ho ela velona TGV,ho ela velona ny Fat ary ho ela velona i MDG

1. bazylou ( 26/06/2010 07:43)
Izay ihany dia mahalaza azy rehetra.
Akombony daholo ny vava ry tim and co fa tsy naharesy an'I TGV ianareo.
Mionona fa izay no anjaranareo na hilatsaka aza ny lanitra.

Vary be menaka izany izao no ady eo e.

Izay mahazera an'I TGV no tohanako indray. Raha hisy...........

ViVe TGV
répondu par rijadolly le 27/06/2010 11:37
2. terrywui ( 26/06/2010 09:08)
HIN HON HIN HON HIN masiaka be letsy elah zany rabazylou a....
atao ahoana mou letsy fa de vava fotsiny anie ny an'ireo resy lava ireo e !!.....

zao de tsy misy miditra serasera ndray izy mianakavy fa midongy sy mitomany be any daholo !!....

--arahaba ririnina letsy pikatti a! de aza misosoka alahelo tsony rijadolly sy diloo a !....
ary aiza mou i batista dit ouioui amin'izao ora izao ? mivoah elah ho arahabaina fa tonga ny fety ry locl a ...

-Mahatsiaro an'i PENGIUN aho zany fa tamin'ny heritaona toy izao no nampihinanako mafy an'i nedala iny tato !!...mety nesorin'i hery angamba ny PS ny ??...mety niteny ratsy be tato leiny zay fa tsy nahatanty petsa hin hon hin hon
3. rijadolly ( 27/06/2010 08:22)
Marina ny tenin' se Terrywui fa tena malahelo ny tena miheritreritra ireto GASY mifaly izay tsy mahafantatra ny ahazo azy rehefa vita ny horakoraka sy ny fandihizany. Tsy ny fifaliny , ny horakoraka mivoaka ao am- pony no mampalahelo ahy fa ny ho aviny rahampitso, izay notakonana tao anatin' 5 andro monja. Firy aminay GASY madinika moa ry Terrywui no mahalala fa tratran' izany fanjanahana ankolaka izany izahay? Dia ho samy hiarabatena eto ve isika fa azon' Frantsay indray ny 50taona manaraka? Tsia angamba hoy ny ao antin' se ao izay miady mafy noho ny tsy fitiavana olona iray sy ny tsy fisian' fifamelana ary ny hoe: ny ahy ihany no marina. Inoako fa miombon- kalahelo amiko i se sy izay tia ny Tanindrazany ary ireo izay mahatsapa ny ady mafy natrehan' ireo Razatsika fahiny, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra mba ahazo ny TENA FAHAFAHANA, Hiaraka alahelo eto isika raha mbola ohatry ny 50taona teo aloha ihany ny atao hoe FAHAFAHANA izay ankalazaina ny 26 juin ho an' taranaka ao aoriana.
MIJOROA IANAO FA GASY.
4. rijadolly ( 27/06/2010 11:37)
Terrywui - 26/06/2010 11:16:

o ry zalah a!!...mahaleo tena isika malagasy matoa:
-manana ny hiram-pirenena
-manana ny foloaliondahy
-manana ny fiandrianany
ny antony hiankinantsika amin'ireo firenena avy anynivelany ndray dia satria misy ny UI izay manampy ny firenena sous devel (an'isanzany M/car) ka ny rehetra mahazo de mba mahazo isika e !
fa tsisy andevozina ankolaka na mivantana zany tsony izao e !! hatramin'ny nandroahan-dratsiraka ny vazaha rehetra 90% teto M/car nanomboka ny 1975 dia efa malalaka ny Mlagasy , manana ny fahafahany !
fa asakasakareo mbola voazanaka ara-tsaina fa izahay efa afaka ary mankalaza ny fetim-pirenenay !! feteo any ny fetim-pirenenareo any Italy sy France any fa nenay ny fetimpirenena Malagasy ihany no hajainay
Mafinaritra aloha fa porofo fa manaiky koa se fa nisy io fanjanahana ankolaka io. Ohatry ny marina io tenin' se io rehefa voatapin' fety sy vary be menaka hoy i bazylou izay ny olona. Misaotra an' se anefa aho nampatsiahy ny fahadisoan' se, tsy tamin' andron- dRatsiraka no nisy fandroahana Frantsay, fa ny 1972 no nisy fitakiana hanafoanana ny fahafahana saritsariny. Fantatry se ny tohiny izay nahazo an' RATSIMANDRAVA, mbola fanotaniana mipetraka iny hatramin' izao 2010 izao, izay saika nahazo an' Ravalomanana taty amin' 2009 ihany koa. Porofo tsy hay kosehina izany fa mbola ao ilay manjanaka ankolaka nandritra ny 50 taona taty aorian' ilay fahafahana saritsariny. Indrindra fa tsy nahitana mangirana ny namono io Filoha iray io nandritra ny 38 taona izay tao anatin' ilay fanjanahana ankolaka ihany. 1980 - 1985 Ny raharaha Kung Fu, Maitre Pierre- be izay sahy nanohitra sy sahy nilaza mivantana fa Frantsay no ao am- badik' izao rehetra izao, " Misy fahavalo maro izay manimba ny firaisantsika hina hatr' izay, tohero hatrany aza avela ahazo laka, tsy ho rava izao ny tolona"; iny koa no nahazo azy.

Inona no anton' izany rehetra izany? Ilay fifanarahana tamin' taona 1959 tamîn' firenena Frantsay( tsy ny Firenena Malagasy irery fa ny firenena izay zanatany Fratsay rehetra ka nafahany, Françafrique ) izay tsy fantatry ny vahoaka Malagasy na dia ny andininy iray aza. Raha vao tsy ny olon' Frantsay no mpitondra na dia ny 1er ministre aza farafaharatsiny dia rava iny Fitondrana iny ary mety hanaraka hatramin' ainy aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1249