Fanenana kibo

1. nilex ( 04/08/2010 06:28)
Miarahaba antsika rehetra ,Lehilahy aho somary be kibo ka mitady fomba hanenana azy ankoatry ny sport izany,izany hoe eo amin'ny lafin'ny sakafo no tiako ho anontaniana .Ireny sakafo mahavoky nefa tsy mitondra tavy ireny na misy fomba hafa koa.Raha manena ny sakafo ho aniko mantsy aho dia marary ny vavoniko.Misaotra mialoha
répondu par iorenantsoa le 04/02/2011 10:58
2. xxxy ( 10/08/2010 16:56)
rano sotroina dia anamamy sy hena tsy misy taviny isanandro atao
3. ninie34 ( 14/08/2010 14:39)
ny sucrerie avelao ,ny zavapisotro misy alikaola indrindra indrindra fadio,ny legume atao betsaka rehefa misakafo refa atory amin ny alina ,ny hena aza atao matetika indroa isakerinandro raha be ndrindra ,dia misotroa rano betsaka
4. marcus11 ( 17/08/2010 08:33)
well maybe...[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
5. Ratoa ( 19/08/2010 22:48)
raha tsy inona koa hihinana anamamy isan'andro; indrindra fa maha be tension ny anamamy.
Mazotoa mihinana légume vert bedia be ary croquant fa tsy masakabe ary misotroa rano vao maraina be, asio voasary makirina.
6. ssendra ( 01/09/2010 10:14)

nilex:

Miarahaba antsika rehetra ,Lehilahy aho somary be kibo ka mitady fomba hanenana azy ankoatry ny sport izany,izany hoe eo amin'ny lafin'ny sakafo no tiako ho anontaniana .Ireny sakafo mahavoky nefa tsy mitondra tavy ireny na misy fomba hafa koa.Raha manena ny sakafo ho aniko mantsy aho dia marary ny vavoniko.Misaotra mialoha

dejà aza atao fisotro ny labiera fa tena maha be kibo io!

ianao be kibo izany matavy sa mahia??? satria tsy misy varany ny manao regime raha mahia anefa be kibo, afa tsy ny sport ihany,
raha matavy ndray kous dia asio regime ihany tsy maintsy manena sy manao sivana ny sakafo ho hanina kosa aloha e! araho ny torohevitra regime dr dukan fa sady efikasy no
mihinana ny rehetra, ny 1er phase voalohany izany hoe ny semaine voalohany no tena enjana fa sinon manarka ny rehetra,
efikasy raha tena vonona sy manaraka azy hatram farany
7. nilex ( 13/09/2010 06:09)
Tena vonona aho ny hanaraka raha toa ka hatoronao ahy daholo ny karazana régime .
Ireo mihintsy mantsy no tsy fantatro dia izay no olana fa izaho tena manaraka ka.
1.85 m aho dia 100kg koa; ny tena mety amiko dia eo amin'ny 80 kg eo satria aho lava ra raha 75 kg koa nge aho dia toy ny lava mahia indray.
Misaotra indrindra e.


