Tsy ekena ny hitarihan'ny filohan'ny HAT ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny fahaleovantena

1. Ruz9 ( 14/06/2010 10:58)
«Méme les morts ne peuvent reposer en paix dans un pays opprimé.»
[ Fidel Castro ] - Message au peuple souffrant de Cuba



Tsy ekentsika ny hitarihan’ny filohan’ny FAT ny lanonana fanakalazana ny faha-50 taonan’ny Fahaleovantena , tsy mendrika azy izany.

Masina ny tanindarazana ka tsy olona mitondra antsika any @ fanjanahana vaovao no hiseho hitarika ny lanonana fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena.

Tsy zoviana amintsika ny zava-doza vitan’ny Fat sy ny filohany nanditra an’izay herintaona mahery izay izay tsy mbola nisy fitondarana sahy nanao an’izany nanditra ny 50 taona. :





- Fanampenam-bava sy fanagadrana an’izay tsy mitovy hevitra aminy na manohitra azy , raha tsy hilaza afa-tsy ny fanakatonana ny Radi Fahazavana sy ny fanagadrana ny mpanao gazety tao aminy ; ny zava nisy tao amin’ny Radio Fréquence +. Teo koa ny fisamborana sy ny fanagadrana ny mpitandrina sasany tao @ HMF sy ireo olona sasany niaraka taminy ; izay nisy mihitsy moa ny namoy ny ainy noho ny tifitra tamin’iny raharaha FIGN iny.





- Fampiasana ny mpitandro filaminana ho hery famoretana sy hanaovana ramatahora amin’izay mijoro mitaky ny fahamarinana. Niarahantsika nahita ireny raharaha FIGN ireny izay nampifatifirana ny samy zandary ho an’tombotsoan’olom-bitsy.



- Tsy mitana ny teny nomeny : mahamenatra izany izany; indrindra ho an’ny olona milaza azy ho mpitondra. Ny sonia atao anio lavina rahampitso. Olona toy izany no milaza azy ho mpitondra ? Tsia lavintsika izany





- Etsy andanin’izany, odian-tsy hita ny fiainam-bahoaka izay lasa sorona amin’izao toe-draharaha izao; tsy misy fiheverana na kely akory aza an’ireo very asa izay tsy mitsahatra mitombo; fa izay hifikirana ela eo @ fahefana ihanay no mahamaika. Ny mpanondrana harem-pirenena an-tsokosoko ihany no mahazo tombontso sy mankasitraka an’izao fitondrana izao.





- « NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY» hoy ny fahendren-dRazantsika; ny an’ny FAT kosa mifanohitra an’izany fa ny fampiasan-kery hatrany no entiny anampenam-bava antsika tsy ho sahy hitaky ny fahamarinana na hamotsipotsitra an’izay tsy mety rehetra ataony. Voasimbazimba tanteraka ny maha malagasy ary tsy misy fanajana ny zo aman-kasin’ny tsirairay eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga raha manohana azy akaiky i Frantsa fa izy no mahita tombontsoa avy @ izany.





- Aoka hihetsika isika rehetra izay manana ny fitiavan-tanindrazana ao anatintsika. Tsy ekentsika ny mpitondra toy izany; fanimbazimbana ny hasin’ny tanindrazana ny fitarihany ny lanonam-pankalazana ny faha-50 taonan’ny Fahaleovantena.



Sarotra @tsika ny fanaovana fihetsiketsehana na an-dalambe na an-kianja noho ny sakantsakana maro sy ny ramatohoran’ireo herim-pamoretany. Noho izany dia eo Mahamasina @ io fotoana io (26 jona) no hanehoantsika aminy sy eo anatrehan’izao tontolo izao ny tsy fanekentsika azy; am-pilaminana anefa fa Malagasy manaja ny soa toavintsika isika.

Mba hampiavaka antsika dia hasehontsika @ FITAFIANA MILOKO MENA ny fitiavan-tanindrazana mirehitra ao anatintsika; sy ny tsy fahafaliantsika @ politika maloton’ny fitondrana misy ankehitriny; mety io ho tee shirt, mety ho lobaka, na palitao, na akanjo hafa fa ny lokony fotsiny no hampitoviana. Ka raha vao migadona eo Mahamasina ny filohan’ny Fat dia HIAMBOHO HANOME LAMOSINA AZY AVOKOA isika rehetra mandrapahavitany ny fisafoana ny «andian-tafika» . Afaka mitondra bandérole koa isika na hafenina aza ka havelatra miaraka amin’izay figadonany ao izay.



Asehoy fa tia Tanindrazana isika n’inona fampiasan-kery sy famoretana atao antsika



NY FITIAVA-TANINDRAZANA TSY ENTI-MIONDRIKA



Reseo ny tahotra sahia mijoro mba tsy ho fatifaty foana ireo Tia Tanindrazana niady ho antsika sy ho an’ ny firenentsika hatr@izay.





Koa antsoina avokoa isika rehetra na inona na inona firehana politika misy anao, na ny Ankolafy Telo sy ny mpanohana azy, ny HMF sy ny Kristiana rehetra, ny tsy Kristiana koa antsoina, ny mpivavaka sy ny tsy mpivavaka, ny mpandala ny Maha -Malagasy sy ny mpandalina ny Siansa ara-Panahy. Tandindomin-doza ny firenena; miha-midina ambany avoakoa mantsy na ny toe-karena na ny ara-panahin’ny vahoaka nandritra ity fitondrana tetezamitan’ny FAT ity.



