Salama daholo indray,
Misy zava-baovao efa misy mampiasa indray ao amin'ny takelaka
namana.serasera.org ka tiana holazaina amintsika tsirairay. Tsy inona izany fa ny resaka
Vondrona.
Inona indray izany?
Ny fandehan'ny vondrona amin'ny ankapobeny dia mitovitovy amin'ilay resaka Dinika manokana teto amin'ny forum.serasera.org. Nisy rahateo ireo dinika manokana teto izay navadika ho vondrona. Anisan'izany ohatra ny "Resak'olondehibe" ny "Reny serasera" sns. Manomboka izao dia azonao atao ny miditra ao amin'ny Vondrona efa mitsangana na manangana Vondrona iray na maromaro izay tianao, dia avy eo manasa ny namana hafa hiditra ao amin'io vondrona io. Rehefa tonga ao amin'ny vondrona avy eo dia afaka mifampizara hafatra, dinika, sary sns.
Mpandrindra ny vondrona
Ny mpikambana tsirairay dia afaka manokatra vondrona. Izy no tompon'ny vondrona natsangany. Azony atao avy eo ny manasa namana ho mpikambana. Rehefa tafiditra ho mpikambana ny namana dia azony atao mpandrindra. Ny mpandrindra dia afaka mamafa ny hafatra, sary, mpikambana hafa ao amin'ny vondrona.
Sokajin'ny vondrona
Ny vondrona dia afaka manana sokajy iray amin'ireto:
- Vondrona malalaka: Izay te hiditra dia miditra, azonao atao ny manasa, mamafa, misakana mpikambana.
- Vondrona voasivana: Miseho ao amin'ny lisitra ny vondrona, izay te hiditra dia mila eken'ilay namorona ny Vondrona na ny mpandrindra izay nofidiny.
- Vondrona mila fanasàna: Tsy miseho ao amin'ny lisitra ny vondrona fa ny mpikambana ao anatiny ihany no mahita azy. Tsy afaka miditra raha tsy mahazo fanasàna avy amin'ilay namorona ny vondrona.
Aiza no misy ny Fidirana
Midira ao amin'ny takelaka http://namana.serasera.org dia jereo eo ankavia eo amin'ny fanoroam-pejy hoe
Vondrona ery ambany indrindra. Midira ao amin'ilay hoe
Vondrona rehetra raha hijery ny vondrona efa mitsangana. Azonao atao ny miditra amin'ireo. Raha te hanangana koa dia afaka manangana vondrona hafa.
Raha misy fanontaniana, olana, sosokevitra dia alefaso eto ambany.