Very hevitra ny Gasy

1. Rabaradaka ( 20/10/2010 11:44)
Dadatoa a, tapi-dàlan-kaleha ny gasy ary very hevitra toy ny kijeja voatango elatra, tsy hay intsony izay aleha sy hatao. Hifidy nefa tsy hay izay fidiana , tsy hifidy nefa tsy hay izay antony tsy hifidianana, hijerijery fotsiny nefa mba olom-pirenena ihany. Inona no hatao ry dadatoa sy nenitoa ? Angamba tsy resa-be mandany andro intsony kosa e !
répondu par rabaradaka le 26/10/2010 10:22
2. jiolah ( 20/10/2010 12:40)
reveo miadana eo dadatoa a.Ho aiza ary?? Efa nalefa ny maputo sy ny tariny fa nodakan-dry zalahy tery.Narahan'ny dinika samihafa:escopol ee,vontovorona ee,conferansa nasionaly eee.. fadaniambola fahatany fotsiny. Antony: anarana sy tarehy mitovy foana no hita nandray anjara teo fa ny anaran'ny toerana ivoriana fotsiny no miova dia ireo akamakaman'ny tetezamita.
Le gasy hoa be resaka loatra.
3. milamm ( 20/10/2010 13:28)
Ny isainana ny ho atao no mahatonga ny resaka Dadabe a, jiro ampisokatra ny sainy rehtra tsy amindra ao anaty haizina lava ,nefa mila mpanara-maso ny fanatanterahana izany ny tsy fisian'izay no mampanao daniny kibony ireo manao tsy ho tratrany aloka,eo no dingana voalohany satria mieritreritra ny fat manao ny cst(efitra ambony),kongresy ny fat(efitra ambany),ary ny ceni, hcc, fa fahefana tsy refesi-mandidy sy haharitra mandrakizay no azony.
io no hevitro ary ny any Dadabe rabaradaka moa inona le hevitra tsy mandany andro azonao atolotra fa tsy mandany andro???
4. fijo ( 20/10/2010 18:59)
izao ny ONU efa nanambara mazava ,fa tsy misy fahalalana azo izany rah atsy ny rehetra no miara mientana.na dia hanao fifidianana eo aza ry voalavo kely.ka handany vola indray iznay fa be loatra le efa ao ampaosy
5. rabaradaka ( 21/10/2010 05:01)

fijo:

izao ny ONU efa nanambara mazava ,fa tsy misy fahalalana azo izany rah atsy ny rehetra no miara mientana.na dia hanao fifidianana eo aza ry voalavo kely.ka handany vola indray iznay fa be loatra le efa ao ampaosy
6. mandefitra ( 21/10/2010 06:05)
BOBOKA AHO RY TANINDRAZAKO



1- Boboka aho ry tanindrazako
Ka avela ianao ho eo
Ka izaho sy ny hazakazako
Handositra fa efa leo
'Zato fahorianao
Sy ny fijalianao
'Zay nanjary fahoriako
Ary lamba fitafiako.


2- Aiza ve k'izaho irery
Sisa no natao hijery
Izato endrikao mirava
Sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola :
Ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona
Ka nahazo famololona
Tao 'reo lasana sahady
Fa trotraky ny lazon'ady
Tao ireo tsy nahasehaka
Resin'horaka sy tehaka
Nisy matin-kenamaso
Tamin-tsiri-tsaramaso
Tao 'reo lavo tsy tafarina
Nivaro-bob'irony marina


3- Ireny rehetrarehetra ireny
Lasana any tsy miteny
Ary izaho irery sisa
Tamin'ireo an-tapitrisa
No milanja ity tolona
Izay mivaona sy mivaona.
Eny, izaho, izaho irery
No mifofotra amin-kery
Sady tsy tafandry mandry
Mampijoro izato andry.
Nefa ity rindrina ity
Efa tazako mihitsy
Fa mirona, tsy mahitsy,
K'afaka fotoana vitsy
Dia hidaboka, hikoa
Raha ts'indray vonjena koa
Ny zanatohatra efa tapaka
Tony rihana efa rapaka,
Ny tafo izay nataon'Ikaky
'Ndreo miantomboka ho vaky
Maina koa ny lava-bary :
Toa akaiky ny mosary.
Ny vy nampalesina
Indreo fa lanin'harafesina ...


