Tsy efa hay ve fa faritra mena ny tanin'ny miaramila e ??..

1. terrywui ( 23/05/2010 13:30)
......Efa itanareo fa nahavoa ny TGV teny A/tsirohitra ny fidiradirampoana eny amin'ny faritry ny tanin'ny miaramila toy ireny !!! de mbola nentina ihany le "mpino" mafana fo hifanehatra amin miaramila eny !!
--za zao tena ni hevitra mihitsy hoe faty olona hikararana androany eny mausolé eny !!hay ka mba nandefitra ny emmo-reg tsy tonga de pan ! pan ! pan daholo..... fa mba ni pitié an'ireo "ondry nania " ireo !! efa impiry ah teto namerimberina isan'andro fa o ry reto a tany miaramila anie ka zone rouge ee! tsy azo idirana anie ireny ee!! efa anatra ho an'ny TGV anie ireo teny A/tsorohitra ireny e!!!.....de inona hoy nareo ny valiny ???? nentina ihany le mpivavaka sadasada hanohitra ny Mpitondra fanjakana !!
--nefa hoy ny Baiboly hoe : Manajà ozy ny Mpitondra anareo !!... :lol: :lol:
-----saika hanolotra hira iray ho anareo aho fa itako mbola tondrakabe le rano de aleo amn manaraka nareo ampifaliana hin hon hin hon hin hon!!.......
répondu par fijo le 26/05/2010 20:25
2. a256011 ( 23/05/2010 13:48)
Marina ny an'se hoe zone rouge ny tany miaramila. Fa na izany aza : ny tompon-tany no nanasa azy ireo ho teny, ary mety ho nieritreritra koa ny mpitarika fa tsy hitifitra ny EMMOREG satria izany no nanenjehana an-dRavalo t@ 07 fev.
Ny antony nitolomana rehetra t@ andron-dRavalo, no mbola ampiasaina amin'izao fotoana izao, ary mbola lasa nihamaro (niharatsy) aza izany :
Radio sy TV nakatona, fanampenam-bava, olona gadraina noho ny tsy fitovian-kevitra, sns...
Nefa anie dia efa navoakan'izy ireo avokoa ny olona nogadraina t@zany fotoana e?
Ary ny tena loza, dia tsy misy ny zava-bita, fa fandokafan-tena sy famitaham-bahoaka no atao mafotaka.
Na izany aza irina ny ahitan'izy ireo ny vahaolana, @ fomba feno fahendrena, satria ny olona tsirairay dia mety hiova fo, saina ary fanahy.
3. terrywui ( 23/05/2010 13:54)
Ny antony nitolomana rehetra t@ andron-dRavalo, no mbola ampiasaina amin'izao fotoana izao, ary mbola lasa nihamaro (niharatsy) aza izany :
Radio sy TV nakatona, fanampenam-bava, olona gadraina noho ny tsy fitovian-kevitra, sns...

film efa goaka be tam andronravalo zany tanisainise zany rahalahy a!!......nanoatra nhoho ireo aza ny nataon'i dada !!! itanao ve ry trois freres eo Andrefanambohijanahary eo ampitan'ny Toby Ratsimandrava io ??? nogadrain'i Ravalo fotsiny zao satria noteneniny hoe aza manao menaka sy vary sy siramamy (ppn) laisany ry 3freres fa efa ataon'ny TIKO sy MAGRO ireo de mbola nampidirindry lerony ihany satria ary le sambo efa tao Tamatave !!.....de inona ny nataon'i dada azy avy eo ?????......niara-nadobony tany Antanimora sy Tsiafahy ry zalah !!!!......
4. a256011 ( 23/05/2010 13:59)
Dia ahoana izany ny hevi-drangahy, tokony haverina izany ny hadalana nataon-dRavalo? Ary ry zalahy 3freres ireo moa izany mbola any amponja? Tsy de arako loatra mantsy ny @ zay?
5. a256011 ( 23/05/2010 14:20)
Raha mbola any mantsy izy : de misy antony ao matoa tsy navoaka. Raha efa navoaka indray, dia inona ny olana? Ny namono olona ohatra an-dry Kotity aza efa navoaka satria hono resaka politika.
6. tsimendrika ( 23/05/2010 15:14)
Miarahaba antsika rehetra indray e.

Izaho tena manaiky fa nanao fahadisoana tokoa ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA. Nisy fiantraikany tamin'ny fiharian-karena nataon'ny olona maro tokoa izany, satria tena hita nidirany avokoa izao rehetra izao (tiany ho azy avokoa izao rehetra izao). Nampalahelo avokoa ireny rehetra ireny. Fanagadrana, fisamborana, fanampenam-bava, fanenjehana amin'ny tsy rariny sns... Maro izy ireo, ary  nihevitra mihintsy aza izy fa TSY HO FATY MANOTA. Nijinja ny nafafiny anefa izy dia izao no niafaràny.

