Ny nofon-kena mitam-pihavanana.
1. soanja
(
26/08/2010 02:32)
Hazavao ny fanaon'ny Ntaolo amin'io na hoe fantatrao ve inona io hena io na io karazan-tsakafo io rehefa lazaina ny momba azy?
répondu par soanja le 13/09/2010 11:16
2. soanja
(
02/09/2010 03:44)
Ary satria moa tsy nisy namaly dia aleo omeko eto ihany. Tsy inona no ilay sakafo fa " NY JAKA".
4. soanja
(
13/09/2010 11:16)
Tsy fanina ianao, Sipagasy fa ilay izy mihitsy no tsy misy manao intsony izao.
Ny Jaka dia nofon-ken'omby toa varanga mihitsy ny fikarakarana azy. Saingy avela haharitra toa kitoza elabe aman-taonany mihitsy vao hanina noho izany ilaina fikarakara be tokoa ny tsy hahasimba azy. Rehefa hahandro azy indray dia sarantsarahana ho singany na toa ireny volo miodikondina na mitangorongorona ireny ilay varanga, avy eo endasina amin'ny jabora haingana. Io no aroso miaraka amin'ny vary, tantely sy ny maro hafa tao an-dapa rehefa misy ny fankalazana fety na fandraisam-bahiny. Rehefa mandroso azy dia alefa miodidina ny olona eo amin'ny latabatra ilay Jaka ary samy maka singany iray avy. Alohan'ny hinanana azy dia isaorana ny Mpanjaka sady maniry azy ho ela velona. Dia anakerana kely sy tsakoana tena faran'izay miadana sady milaza ianao fa " tsara ny fihavanana". Tsy misy tsirony ny Jaka fa saingy izay fotsiny no mariky ny fihavanana.
Io ilay nofon-kena mitam-pihavanana. Izay nasolo ny " tsinay " izay ifanapahan'ny mpihavana taloha.