hay ve e ....!! ary neveriko ho tena bandy mozatra be anie e

1. terrywui ( 26/05/2010 17:31)
Izao no vavan'i kly Momo kely raha tadidinareo ..! " tadidionareo mitady hanafika ny Tobinay ireo tsara fa samy lehilahy isika no eto , ary eto amin'ny tanananay izahay no tafihanareo ka miala tsiny aho!!... lehilahy daholo izahay no ato...!! hen hen !!..."

de jereo anefa :.....
Raharaha FIGN
Be ny mbola tsy hita
amin’ireo zandary nitsaoka

{mosimage}

Misedra olana ireo mahantra na amin’ny lafiny fitsaboana na ny hoenti-manana.
Taorian’iny zava-nitranga teny amin’ny FIGN Fort Duschène, ny Alakamisy teo iny, izay nanafihan’ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo Far ny toby dia fantatra fa maro ireo zandary nisafidy hiala ny toby rehefa avy nametraka sy nanatitra ny fitaovam-piadiana teny aminy. Manoloana izany dia nisy ny antso avo nataon’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena azy ireo izay henjakenjana ihany satria toy izao no voalaza «antsoina ireo zandary rehetra ireo mba hitolo-batana eny amin’ny sampan-draharaha mpanao famotorana mba hahatsotra ny toe-draharaha». Araka ny fantatra dia efa nisy ny nanatona ny mpanao famotorana tamin’izy ireo taorian’iny zava-nitranga iny. Mbola mitohy hatrany moa ny fanadihadina ataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika iny raharaha iny satria hatreto dia manodidina ny telo amby roapolo no efa natao famotorana ka ny iraikambinifolo tamin’ireo no efa any am-ponja. Fa ankoatra izany dia nitsidika sy nankahery ireo zandary sy miaramila naratra vokatry ny fifandonana ny avy ao amin’ny Emmo Far. Ka araka ny voalaza dia misedra olana ireo maratra na amin’ny lafiny fitsaboana na ny hoenti-manana ka manaitra ny tomponandraikitra hijery izany mba hitovy laharana amin’ireo rehetra lavo am-perinasa izy ireo eo amin’ny fikarakarana.
R.C


vava fotsiny oa no hita amin'ireto zanak-i dada sy ny miaramilany ireto fa raha zay ainga zany de zero !....ao antrano ve no tafihan'ny oul de manaiky ho petsa fotsiny !!!.....tsy mihome loza aho marina mafy!!!.....

:-D :-D :-D :-D

répondu par vitalkamaoly le 27/05/2010 08:55
2. terrysaina ( 26/05/2010 18:24)
vao raikitra ny kombaka dia efa tsy hita daholo ireo zandary zanak'i dada ,izao fandresena mihezinezina no azo ,hon hon hon hon
3. terrysaina ( 26/05/2010 21:20)
aiza ka nozarain'i dada 1000euros/zandary/j ny FIGN ,zoa ry zareo an, efa ho avy ity ry zareo ny fifidiana dia mba aza mitongy intsony,tsy ianareo 50mianadahy milahatra ao @ magro ireo ve tsy ahatafiditra deputes maro2 eto @ ville,hon hon hon hon
100millions dollars hividiana PPN hon hon hon
4. vitalkamaoly ( 27/05/2010 08:55)
aza mimenomenona irery eo lesy fa mankaleo a.Mety hiteraka olana lehibe indray ary zao ny fanagadrana an'nedala ko.
Mba matim-bola koa elah mitanisanisa an'reo vola ben'olona ireo ko.Nga elah tapaka?? :@ pffff...hon hon
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4445