planeta mety misy aina hafa.

1. soanja ( 30/09/2010 15:59)
Arabaina daholo zany isika mianakavy fa indro fantatra ny mety ho fisian'ny havantsika any ambony tsy taka-maso any. tp://news.yahoo.com/s/ap/20100929/ap_on_sc/us_sci_new_earths

Araka ny voalazan'ny mikaroka moa dia hoe sarotra ny tsy hisian'ny aina rehefa feno daholo ny fepetra mitaky ny fisian'izany. Planeta iray mihantona ao amin'ny galaxy mpifanolobodirindra galaktika amintsika ihany ary ny tena mahafinaritra ahy mahalala izany dia hoe raha mitsangana ao anatin'io planeta io hono ianao dia mety hahatazana ilay kintantsika dia tsy iza fa ilay Masoandro malalantsika.

Betsaka ny fanontaniana mandalo ato an-tsaiko:

-Mety any ve no nalehan'ireo olom-panahy rehetra zay niakatra velona any an-danitra?
-Mety mahalala ny fisiantsika ve ry zareo? Biby ve ry zareo sa inona????
- Mino aho fa mety ihany koa ry zareo?
-hisy taranaka mba hikopakelatra ho any ve anaty sambofiara indray andro any hamangy azy ireo? inahy aho ho velona ahita izany saingy inoako fa ny fanahiko ny hibanjina izany indray andro any.....




répondu par RAR.DAGO le 07/11/2010 06:21
2. fahamarinana ( 03/10/2010 15:51)
Soanja : tsy mety mahasokatra ilay rohy aho ,raha mba azon"ise avrina anie ! Misaotra mialoha fa ohatrany aha-liana ahy ihany koa ny hamaky azy ! :)
3. soanja ( 04/10/2010 00:06)

fahamarinana:

Soanja : tsy mety mahasokatra ilay rohy aho ,raha mba azon"ise avrina anie ! Misaotra mialoha fa ohatrany aha-liana ahy ihany koa ny hamaky azy ! :)


Faha> asa na mety hisokatra ity fa miala tsiny tokoa fa tsy nety nisokatra aza ilay nalefako voalohany avy aty amiko. Miala tsiny koa aho fa amin'ny teny Anglisy ilay izy fa raha mila fanazavana dia teneno ihany aho.

http://news.yahoo.com/s/ap/20100929/ap_on_sc/us_sci_new_earths

4. AndriambyII ( 06/10/2010 20:43)
Araky ny evolution petrifuge n' ilay planete Gliese 581 dia mety ho sarotra ho an' ny olombelona aloha ny hahatakarana ny fandehanana any , araky ny astro physiciens sasany dia maro ny planete mitovy caracteristique @ ity planeta tany ity , raha ny ato anatin' ny galaxie solaire fotsiny no resahina , dia betsaka ny parametres tokony homena lanja noho ny hamaroan' ireo systeme noyauté mifampiditra tsy hay refesina , ohatra iray akaiky dia akaiky ny grand ours .Tombatombana sy vinavina siantifika hatr@ izao aloha dia :90 à 700 eo ho eo ny fandalovan' ny astre mitovitovy @ atmosphere 'ny tany isaky ny telo volana araky ny fandrefesan' ny olombelona .
5. mirananirina ( 07/10/2010 13:14)
Asa re ry Soanja,fa dia tsy misy mahalala izay lalan'ny fanahy isika,fa mino hoe niala hono ny fanahy dia niakatra any andanitra,ny vatana tety antatny zany ahoana,sa mamorona vatana vaovao any andanitra any.
Tsy dia azoko loatra moa ilay hoe "sarotra ny tsy hisian'ny aina rehefa feno daholo ny fepetra mitaky ny fisian'izany. "
6. soanja ( 07/10/2010 22:43)

mirananirina:

Asa re ry Soanja,fa dia tsy misy mahalala izay lalan'ny fanahy isika,fa mino hoe niala hono ny fanahy dia niakatra any andanitra,ny vatana tety antatny zany ahoana,sa mamorona vatana vaovao any andanitra any.
Tsy dia azoko loatra moa ilay hoe "sarotra ny tsy hisian'ny aina rehefa feno daholo ny fepetra mitaky ny fisian'izany. "


Sasanangy samihafa angamba izany resantsika izany.

Ny ahy dia hoe misy toerana any ho any, efa voafaritry ny olombelona ny misy azy sy ny metimety misy eo amin'ny atmosferany, izay azo lazaina fa itovizany amin'ny planeta tany. Lazaina fa nahitana rano sy ny entona maro manome ny " aina" saingy mbola tsy fantatra na misy aina na tsia fa tombatombana avao raha io. Dia ilay tenin'ny mpikaroka sy ny manana izany fahaizana izany no milaza hoe " rehefa feno ny fepetra rehetra hitsirian'ny aina dia sarotra ny tsy hisian'ny aina." zany hoe raha oharina amin'ny zavamisy ety an=tany dia hoe" raha mando sy mafana tsara ary lomorina ny dobo, dia mazava ho azy fa mety misy mikroba isan-karazany miaina ao sy mivoatra."

Raha resaka fanahy indray dia tsy misy mahalala izay fiantombohany sy fiafarany isika satria rehefa maty dia izay aloha no fantatra hatramin'izao hoe mijanona tsy misy ny aina.
7. RAR.DAGO ( 07/11/2010 06:21)
Ity misy rohy mankany @ olona miady hevitra momba izany raha mahaliana anao.
http://forums.futura-sciences.com/debats-scientifiques/22488-probabilite-dapparition-de-vie-ailleurs-terre.html

Ilay Christian sagan resahina ao @ io pejy io koa manana ny heviny ity ny rohy mankany @ takelany http://www.lacosmo.com/

Efa somary tranainy fa azo jerena koa ny paradoxe de Fermi si ny équation de Drake

Dia tonga dia mividiana ibuprofène sy paracétamol betsabetsaka koa :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1343