Mpitandro ny filaminana # vahoaka ( Taxibe )

1. rijadolly ( 18/09/2010 08:56)
http://www.gazetiko.mg/gazetiko/
GAZETIKO 18 Sept 2010:

Teo anatrehan’izay, nihorakoraka ny olona rehetra teo amin’ny manodidina ka rehefa izay dia niantso mpanampy ilay polisy.
Nisy fifanjevoana teny 67 ha omaly nanomboka tamin’ny 2 ora sy fahefany tolakandro teo mandrapahariva tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any, ka niafara tamin’ny poa-basy sy fandefasana grenady mandatsa-dranomaso mihitsy izany. Noho ny fifanolanana nisy teo amin’ny taxibe zotra 183 sy polisy niasa teny an-toerana no anton’izany. Araka ny fanazavana azo teny an-toerana, teo amin’ny fiantsonan’ny taxibe antsoina hoe «tany malalaka», nijanona nanala olona ilay taxibe. Somary taratara kely izany satria araka ny fantatra dia hoe nitaiza kely ilay mpandeha nidina avy ao. Ilay polisy anefa teo anatrehan’izany nitsoka «sifflet» hatrany manao baiko mba handehanan’ilay fiara. Nalain’ilay polisy aloha ny «papier»-n’ilay taxibe tamin’ny voalohany ary rehefa niverina teo amin’io toerana io tamin’ny fanindroany ilay fiara no asa izay tena antony fa nodarohin’ilay polisy ilay resevera ary vaky ny vavany. Raha nanontany ny anton’izany ihany koa ilay saofera dia voalaza fa voadaroka. Teo anatrehan’izay, nihorakoraka ny olona rehetra teo amin’ny manodidina ka rehefa izay dia niantso mpanampy ilay polisy ka rehefa tonga ireto farany dia nanapoaka basy tifi-danitra intelo nanaparitahana ireo olona ireo.

Nitangorona ny olona

Vao mainka nihamaro hatrany anefa ny olona satria dia nentina tany amin’ny biraon’ny polisy teny 67 ha ilay resevera sy saofera. Ity farany moa fantatra fa hoe navotsotra ihany taorian’izay fa ilay resevera notazonina vonjimaika fa hoe arovana amin’ny ainy. Voalaza ihany koa fa nisy olona iray hafa nosamborina tany fa hoe mihantsy korontana. Nitohana ny arabe teny amin’ny faritra 67 ha iny nandritra izay fotoana izay noho ny hamaroan’ny olona tonga teny ary nitokona ihany koa ireo taxibe 183 mandrapahatafavoaka ny naman’izy ireo. Tonga ny EMMOREG avy eo nanaparitaka azy ireo tamin’ny alalan’ny grenady mandatsa-dranomaso izay nifanenjehana hatrany anelakelatrano tany. Araka ny filazan’ny polisy dia nijanona tsy tamin’ny tokony hijanonana ilay taxibe. Nalain’ny polisy ny «papier»-n’ny fiara ary nomen’ilay saofera kanefa dia voalaza fa nalain’ilay resevera indray izany. Voalaza ihany koa fa nosintonin’ilay resevera tamin’ny vozon’ankanjony ilay polisy ka voatery niaro tena izy ary dia io niantso «renfort» io ka nanomboka teo ny gidragidra. Marihina moa fa tonga teny an-toerana ihany koa ny FIP sy ny GIR. Efa nisokatra ny lalana avy eo.
T.H


Ahoana marina ny ao anatin' vahoaka Malagasy amin' izao fotoana izao izao e?

Ny hevitro dia misy hery manakana tsy afahany mamoaka ny ao am- pony.Ary ny hevitrao?

Inona ny vahaolana? dia avy aiza?
répondu par diloo le 22/09/2010 00:09
2. AndriambyII ( 18/09/2010 09:22)
Makany makany tsy hakanontany oué aôna ny aôna ny vaôka en general Rijadolly matetika .Ny politisiana tena mpanao politika angamba dia mahafantatra ilay fitenenana hoe "le peuple est toujours mauvais conseiller en temps trouble "
3. rijadolly ( 18/09/2010 09:50)

"le peuple est toujours mauvais conseiller en temps trouble "

Fa kosa misy hevitra iray izay iraisana, dia izay ilay nahatonga ahy nanotany ny hevitry ny tsirairay...
4. lagoon ( 18/09/2010 14:59)
http://ti1ca.com/04ybv1ev-vij-04-100917-Abus-par-des-police-Antananarivo-183-67Ha-antananarivo-Tsindry-azo-lena-vij_04_100917_Abus-par-des-police-Antananarivo-183-67Ha-antananarivo-Tsindry-azo-lena.flv.html
5. rijadolly ( 18/09/2010 16:08)
http://www.midi-madagasikara.mg/index.php/component/content/article/6-faits-divers/5340-67-ha--polisy-namely-totohondry-resevera-no-nandrehitra-ny-afo

Jereo anie fa hita mihisy heo misy tian' Vahoaka ambara e!
6. rijadolly ( 18/09/2010 16:14)
Misaotra an'i lagoon amin' ilay video. dia miandry an' ireo vaovao hafa omen' hafa isika mba tsy heno lakolosy tokana.
7. lagoon ( 18/09/2010 16:52)
Raikitra koa ny teny Analamahintsy aninkeo atoandro.Mety hafana ny ambiance @ Alatsinainy!!
8. AndriambyII ( 19/09/2010 17:14)
Aleo hifampihinan' ny anganony hahalalàna ny tantara é !
9. diloo ( 20/09/2010 23:23)
Okay ilay vidaka ry Lagoon ary misoatranao.
Tsy afa-bela ny FATE amin'ny vidaka maro, porofo ny fampijaliana ny vahoaka.Rakitra ny tantatara ireny hoan'ny fara sy dimby.
Mba teneno leitsy bazilou ny dadatoan'elah tsy amely vahoaka amin'ny tsisy antony an. Asaivo manenjika jiolahy fa tsy resevera kely ery no anaovana asa ratsim-paty.
Izao ve nama ilay hoe izahay FATE tian'ny vahaoka kle: izahay FATE natao hamono vahoala hoe, fa tsy natao hanompo vahoaka.
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Grands_Smileys/3d-coucou-salue.gif[/IMG]
10. diloo ( 22/09/2010 00:09)

Ahoana marina ny ao anatin' vahoaka Malagasy amin' izao fotoana izao izao e?

Ity misy valiny avy amin'ny tanora iray. Henoy tsara ilay vidaka: mitohy hatrany ny fanimbazimbàna ny zon’ny vahoaka sy ny zo maha olona
http://collectif-gtt.org/content/20092010-tgv-mitohy-hatrany-ny-fanimbazimb-na-ny-zon-ny-vahoaka-sy-ny-zo-maha-olona-vid-o
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Divers/3d-Salut-25.gif[/IMG]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0547