Inona no tokony hatao ao an-tsaina tsy hiadiana ara-pinoana?
1. Miharena
(
09/09/2010 13:55)
Mipetraka ny fanontaniana eto amin'ity loha-hevitra ity satria ny finoana dia hita tokoa fa misy fomba fijery samy manana ny azy. Ny fianakaviana aza dia voasaraka rehefa samy manana ny fisokom-pinoany ny olona.
Ny fisian'ny fametrahana condition isaky ny finoana anefa no ahitana ny fisarahan'efitra. Ny loharanon'ny finoana anefa dia ny fahalalàna ny Mpamorona sy fandraisana ny zavatra tiaNY hampitaina amin'ny olombelona.
Raha ny fahalalàko dia zava-poana ny adihevitra raha toa ka fombafomba fanao no ifotorany fa raha toa ka hahitana ny Marina kosa dia tokony hampitovy ny fijerin'ny olon-drehetra izany.
Ny momba ny olombelona sy ny Mpahary no tokony hiompanan'ny fomba fijery rehetra dia tokony tsy hisy intsony ny adihevitra angamba.
Eo koa ny zavatra iray izay tena hita sy tsapa mampiady izay mifototra hatrany amin'ny lasa. Inona avy ireo lasa tokony tsy haverina intsony ny fiheverana azy mba tsy handrafitra ny ho avintsika olombelona intsony?
Raha ara-Baiboly ohatra dia ny tantaran'ny vadin'i Lota no azontsika raisina : lasa vongan-tsira izy satria niherika ny lasany dia ny tanàna noravana.
Ao amin'ny boky fanambarana (Apokalypsy) dia milaza ny fahafoanan'ilay mpiampanga (dia ny Devoly izany) ny Baiboly.
Isika mpino ve tokony mbola hanao io fomba fiasa miampanga io fa tsy afaka mibanjina ny ho avy amim-pahatsorana?

répondu par fijo le 23/09/2010 20:56
2. maevatiana
(
09/09/2010 14:53)
sarotra be io resaka io, efa t@ taon'androny io tsy fitovian-kevitra io, ny zanak'Andriamanitra ary efa niteny hoe " Aza miady nohon'ny amiko ianareo" nefa dia mbola be marenina ihany isika satria samy te hanamarina ny antokom-pinoany. Ny katolika izao dia ahitana karazana sary vongana masina ny fiangonana misy azy ny prosestanta tsy misy, dia samy te hilaza hoe ny anay no mety ny anareo tsia. Raha amiko manokana aloha dia hidirako daholo n' aiza n' aiza , mahaliana ahy koa ny mahita ny fombafomban'ny hafa. Fa ny zava-dehibe amiko dia tsotra ihany dia ilay zanak' Andriamanitra nirahany nijaly teto an-tany mba hamonjy sy nisolo ny otan-tsika no lalana mody mankany amin'i Ray. Ny fomba fiainanao sy ny fitondratenanao eto an-tany no ho tsaraina fa tsy ny antoko misy anao akory. Indray andro any mbola hipaika ilay ora hitsarana ny tsirairay ary eo dia samy tsaraina @ ataony daholo na isika na ry Papa joany paoly na ry londohany eo @ fivavahana rehetra dia eo no hahalalana hoe iza no tafita. Tsy izay rehetra manao tompoko tompoko akory no hiditra ny fanjakan'ny lanitra
3. ikaretsaka
(
09/09/2010 22:17)
tokony ho ny an'i miharena izay tokoa. saingy io tsy maintsy misy foana io hoe mijery miankavia sy miankavanana io na samy mibanjina ny Nahary aza
hoe lety toa manao mason'akoho, lety toa mingonongonona eo ampibanjinana , irokatra toa tsy sahy mibanjina ary le zalahy itsy toa mangovitra... de farany tsy maintsy tonga saina kely @ hoe : dia izahako izany ahoana"
amiko manokana dia anisan'ny ilaina koa izay hoe maninona itsy no manao izao na izarokatra... ahitana ny reperes sy ny arofanina

4. soanja
(
10/09/2010 04:02)
Ny fahitako azy dia raha mbola miantehitra amin'ny FIANGONANA isika dia tsy hanana fitoniana sy filaminana eto an-tany.
NY FINOANA dia fianteherana amin'izay tsapa any anaty. Ilay Fanahy tsy aiza fa ao anatinao. Tsy misy idiran'ny Fikambanana sy ny hafa maro vokatry ny fitakian'ny tany sy ny fiaraha-monina.
Raha mahalala izany ny olombelona dia tsy hisy ny ady satria izay takiantsika olombelona isanisany dia ny fahalalana, fahatsapana ny FITIAVANA ifandraisana. Toy ny sambokely roa eny ambony ranomasimbe ao anaty alina mikitroka. Ny hafaliana tsapan'ireo olona ao anatin'ireo sambokely ireo mifankahita jiro mitsilopy, misosa tsara ny rehetra ary mifandefa signal dia mahalala izy ireo fa misy olona mitovy aminy amin'iny sambo iny ary ny ranomasina no mitrotro azy ireo. Toy izany Andriamanitra amintsika.