8. Miharena ( 13/09/2010 06:35)
nilex:

Raha manena ny sakafo ho aniko mantsy aho dia marary ny vavoniko


Ilay fanenana sakafo tonga dia heverinao hamparary ny vavoninao dia tsy fandraisanao an-tanana loatra ny fahasalaman'ny tenanao. Mila kojakojaina ny vavony satria misy fotoana tokony hialany sasatra fa tsy handefasana sakafo be dia be ao. Mamizana azy izany. Raha mahavita mifady hanina fotoana vitsy (roa andro ohatra) ianao dia manampy be ny vavoninao izany. Avy eo dia tambatambazo amin'ny sakafo tsotra sy tsy be menaka izy. Andramo dia ho hitanao fa tsy harary intsony ny vavoninao. (expérience vécue io an!)
9. nilex ( 14/09/2010 05:54)
Misy tsy azonao kely,tsy hoe heveriko hamparary ny vavoniko ny fanenako ny sakafoko fa tena mankarary ny vavoniko mihintsy,efa nataoko nge io e.Izay no mahatonga ahy hanontany hoe sakafo mahavoky nefa tsy mitondra tavy,izany hoe voky fotsiny aho mba tsy hamparary ny vavoniko kanefa ilay sakafo tsy mampatavy mihintsy.Tena marary ny vavoniko raha toa ka noana aho ka.Izay ilay somary olana kely
10. arialy ( 14/10/2010 06:52)
nilex < aza mihinana zava-mamy betsaka indrindra amin'ny alina(alcool koa be siramamy), hena ahena, mihinana trondro in-2 na in-3/semaine, ny légumes toy ny ovy sy carotte koa tsy hanina matetika fa ny haricot-verts, anana, poireaux (légumes vert) no atao betsaka.
ny féculents koa raha hanena tena dia in-1 isan'andro iany no hanina na ferana ny quantité, raha toa ka noana dia mihinana paoma, misotro rano na koa yaourt maigre é,
matetika ny saina anie no maha noana é, mieritreritra sakafo dia noana.
raha marary vavony indray dia tantely no efficace sady produit naturel, 1sotro (càs) à jeun, efa nataoko io fa efficace.
dia aza adino ny misotro rano be an
mahereza é
11. mi0un ( 10/12/2010 23:53)
tsotra izany .... raha toa ianao mipetraka any dago dia mihinana ana-mamy matetika be !! le plus souvent possible dia jus de poireaux no atao rano fisotro !! mila malany 1l 1/2 enao minimum !! Tsy mihinana matavy fotsiny fa tsy mifady sakafo !! Handramo 1 volana fotsiny io dia miverena eto milaza vaovao !!
Mahazotoa o !
12. Aynah ( 18/01/2011 09:58)
za koa tena liana be amle resaka! Satri za io misotro labiera eo amy 4 à 5 bouteilles isan'andro dia rehefa week end dia tafakatra 10 na 11, fa aty amy tany mamay be za dia satriko hisotro azy glacé! Ny tena blem anefa za tsy mety hoe mamo na kely aza fa lasa matavy be sady be kibo ratsy! D nasain'ny olona nilona tany andranomafana Antsirabe za, dia tany Ranomafana any Ifanadiana, ary farany teo tany Ranomafana Betafo nefa tsy nety nihena akory fa ny vola fotsiny no lany! Dia nanantona homéopharma indray dia nisy savony sy menaka nampiasaina isasana sy iorana nefa tsy nety ihany fa may le tavy dia nivadika maitimainty otrireny varice ireny fotsiny, dia nisy soupe amincissante ndray à base de poireaux dia nikimpiana mihintsy ny fihinanana azy satria ratsy be ny tsirony dia mbola tsy mety iany, natao jus de poireaux, natao jus de citron tsisy sucre, natao le ravina 7 avy any Tuléar le mampivalana be ireny, nohanina ny Minceur24 eny @pharmacie, tsy mety iany, farany navelako! Inona no mba hevitra mety? Za lasa kamo manao sport satria matavy loatra ny kiboko dia sempotra be za rehefa mietsika kely, zà nefa tsy à l'aise mihintsy... Matory maraina no sasatra
13. ari.malala ( 19/01/2011 06:18)
Aynah, k ny sainao mintsy no mila amboarinao ra zany oe mila mihetsika :-) d ahena ilay labiera. Tsy voatery nge hoe tsy maintsy labiera vao afak'hetaheta e! na rano mangatsika io aza d mahafaka hetaheta! sady zay aza no tsaratsara kokoa :)
14. iorenantsoa ( 04/02/2011 10:58)
bjr, fa hono a, ina oa lay ravina 7 any toliary fa mba tiako ho fantatra e, efa nis ol ko mants napiasa anio fa tena efficace ka mba lazao anay sao de mahasoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3327