Ara-dalana ny fanafody rongony jamala.

1. soanja ( 09/06/2010 02:25)
Efa hatramin'izay no niady mafy ny mba ho ara-dalana ity rongony iray antsoina hoe " marijuana" na jamala ity aty aminay. Sonia efa impiry no andrasana eny amin'ny sisin-dalana ary ezahana mihitsy izay tsy manaiky mba hanaiky, amin'ny alalan'ny fanazavana fa mahasitrana aretina isan-karazany ity karazan-drongony iray ity.

Tafita indray izany tolona izany eto amin'ny Etat misy anay ary dia gaga ny tenako fa mipoitra avy any daholo amin'izay ireo toerana mivarotra azy isaky ny kihom-pivarotra ary heno eran'io ilay fofona tsy nahazatra loatra fa nafenina hatramin'izay.

Lasa eto ny fisainako hoe inona no ho vokan'izany fahafahana izany eo amin'ny firenana , eny fa lazaina fa marary ka mahazo ordonance avy amin'ny dokotera ireo izay mividy azy.
Ahoana no ahafahan'ny fanjakana manaramaso fa marary manana taratasy daholo ny mampiasa azy nefa ny asa efa mihavitsy izao ary hamatra ny vola hameloman-tena, noho izany atahorako ny fidangan'ireo izay hivarotra antsokososko ny tsy manana taratasy mampiasa azy. Inona no ho fiantraikany amin'ny taranaka fara mandimby.

Hatramin'izao ny mpamokatra azy dia mila taratasy manokana ary arahin'ny polisy akaiky nefa izany akory tsy midika hoe ho araka daholo izay maniry rehetra any anaty trano miafina any....

Asa re, fa dia mba te hahalala akaiky aho hoe inona avy tokoa ho anareo izay efa nampiasa an'io fanafody io na izay mahalala no aretina tena sitranin'io ka tsy afaky ny fanafody tsotra afa tsy io ravin-javatra iray io. Sa ve mba te halalaka tokoa amin'izay tiana anaovana azy ny vatana ka io dia isany hanome izay fahafahana izay fa voaramaso.

Fantatro aloha ny mpifoka an'io vitsivitsy fantatro dia milamina tokoa ary tsy manome olana loatra ny mpiara-monina aminy saingy iza no mahalala raha mifangaro na mety hanimba fiarahamonina ihany no iafaran'io. Raharaha ity fahafahana ity!
répondu par soanja le 11/06/2010 03:50
2. hery ( 09/06/2010 04:37)
Angamba aleo hanandrana elaela aloha dia ho hita ny vokany. Amin'izao izy vao noalalahina izao mantsy dia mety hiroborobo be fa soavaly tapa-kofehy. Fa rehefa elaela zatra io dia tahaka ny tsy misy ihany. Henoko mantsy ny ao Pays-Bas ao izao ara-dalàna tsara daholo ireny kanefa tsy mirobaroba ny olona. Ny touristes sisa no tena manararaotra.
3. ndenn ( 09/06/2010 22:05)
Tsy dia misy inona akory ao anatin' ny rongony rehefa jerena miohatra @ Pavot sy ny coca , ny Mandragore , ny ckraeon ,.., raha tsy diso ny fitadidiko dia tetrahydrocannabinol 20% ,Amides calorifiques 15% ,carbonates de Magnesium ,15% ,sulfures d'isotopes tsy manome tombiny na latsaka ilain' ny organisme humain 30% , misy elements exfoliants deshylarants en grande quantité (mbola tsy voafaritra mazava ) nefa mampilamina ny flux hormonale'ny vatan' olombelona "testosterone , progesterone ,ny antsasaky ny hormones rehetra " @ ny tenan' olombelona , secretion maximale-n' ireo glandes amygdales ,glandes neuronales ....
Na izany aza anisan' ny zavamaniry tsy hidiran' ny fakafakan-javatra tsy zakan' ny olombelona ny hazo rongony , noho izy tsy dia mitroka rano firy angamba ? na noho izy hazo manavakavaka sakafo na dia samy hazo voajanahary ohatry ny rehetra aza !
4. soanja ( 10/06/2010 15:02)

hery:

Angamba aleo hanandrana elaela aloha dia ho hita ny vokany. Amin'izao izy vao noalalahina izao mantsy dia mety hiroborobo be fa soavaly tapa-kofehy. Fa rehefa elaela zatra io dia tahaka ny tsy misy ihany. Henoko mantsy ny ao Pays-Bas ao izao ara-dalàna tsara daholo ireny kanefa tsy mirobaroba ny olona. Ny touristes sisa no tena manararaotra.