5. Miharena
(
10/09/2010 07:12)
Soanja:
Ny fahitako azy dia raha mbola miantehitra amin'ny FIANGONANA isika dia tsy hanana fitoniana sy filaminana eto an-tany.
Misaotra Soanja ary misaotra ny rehetra nanome ny heviny. Ny fiangonana tokoa dia mametra fifampifehezana ifaneken'ny rehetra ao anatiny araka ny fitondran'ny lohandohany mpitarika izany. Io no mandrafitra ny vatan'ny fiangonana ahafahany miaina amim-pirindràna. Izay olona te-hikitikitika io rafi-pirindrana io na mamboly zava-baovao araka ny fiheviny manokana dia lasa misaraka amin'ny fiangonana teo aloha ka mamorona tarika vaovao misarika izay mitovy firehana aminy. Dia izay hatrany ary tonga amin'izao fotoana misy antsika izao izay efa vala an'arivorivony maro. Toy ny manamboatra trano na auto original araka ny fiheviny avy ny olona eto ary anisan'ny mampiasa ny fahefany avy arak'izay eo am-pelatanany daholo.
Ny olona tsirairay dia tokony hahatakatra tsara io rehefa miresaka amin'ny olona rehetra na mpino izy na tsy mpino. Mila mazava ny fijery ary mila mivelatra tsara ny fisainana ahafahana manome aina ny vala isanisany araka ny nahababo fo ny tsirairay.
Ny mpanakorontana, raha fiangonana no jerena, dia ireo mivoy ny fiadiana amin'ny hafa amin'ny alalan'ny fametrahana vato amin'ny kodiaran'ny hafa io. Fomba fijery ivelany no mandrafitra ny olona mpanao io fihetsika io fa tsy mijery ny atin'ny olona mpino amin'ny antokon'ny hafa izy.
Io moa dia vokatry ny saina tery tsy misokatra tsara afaka hizara sy hamela ny hafa raha toa ka nisy fahadisoana nataon'ny hafa tamin'ny tena.
Eo amin'ny foto-pinoan'ny olona mpanao io fihetsika io dia misy mampieritreritra lalina satria tsy ao anatiny mihitsy ny fahatsiarovan-tena amin'izay fomba fanaony.
Mila retrospection tanteraka mihitsy ny olona rehetra amin'izao fotoana izao ahafahana miala amin'io fandrika mitsaratsara foana io ary tokony tsy hanohana zavatra mirodana ho azy.
Na izany na tsy izany dia ao anatin'ny fotoana hikororohana ny finoan'ny tsirairay ny Tompo ahafahana mahalala ny mafana sy mangatsiaka sy ny matimaty. Dia isika izany no mila mamaritra tsara ny finoantsika araka ny tenin'i Soanja hoe:
NY FINOANA dia fianteherana amin'izay tsapa any anaty. Ilay Fanahy tsy aiza fa ao anatinao. Tsy misy idiran'ny Fikambanana sy ny hafa maro vokatry ny fitakian'ny tany sy ny fiaraha-monina.
7. AndriambyII
(
10/09/2010 19:36)
Ndana anie mba hilazao izany ireo mormons sy zoroastriens ry Miharena e , ny hifanaraka @ hafa finoana izany dia tsy ho tafa veliveky raha tsy aorian' ny 3 G hoy Nostradamus . Rehefa miditra ny tapatapaky ny ère Verseau vao mety hahita mangirana ny zanak' olombelona izay tsy fongatra.Tsara ny hevitra fa ny fanantaterahana azy no tena mbola dezaka be !
8. Miharena
(
11/09/2010 07:32)
Mbola manana fo primitif loatra izay olona tsy mahatsapa fa fefifefy tsy misy fotony no fampijoroany ny finoany ka hiheverany fa tsy misy hifandraisany amin'ny hafa izy ary tsy tokony hifangaro aminy akory. Raha manana finoana marina sy mitombina tanteraka izy dia tokony hahatsapa fa tsy ny avonavona no enti-miaina ara-pinoana ary tsy ny mamboly fefy no fototry ny finoana fa fahalalahana tanteraka sy fahafahana tanteraka ao anatin'ny Fitiavana tsy manam-petra nomen'Andriamanitra Ray.
Tsy tokony hampisy fisalasalana anefa hoe rahoviana vao tafita izany fandravana fefy sy fatotra izany fa na dia izao dia izao aza no miresaka amin'ny olona samihafa finoana ka manana fomba fijery Fitiavana mandrakizay (hatramin'ny fitiavana ny fahavalo) dia efa tonga ny firaisan'ny rehetra ao antranon-dRay.
Misy zavatra manitikitika ihany eo amin'io Tenin'i Jesoa io hoe tiavo na ny fahavalonareo aza. Io no fitiavana tsy manam-petra raha misora-tena ho Kristiana ny tsirairay ary rehefa mahatsapa tanteraka izy fa Ilay Mpamorona no loharanon'ny zava-drehetra dia tokony ho tafa izay.
Rehefa misalotra an'i Kristy ny rehetra dia tokony hahatsapa io Fitiavana tsy manam-petra io.

9. mirananirina
(
11/09/2010 09:06)
Amiko no tokony atao ara-tsaina dia tsy mijery ny fomba fivavahan'ny hafa,fa samy mivavaka @ izay tiany
10. andrywui
(
11/09/2010 09:36)
mirana ==) samy mivavaka amin'izay tiany ?? fa iza no hivavanareo ry Mirana ?? ......aaaannnn ..! hay zay vao fantako !!! hay tokoa moa ....... koboko le izy ! -

11. Miharena
(
14/09/2010 05:36)
Miranirina:
Amiko no tokony atao ara-tsaina dia tsy mijery ny fomba fivavahan'ny hafa,fa samy mivavaka @ izay tiany
Ilay mivavaka ao am-po samy manana ny azy angamba no mety kokoa Mirana fa tsy hoe samy mivavaka amin'izay "tiany" (manjary milaza io hoe misy andriamanitra maro azo ivavahana). Na koa hoe mivavaka amin'izay tiany hanaovana azy rehefa fantany tsara fa Ny Mpamorona izao rehetra izao no angatahiny.
12. fijo
(
23/09/2010 20:56)
samia manaja ny an'ny hafa ary manao izay hanatsarana ny azy.raha tanteraka izay,dia hilamina ianareo mpino.