Raharaha izy ity. Rajakom-bazaha tokoa ve isika?

1. soanja ( 03/08/2010 04:21)
Mahalaza azy tokoa ny voasoratra ao anaty Gazety androany. Trafo-kena ome-mahery ka ambava homana ampo mieritreritra.
http://www.madagascar-tribune.com/Rajakom-bazaha,14470.html
répondu par louval le 23/11/2012 17:40
2. ndenn ( 03/08/2010 11:32)
Mampalahelo ny fotom-pisainan' ireto vazaha an-taratasy ireto ,raha mba azon' izy ireo atao dia tokony hozarainy roa ny vatatenan-dry zareo avy ,hampisaraka tanteraka ny maha-malagasy sy ny maha-vahiny @ ny maha-olombelona .Tsy tsapan'ny sasany @ izy ireo fa famonoan-tena anàty ny fanafoanana ny fanabeazana nolovaina fahazaza.
3. soanja ( 04/08/2010 17:52)
Ilay fanabeazana nolovaina fahazaza mihitsy no mety efa tsy ilay eritreretintsika satria " fahazaza" oviana no ipetrahan'ny fanontaniana.

Ilay hoe " vazaha taratasy" aloha dia miankina amin'ny fandraisan'ny tsirairay azy fa raha ara-politika ety ivelany dia ilaina ny fananana ny vazaha taratasy , tsy hoe fitiavana fe te hanana fotsiny fa ny fameloma-po sy ny fitiavana te hanam-pahafahana amin'izay atao no mitaky izany.

Ny fahafantarana ny mahaMalagasy dia isan'ny harentsaina tokoa amiko.

Na izany anefa na tsy izany dia izay mahasoa sy mahatsara no aoka horaisiko na avy any Dago izany na avy aty ivelany. Tsy misy hoe mahaMalagasy intsony fa maha-olombelona miaina amin'ny planeta iray. Ny adidy anefa tsy an'olon-dratsy, hoy ny Ntaolo izay.


4. gps ( 05/08/2010 09:54)
Marina v zany.
5. sitlo ( 05/08/2010 11:58)
Ka ilay gazety koa aza amin'ny teny frantsay koa eo ilay izy no mba mim6m6 eo...
6. fhmr ( 07/08/2010 06:09)
marina mits zany ry sitlo.Fa lé lahatsoratra v natao ho vakin'ny gasy mila fampieritreretana sa hovakin'ny vazaha (hanaovany fihomehezana fotsiny isika marina!!!) tena manala baraka tena mits ny gasy sasany ka!!! izy mitsikera nefa ny tenany ts jereny akory!
7. soanja ( 08/08/2010 02:11)
Ka aminy angamba ilay rajako mety tsy mahay manoratra teny farantsihay. hihihi
8. fhmr ( 13/08/2010 07:15)

soanja:

Ka aminy angamba ilay rajako mety tsy mahay manoratra teny farantsihay. hihihi


hahahahahahhaah
9. sipagasy ( 12/09/2010 17:49)
mmhhh dia ny tena tokoa rey olona no menatra e!!!!! tokony mba hialàna @ ilay ilay fanaovantsika valalan'amboa ny tenintsika e!!!
10. Herimiafina ( 18/01/2011 18:26)
Misy antony daholo ireo zavatra ireo.
11. louval ( 23/11/2012 17:40)
Lay lahatsoratra an-gazety aloha dia mety ho natao hoan'ireo rajakombazaha zay toa tsy mahay miteny gasy intsony ny fandraisako azy. Tena mahamenatra tokoa nefa koa manome tsiny sahady ny vazaha milaza hoe izao no novohizinareo teto Madagasikara ka mahatonga ny kolontsaina toa tsy hisy intsony.

Raha ny rajakom-bazaha indray dia mahavariana tokoa ny mahita ankehitriny ny zava-misy. Raha resaka fiteny fotsiny. Fa raha tsy miteny frantsay kely lay tanora dia toy ny fara hidiny amin'ny fiaraha-monina. Dia hitanao manao blozy zao dia milaza fa mianatra amin'ny sekoly frantsay. Ny ray amandreny sasany dia noho ny haitraitra dia eny anaty fifateram-bahoaka no miteny frantsay amin'ny zaza zay tsy mahazo akory ny lazaina fa toa te hiseho hoe "izaho lay rajakom-bazaha e". Fa ny tena mampalahelo dia ny mahita gasy milaza fa tsy mahay mihinambary raha tsy amin'ny sotro rovitra sy ny antsy ????? Tsy ratsy ny mahalala kolo tsaina vahiny fa ny fanariana ny an'ny tena dia hadalana ray lavaka. Mitovy amin'ny fivarotantena sy ny famosaviana ny mpianakavy. Ny manaraka dia ny fangalana tahaka zay ho mety vazaha fa raha tsy zany sao tsy olona. Na tsy maharaka aza ny fivelomana dia aleo iany mitovy amin'ny zay hita amin'ny fahita lavitra fa sao dia mahamenatra. Tsy ratsy mitsy ny vazaha taratasy fa tsy ho vazaha mandrakizay ny tena rehefa tsy teraka vazaha. Maika moa fa ny tsy vazaha taratasy ???? ... Am-po mieritreritra ry malagasy isany fa ankehitriny dia misoko mangina ny fanjanahana vaovao ary hita fa manomboka manenika ny firenena ny vahiny (sinoa, karana, afrikana ny vazaha fotsy moa mbola eo iany). Sa ve le malagasy tsy mahita afa-tsy ny anio ka rahatrizay dia ho toy ny "maya" lany tamingana ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864