Ho lany ny TSIA raha izao no mitohy!!

1. jiolah ( 22/10/2010 09:01)
Mampalahelo rangah fa takona mihitsy ny TSIA .Zara raha misy manentana (tsy ampy sosy angamba).Jereo anie ny fivatravatran'ny ENY e, miara-misalahy ao daholo hatramin'ny minisitra sy ireo mpiasam-panjakana isan-tokony sady mirantiranty ery ny afisiny no ngoda be.
Mitsetra ny TSIA zary tsy misy mpanohana ny ankamaroan'ny olona no sady te-hamaly faty ireto be zesita.Izay moa le gasy "olon'ny fo".Ka hoy aho hoe: aza dia matoky tena loatra ry zareo "OUI m'se " ary aza de manao fandaniana be loatra sao tapaka lalandra tampoka .Fa ny gasy izay tsy haihay ny toetrany.
répondu par mepaka le 25/10/2010 18:16
2. nilex ( 22/10/2010 10:33)
Ny ENY koa aza nge mampalahelo be fa vitsy dia vitsy e,sahala amin'ny tsy manambola izany sa matahotra tora-bato.
Ny TSIA indray dia tsy mahagaga satria tsy ilaina ny manao propagandy satria tsy maintsy ho lany ny ENY. Tsy maintsy hanao izay hahalany ny eny ireo mpitondra ireo satria ho afa-baraka eo izy ireo raha vao ny TSIA no ho lany.
Mety ho lany anefa ny TSIA raha toa ka mifidy daholo ny tsy tia izao fitondrana izao satria dia tsapa fa vitsy tokoa ny olona mankasitraka izao fitondrana izao fa leo fotsiny ny olona ka tsy miteny.Raha toa ka tsy hifidy indray moa ireo olona maro ireo dia vao maika ho lany foana ny ENY.
3. sylvain ( 22/10/2010 13:26)
eo aloha d mihezaka mafy tokoa ny mpitondra @ zao hahalany ny ENY na dia efa tsy mankasitraka aza zao ny firenena mikambana @ fanaovana amboletra ny fifidianana sy ny fitondrana tsy hiarahana @ ankolafy hafa,ka raha misy ny hande handatsa-bato d taomy ihany ny olona anao TSIA, misy ny milaza sy miteny fa tsy tokony hande handatsa-bato fa raha mande d efa karazany manaiky ny fitondrana, hatr@ zao anefa dia mbola eo @ fitondrana ry zareo tsy misy afaka manala azy ka manomboka eo @ io fitsampankevi-bahoaka io no tokony aseo ny vahoaka ny tsy fankatoavana io fitondrana io.
4. ziva6 ( 22/10/2010 13:36)
Dia tokony hitokona daholo @ zay ny olon-drehetra ny mpiasam-panjakana, ny mpampianatra, ny mpianatra, ny mpiasa tsy miankina rehetra tsy mila miandry mpitarika fa tonga dia eny an-dalambe ny fotoana.
5. 3188 ( 22/10/2010 13:56)

ziva6:

Dia tokony hitokona daholo @ zay ny olon-drehetra ny mpiasam-panjakana, ny mpampianatra, ny mpianatra, ny mpiasa tsy miankina rehetra tsy mila miandry mpitarika fa tonga dia eny an-dalambe ny fotoana.
dia ho avy indray ry fatina colonel miaraka ralisy voky rongony sy ny masse 36 dia mety ho firy indray no ho dangy.nefa ny ENY tsy maintsy ho lany @ hala-bato.raha tsy hoe mifidy daholo ny olona tsy mankasitreka ny FATY araka ny voalazan'ny akama etsy ambony
6. fijo ( 22/10/2010 19:10)
tsy ny tsia no atahorann'y hat izao,fa ny isan'ny mpifidy.
7. bazylou ( 23/10/2010 17:14)
tsy maintsy holanyny eny di ainona indray no atao hiwawwawaw ve? shhh beuuurrrk , tgv aza tsy resinareo le aza
8. jiolah ( 25/10/2010 04:36)
le tgv mety mora resy ihany satria antoko mbola vao haingana no hita tabilao fa ireo opportunistes marobe nijapy azy no tena tsy hanaiky moramora.Ireo le tsy nahavita azy rehetra hatrizay ary tsy hanana chance amin'ny fifidianana mihitsy ka tsy hamela mora le hena ampelatanan-tsaka.
Raha misy ny fitiavanao ny tanindrazana dia araho maso akaiky ny vato narotsakao mba tsy ho voahodikodina ny safidinao.
9. mepaka ( 25/10/2010 18:16)

bazylou:

tsy maintsy holanyny eny di ainona indray no atao hiwawwawaw ve? shhh beuuurrrk , tgv aza tsy resinareo le aza
fantatra eny foana ry foza ,manoratra aza tsy hainy,beuuurrrk ...ialao fa tay mivalana beu feno olitra .pouuuuaaaa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0527