Fehiny dia antsoina avokoa rehefa Malagasy Tia Tanindrazana hijoro haneho izany @ io andron’ny 26 jona io ao MAHAMASINA araka izay voalaza etsy ambony,



Aoka tsy hatahotra; Madagasikara tsy an’ny FAT sy ny filohany ary ny herim- sy ny sinoa, Madagasikara tsy an’ ireo firenena manohana ny FAT sy ny filohany ireo

MADAGASIKARA AN’NY MALAGASY REHETRFA. Izay ekentsika hitondra no mitondra antsika ary izay lavintsika arodantsika.

Zontsika ny miteny sy maneho hevitra ankalalahana, ary tsy misy afaka manala izany zo izany. Koa sahia mijoro ho an’ny Tanindrazana.

Ho fanakaherezana ny rehetra; dia saintsaino ity TENY HERY fampiasan’ny MDRM ity.





MALAGASY AHO

TERAKA HO MALAGASY

VELONA HO MALAGASY

ARY HO FATY MALAGASY



MADAGASIKARA NO ANJARA TANY NAHATERAHAKO

KOA DIA TERAKA HO AN’ I MADAGASIKARA AHO

VELONA HO AN’I MADAGASIKARA

HIASA HO AN’I MADAGASIKARA

ARY HO FATY HO AN’ I MADAGASIKARA

MADAGASIKARA NO TANINDRAZAKO



- Izay mahita an’izao hafatra izao, aoka hanaparitaka azy araka izay azo atao.

- Iangaviana koa ianao koa ireo izay hanome fanomezana ho an’ny fetin’ny ray mba hanolotra akanjo miloko mena hoentin’ireo Ray tia ny tanindrazany amin’io fotoana io. Iangaviana toy izany koa ireo malala-tanana sy ireo izay hizara fanomezana amin’ny fetin’ny Ray na @ andro hafa hanome akanjo miloko mena hoentina @ io andro lehibe ho an’ny firenena io.

Izay manana moa afaka manao dieny izao na aiza na aiza indrindra @ 26 jona Fetintsika.



Ny «mita be hono tsy lanin’ny mamba ary izay be no basy» . Koa hiara-hientana isika haneho fitiavan-tanindrazana



«TSY ADIDIKO IZAHO IRERY FA ADIDIKO IZAHO SY IANAREO»

répondu par Ruz9 le 16/06/2010 07:04
2. Mirananirina ( 14/06/2010 11:16)
Isika tsy manaiky fa ry zareo mankalaza manetriketrika izany ..dia efa ampy izay.Sur koa anie fa betsaka ny tsy manao fety noho ny tsy fisihan'ny vola eo ampelatanana.Na ny arendrina hoan'ny ankizy ....asa re firy % ny ankizy no mba hanao izany izao any??
3. terrywiui ( 14/06/2010 11:17)
EKENA DIA EKENA
MASINA NY TANINDRAZANA
4. terrywui ( 14/06/2010 11:25)
hon hon hon hon no tsy ampy amin'io ry TERRYWUIIIUI a !... tena neveriko fa za tokoa anie letsy izy io ra tsy nijery tsara ah kle ! ozy ah oe : za ve no vendrana nanao an'io dinika io le?
5. terrywui ( 14/06/2010 11:43)
ts za io terrywuiui fopla io ry mpisera a! za tsy vesa be zany hevitra alefako !...
6. Mirananirina ( 14/06/2010 11:47)
hihihi..eto anie tsy fantatra intsony hoe iza eh!!
7. terrywui ( 14/06/2010 12:10)
Nyf iloha faratampony no hitarika ny fetimpirenentsika ! ..

8. Noue ( 14/06/2010 12:14)


Isika tsy manaiky fa ry zareo mankalaza manetriketrika izany ..dia efa ampy izay.
fa ampy inona ry Mirana ??? sa ampy @ inona ee ??
9. ouioui ( 14/06/2010 17:03)

Zà koo mba te hijery baolina fa tsy navelan'ooul fa jiolahy hono , ouinouionouin
Mitsiky vendrana
10. diloo ( 14/06/2010 17:33)

Mitsiky vendrana
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mdr-mort-de-rire-284923.gif[/IMG]
11. terrywui ( 14/06/2010 17:49)
elah diloo an ! otran'ny za fona kou no hitsianlah an ? mahita raharaha amiko elah fa atovy anga mou e !te hiala PS automatique angah elah ?
12. ouioui ( 14/06/2010 18:05)
Ka mahafinaritra anie ny manala an'toi kosa e!ty jerena tgv a, efa tsy ahita baolina ihany
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Grands_Smileys/emoticone-msn-pere-noel-liste.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Grands_Smileys/emoticone-msn-pere-noel-liste.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Grands_Smileys/emoticone-msn-pere-noel-liste.gif[/IMG]
13. diloo ( 14/06/2010 19:42)

otran'ny za fona kou no hitsianlah an

Ary Toi oa dia tia mangalatra personnalités:
Te ho Hery Toi,
Te ho mpiandraikitra Toi,
Izao indray dia te ho TGV mitsiky vendrana Toi,
kanefa tsy Toi mihintsy no iomezako etsy ambony fa ny sefom-poza.
Tena misy confusions[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Confus/3d-yeux-zarbi.gif[/IMG] ny sain'ny Toi kle.
Tena malahelo an'i Toi aho[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Triste/0061.gif[/IMG]Iny ry Toi misy raozin'ny paradisa hanomezana korazy an'i Toi [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/copains-9247.gif[/IMG]
14. Ruz9 ( 16/06/2010 07:04)

Iza koa itony hoe Noue sy hoe terwuyii itony e, tsy fantatra ho adala, toa tsy hendry, volavolain'ny FAT ho toy izao avokoa ny olona, manonofy, de miteniteny foana. Tsy azo andrasana ela ity fitondcrana ity fa tsy maintsy aongana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2065