Mampanontany tena ihany ny zava-mitranga eto amintsika. Iza marina no fototry ny olana raha dinihina ny zava-misy e?
Ny vahiny ve sa ny gasy sa ny FAT sa ny 3 movansa?
Raha mbola ny FAT ihany no eo dia mitohy araka ny fahitany azy ny fandehan-javatra. Ny movansa hafa manko toa mialoka amin'ny filoha taloha tao Mozambika fa tsy manana hazon-damosina loatra ka tsy mba mifanatrika avy hatrany amin'ny FAT.
Aoka ny mpandamina eto an-toerana aloha mba hanao izay vitany dia ho hita eo. Ho hita eo hoe iza marina no mafy hatoka tsy tia fihavanana fa raha dinihina dia mila firaisan-kinan'ny samy gasy ity raharaha ity fa tsy hiantehitra amin'ny vahiny izany amin'ny fandaminana ny raharaha anatiny.
Ny tena olana Miharena dia ny fandavana ny fihaonana mba tsy ho tanteraka a! Anjaranao ny manadiady hoe iza no mahazo tombotsoa amin' izao Krizy izao, aza tapenana ny maso fa sokafy tsara.