Ny fahitako azy aloha aty aminay izao miteny izao dia toy ny soavaly tapa-kofehy, saingy ity resaka iray ity dia tsy mba azo irobarobana tokoa satria ny atidohantsika olombelona dia mitaky ny fahatsapana lafatra ambonimbony kokoa hatrany. Ialaina koa ny fampianarana ny hoe " mahalala onona" eo amin'ny fahendrena ifanabeazana, nefa io fahalalana onona io mihitsy no hiako mahalalana amin'ny Amerikanina amin'ny kolontsainy indrindra raha sakafo na zavatra ataony amin'ny tenany. Asa anefa tsy misy mahalala izay ho ampitso fa dia mampanontany tena ahy tokoa ny fisian'ilay fahalalahana hampiasa azy.

Ny hany fantatro aloha dia mba mihena ny fi-smuggle-vena /fampidirana antsokosoko an'ity rongony ity ary mba mihena ny aina afoy isan-taona, izay midagana tokoa rehefa io resaka io na avy any amin'ny border mexico na ny samy gangs ao an-tanan-dehibe ao. Potika ny ankizy mpianatra any amin'ny Lycees ary mba ifanarahany amin'ny ray aman-dreniny amin'izay ny fampiasana azy.
5. soanja ( 10/06/2010 15:06)

ndenn:

Tsy dia misy inona akory ao anatin' ny rongony rehefa jerena miohatra @ Pavot sy ny coca , ny Mandragore , ny ckraeon ,.., raha tsy diso ny fitadidiko dia tetrahydrocannabinol 20% ,Amides calorifiques 15% ,carbonates de Magnesium ,15% ,sulfures d'isotopes tsy manome tombiny na latsaka ilain' ny organisme humain 30% , misy elements exfoliants deshylarants en grande quantité (mbola tsy voafaritra mazava ) nefa mampilamina ny flux hormonale'ny vatan' olombelona "testosterone , progesterone ,ny antsasaky ny hormones rehetra " @ ny tenan' olombelona , secretion maximale-n' ireo glandes amygdales ,glandes neuronales ....
Na izany aza anisan' ny zavamaniry tsy hidiran' ny fakafakan-javatra tsy zakan' ny olombelona ny hazo rongony , noho izy tsy dia mitroka rano firy angamba ? na noho izy hazo manavakavaka sakafo na dia samy hazo voajanahary ohatry ny rehetra aza !



Omaly aho zao vao nijery tele dia gaga be aho fa tampoka teo dia iny ads na pub momba ilay toerana fivarotana azy sy ny hatsaran'ny fitsaboana azo avy aminy no mipoitra teo. Tsy mbola nisy hatramin'izay niainako aloha ny hoe hisy commercial n'ny rongony amin'ny tele. Miova marina izao tontolo izao!

Betsaka tokoa ny aretina sitraniny fa dia isaorana izany Andriamanitra nanamboatra io ravin-javatra iray io!
6. ndenn ( 10/06/2010 16:03)
Na izany aza anefa dia tsy tokony hadinoina fa drogue douce ihany izy ity ! Ka tsara raha mba efa feno taona , sy matoy vatana vao tokony omena alàlana hampiasa azy @ antony hilàna azy !Raha ankizy latsaky ny 18 taona dia tsy tokony hampiasa azy aloha araka ny fahatsapako azy !
7. 3188 ( 10/06/2010 19:50)
ka vao maika mipika de aona?
8. soanja ( 11/06/2010 03:50)

ndenn:

Na izany aza anefa dia tsy tokony hadinoina fa drogue douce ihany izy ity ! Ka tsara raha mba efa feno taona , sy matoy vatana vao tokony omena alàlana hampiasa azy @ antony hilàna azy !Raha ankizy latsaky ny 18 taona dia tsy tokony hampiasa azy aloha araka ny fahatsapako azy !



Eo indrindra no olana satria ny zavatra tena tsaboin'io ravin-javatra io akaiky fantatro manodidina ahy amin'ny asako dia ny zaza manana aretina atao hoe ADHD sy ny ADD ka io dia resaka fifantohana sy tsy fananan'ny olo-dehibe mamehy ny fihetsiky ny zaza iray satria manana olana izy amin'ny atidohany manaraka ny mahazatra sy norma apetraky ny fiaraha-monina amin'ny tokony ataony.

Raha dinihako dia mandemy olona (ny atidoha) ity ravin-javatra ity, izay ny no maha-cool ny mpifoka azy fa tsy violents matetika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1704