity
- voalohany iaraha-malala fa mandany vola izy
- Sady tsy mahamamo no ts mahasambatra (aleko misotro toaka na mifoka bob)
- Tsis avantage azo aminy fa manangona aretina fotsn

amiko n sigara d gest fotsn angam ba o ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1464