4- Te-ho folo izao ny tanako
Hanamboatra anao fananako
Nefa, dia tsy amboa tsy lambo.
Ka raha avy izay atambo
Haninona aho no ho faty irery
Hanolo-tena hanao vivery ?
Fahafirin'iza aho
No hiari-doza be mitraho :
Hianjeran'ity vovonana
Sy ho voafingana an-tokonana ?


5- O, mihidy izao ny vazako
K'eo ianao ry tanindrazako
Avela ianao ho potipotika
Avela ianao ho rotidrotika
Izay mianjera avela hianjera
Izay te-hitsetra anao : mitsera
Lasana aho, Veloma hianao
Izay mitranga : anao ny anao


6- Loza izato fahasahiako
Adray iky ity habibiako
Nasiaka izato fitenenako
O, ifonako, anenenako.


7- F'iza intsony, k'iza intsony
O, ry lovako ambony
No hiaraka aminao
Hizaka izao rehetra izao ?
O, hianao irery sisa
No hany mba hamisavisa
Eny, hianao, hianao irery
No hizaka ireto fery
Sy ny kaikitry ny fositra
Raha lasana aho mandositra.
Fa ny andro takariva
Amin'izay ho tena ziva
Ny maraina dia ho haolo
Ny tanàna dia ho ntaolo
Ka ny vahiny izay mandady
No hanatsatoka kiady
Ity tanànako fahiny
Noheveriko ho afaka iny.


8- Tsia, fa hiova hevitra aho
Ka n'inon'inona fitraho
Sy fandondonao ho rava
Hiorina eto lalandava
Ny fisiako manontolo
Na ho lo ianao na bobongolo.


9- K'avela hitsoaka izay hitsoaka
Avela hipoaka izay hipoaka
Avela hivadika ny rasa
Avela ho lasa izay ho lasa
Fa matokia ianao ry taniko
Ry sampy tiako sy andrianiko,
Ny ahy, jereo io tanako io
F'homeko hery indray anio
Hanohana ny vatan-trano
Na dia hahitako angano.
Ka raha alina ny andro,
F'efa dila ny masoandro
Ny voloko eo ho lahin-jiro
Ary ny aiko amikiro
Mandra-piavin'ny maraina
Efa tsinjoko ao an-tsaina


10- Ary ny hamboko rehetra
Sy ny dinitro no fetra
Hanamboarako 'zay triatra ...
Rah'tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
Fa atosako homeko
Ho anao, ry Fireneko ...
Ka na dia tokana ny tenako,
Na voafetra ny harenako;
Izao no hafatro aminao :
"Maty aho vao maty hianao".
Fara-faharatsiny aza
Aza atao hoe hevi-jaza
"Miara-maty eto isika
Miara-rava sy mivika".
Fa tsy tohan'ny fisainako
Sy tsy zakan'ny fiainako
Izany ianao "ho rava irery"
Tsy mba misy mpampahery.


RADO
7. jiolah ( 21/10/2010 10:50)
izao zany le hoe saika hanipy gant de tonga masiaka tampoka an.
8. AndriambyII ( 22/10/2010 00:03)
Yah yah yah , hi hi hi ! aizz Dox sy ED andriamalala ary Ngovitra sy ... @ izao ?? Mbola ho avy eto kou hono ry zareo zokiolona f' aza matahotra !!
9. rabaradaka ( 26/10/2010 10:22)
Mbola misy olona mamaky an'ity serasera ity ihany ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3544