Manolona izany, dia samia mandinika amin'ny saina tsy miangatra avokoa isika rehetra fa tena miverina ilay teo, ary vao mainka aza toa lasa ratsiratsy kokoa satria miaraka amin'ny fanaovana tsinotsinona ny maha-olona, toy ny teny ratsy, ompa variraraka, famonoana, fampidirana am-ponja, fanakatonana Radio, sns... Ny fahitako azy, na tiantsika na tsy tiantsika, dia tsy maintsy hijinja tahaka ny nahazo ny Filoha Marc RAVALOMANANA avokoa ireo.

Ny mikasika ilay zava-niseho tany Mausolé, ny fahitako azy dia tsy tokony ampitoviana amin'ny fiakarana tany Ambohitsorohitra. Ary ity farany moa dia amin'ny saina tsy miangatra dia tena tokony jerena tsara, satria nanao fahadisoana ny fitondrana nentin'ny Filoha Marc RAVALOMANANA, fa tokony hahatsapa tsara ny fahadisoany lehibe koa ny mpitarika TGV satria efa fantatra fa tsy azo aleha fa faritra mena, kanefa dia nentina ihany ireo vahoaka mafana fo. Tsy ho lava resaka aho fa tokony samy hanaiky ny andraikitra noraisiny sy hilanja avy ny rehetra. Ny tany amin'ny Mausolé moa dia ny Lehibe mpitarika no nanasa ny vahoaka. Hanome tsiny azy ireo ve isika ? valiny : tonga maro izy ireo satria sakanana avokoa izay alehany, ka naleony namaly ny antson'ny Cl Raymond ANDRIANJAFY satria any no heveriny fa hisy fiarovana. Mafy ange izy ity e.

Ny antso ataoko dia ndeha hamerina ny fifanajàna indray rey olona a. Mifanaja rehefa miresaka, ary dia minoa ahy ianareo fa ho voavaha ho azy io olana io. MIFAMELA E. Hoy ny fiteny izay hoe "IZAY TSY MIADY OLOMBODO FA IZAY TO FO MPAMOSAVY"

Aoka izay ny ady e.

Dia aoka samy hanaja sy hiondrika amin'ireo lavo isika, na avy tamin'ny andaniny na avy tamin'ny ankilany, satria Malagasy iray rà amintsika ireo.

Mahereza daholo e.ILAY TSY MENDRIKA
7. locl ( 23/05/2010 15:30)
Zone rouge, bleu, vert, zany foana no ampinga entina hanamarinantena, nahazo invitation ny olona ka tsy ho tonga, na zao za mety nandeha teny raha tany Dago
8. AndriambyII ( 23/05/2010 18:15)
locl:

Zone rouge, bleu, vert, zany foana no ampinga entina hanamarinantena, nahazo invitation ny olona ka tsy ho tonga, na zao za mety nandeha teny raha tany Dago


Ka ra Locl variana ao La reunion ao kou !!Mikasika ny bleme Robertien ahoana tokoa aloha ny resaka momba io é ??
9. rijadolly ( 23/05/2010 19:34)
AVERIKO FOANA ITY FA TSY MISY NY MATY RAHA TSY MISY NY MANAFIKA.

Ataovy ny analyse rehetra fa io ihany no marina, Jly Zafera efa nilaza fa nisy fifanarahana tsara fa tsy miditra any mihitsy ireo izay milaza fa miaro ny vahoaka sy ny fananany, izay marihina fa tsy nisy nandromba na nandoro, na nanimba izany fananam- bahoaka izany.
Aiza ny olana? Tsy maintsy tafihana ve fa marary lotra ilay MARINA mikasika ilay vola kely 2.500.000.000 tsy hita popoka?
10. AndriambyII ( 23/05/2010 19:56)
2,5 milliards FMG = ?? % budget national ? Iza no ho gruger- na eto rijadolly ??
Hiafara @ alienation totale ity raharaha ity raha tsy hanana fieritreretana ireo milaza azy ho magnat' ny fananankarena !! hialàna tsiny @ fihavahanana !! :idea:
11. terrywui ( 24/05/2010 15:39)
defa milaza anefa aho fa tsy ho tafavoaka aminio lalana izoranareo io nareo ry mpanohitra a!! raha vao io resaka razana ;, foko , fihaviana , lokontarehy sy fiheboheboana ,miseho milay io no entinareo!!!!!
--- ahita ny anganonareo foana nareo fa eto anie isika e!!! ovay mihitsy aloha le toetsaina !!! anareo MPANOHITRA ato amin serasera.org no manaova fitaratra mitarika azy voalo de angamba mety hiova ihany io loha ratsy io!!!..... :evil: :evil: :evil: :evil: :evil:
12. fijo ( 26/05/2010 20:25)
samy "zone rouge "ireo,saingy ny tsy mampitovy azy,di any iray naika hidirana ankeriny,ny iray nidirana satria nisy nampiantso hoeny.eo le mahasamy hafa azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1826