NY VOASORATRA AO @ IZAIA NA ISAIA TOKO FAHA III IZAO MITRANGA ETO @ FIRENENTSIKA IZAO

1. Ruz9 ( 14/07/2010 10:08)
Tsy hitondra fandrosoana ho antsiuka io fitondrana FAT io, faharavana aza no atahorana raha mbola avela hijanona ela io. Mbola hotanisaina eto ve ny hadalana tsy mitsaha-mitombo ataony? Fiosamborana an'izay manohitra azy, fampiasana ny mpitandro ny filaminana ho fitaovam-pamoretana sy hampihorohoroana vahoaka; fanaovana tantely afa-drakottra ny harem-pirenena rehefa avy naka fahefana t@ alalan'ny herisetra. miseho ihany izao ny nafenina fa niniana natao sy nomanin-dry zareo (TGV sy ny tariny) iny doro trano sy fandrobana t@ 26/01/2009 iny (Vakio malaza t@ ity herinandro ity). Ity no fitondrana maizina indrindra teto @ ity firenena ity. Mpahita maro kristiana sy tsy kristiana; mpanandro...(anisan'izany i NENILAVA) no samy nilaza fa eto amintsika no hiseho izay voasoratra ao @ bokin'IZAIA na ISAIA TOKO FAHA3. Tsy misy tsy hita @ ity fitondrana ity izao izay voasoratra ao. Izay manan-tsaina aoka handinika. Aza heverina ho zava-maivana izao miseho izao.
Koa manainga antsika rehetra samy hijoro, handray andraikitra handrodanana an'ity fitondrana ity; samia mandray ny andraikitra tandrify azy avy.
Manainga manokana ny FJKM; hitarika ny hetsika; marina fa eo ny HMF, mijoro mitolona; ataon-dry zareo hazalambo nefa ireo mpitarika ao ka sahirankirana ihany manohy ny tolona. Hafa mihitsy raha mijioro koa ny ao @ foibe mitarika ny olona.
Atambaro ny hery ry mpanao politika sy mpitondra fivavahana sns.....

"teny atsipy @ manam-panahy..."
répondu par ngahypasy le 15/07/2010 04:41
2. riaj ( 14/07/2010 15:19)
Ankehitriny dia resaka eny andalambe ny momba ny FAT fa ny maro @ gasy dia tsy mankasitraka an'io fitondrana io fa tsy sahy maty ka mangina any antranony any. Antenaina anefa fa raha misy mpitarika manana stratejia maty paika fa tsy tandrametaka dia ho mora ny mandrava an'io satria miandry mafy an'izany ny gasy.
3. ngahypasy ( 15/07/2010 04:41)

Tsy hitondra fandrosoana ho antsiuka io fitondrana FAT io

C'est clair!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1498