zao dahy

1. vivi ( 09/05/2010 16:43)
efa ela loatra ilay zaodahiko no nipetraka tao aminay d tsy hitako ny fomba atao androhahana azy , zà tsy t hametraka halahelo an'ilay vadiko;efa ho 1taona s1/2 iz no tao aminay. misaotra mialoha.
répondu par vivi le 18/05/2010 11:01
2. ni81 ( 10/05/2010 07:46)
Ny havan-tiana tsy hiaraha-monina e! Teneno ny vadinao fa tokony mba ahaleo tena amin'izay ny rahalahiny fa tsy hiara-honina aminareo ao foana
3. soanja ( 10/05/2010 15:51)
vivi:

efa ela loatra ilay zaodahiko no nipetraka tao aminay d tsy hitako ny fomba atao androhahana azy , zà tsy t hametraka halahelo an'ilay vadiko;efa ho 1taona s1/2 iz no tao aminay. misaotra mialoha.


Ny fahitako azy dia ianareo ihany no afaka mamaha ny fiainan-tokatrano misy ao aminareo. Fa raha mila fanampiana dia mila milaza hatrany hoe inona no antony ipetrahan'ilay zatovo ao an-tranonareo ka nahatonga azy tao. Inona no nifanarahanareo mivady tamin'izay? sa tsy nisy fifanarahana? Firy taona izy? Hitanao amin'ny fo tsy miangatra ve fa mety hahaleo tena izy? raha mila fanampiana kely vao hahaleo tena?

Raha mipetraka ao aminareo ny havam-bady dia tsy ilay havam-bady no ampianao amin'izany fa ilay vadinao izay tianao ka manana adidy amin'ilay havany. Raha toa ka izay no hitan'ny vadainao fa fanampiana azony atao amin'ilay zandriny dia inona kosa nio azonao aroso amin'ny vadinao ho solon'izay? Ny fitadiavana vahaolana miaraka no zavadehibe ary tsy mitaraina fa sady aroso koa ny sosokevitra hafa afaka hanampiana ilay havantiana.

Raha tsy tiana indray izy dia hafa koa izay. Tadidio anefa fa tsy manampy ny tokatrano ny fitarainana ny resaka havana ity indraindray raha lehilahy tia havana be sy manana adidy be no resahina. Ohatra amin'izay dia ireo lehilahy Betsileo izay izay mihitsy ny momba azy.

Tsy misy tsara ny mahaleo tena ny olon-dehibe iray fa ny fahafahantsika manome/ manampy/ manoro elatra azy hikopaka no tena zavadehibe hahafantarany fa nanampy azy ianao ampitiavana.

Mirary ny soa ho anareo.



4. vivi ( 13/05/2010 15:20)
misaotra betsaka aminy valin-teny! tsra marihana fa io olona io efa 50taona , manam- bady amanjanaka an dago, fa ny blem d ny zanany mbola kely 14ans ny voloany ary 10taona ny farany , ka izay ndrindra no nanampiana azy , nefa rehefa tonga taty @ndray iz d manao fiainana adolescent (misotro taoka , lasa mifoka sigara , rehefa t hody mody .... zany we ts misy regle mihintsy ny fiainany , ny blem aminilay iz d ilay iz efa mahazo taona, fa ts mampaninona anahako ny miteny az mivantana raha ohatra ka mitovy taona amiko , ary zà 30 taona . aminizay mbola mifidy asa fa ts mba zay sahaza d atao!tsy hitako zay atao satria , lasa mitondra sorisorin-tsaiko ilay iz!
5. soanja ( 13/05/2010 16:42)
vivi:

misaotra betsaka aminy valin-teny! tsra marihana fa io olona io efa 50taona , manam- bady amanjanaka an dago, fa ny blem d ny zanany mbola kely 14ans ny voloany ary 10taona ny farany , ka izay ndrindra no nanampiana azy , nefa rehefa tonga taty @ndray iz d manao fiainana adolescent (misotro taoka , lasa mifoka sigara , rehefa t hody mody .... zany we ts misy regle mihintsy ny fiainany , ny blem aminilay iz d ilay iz efa mahazo taona, fa ts mampaninona anahako ny miteny az mivantana raha ohatra ka mitovy taona amiko , ary zà 30 taona . aminizay mbola mifidy asa fa ts mba zay sahaza d atao!tsy hitako zay atao satria , lasa mitondra sorisorin-tsaiko ilay iz!


Efa azoko an-tsaina ihany nony niteny ianao hoe te handroaka azy satria matoa misy izany dia misy fihetsika tsy zakanao ataony.

Misoatra indrindra nanazava momba an'io.

Tsotra fotsiny izany. Mifampiresaka ianareo mivady. Indrindra raha manan-janaka ianareo dia mila manana discipline ao an-trano ka tsy olona manana toetra toy izany no hanimba izany fiaina-tokatrano milamina tianao omena ny tokatranonao. Misy fetrany ny fanampiana olona ary izay no mila ifampiresahanareo mivady. Ny asetry amin'ny vadinao izany dia hoe efa nanampy isika ary efa ela ihany ka tonga ny fotoana amin'izay hanomezana azy ny fahaleovan-tenany satria ny fanampiana foana olona iray koa dia manimba azy. Tokony hasiana fetrany ny fanampian-tsika olona na havana aza satria lasa isika indray no iharan'ny tsy laitra.

Izay heviny momba hoe mampalahelo azy ny rahalahiny dia tsara saingy raha olona tsy hanaja ny tokatrano ipetrahany , mandray azy indrindra hoe mifoka sigara, toaka, mody alina ilay olona no iainanareo dia manana fahamarinana ianao hametra ny fipetrahany ao aminareo. Olona 50 taona izany efa tokony haleo tena izany eny fa na dia mandalo an-taninolona aza izy. Ny anay rehefa misy olona mila fanampiana dia tsy miohatra ny 3 volana no ato aminay. Mazava io any ampiandohana na havana io na namana. Mila fetra ny fanampiana olona ary na havana n'iza n'iza indrindra raha toa ka efa matotra sy lehibe ilay olona fa tsy ankizy na tanora mbola miana-mamindra.

Raha tsy afaka mihaino anao amin'izany ny vadinao dia izy koa no manana olana satria tsy afaka mijery mazava ny fiainana. Amin'izay indray dia tsy manakambara aho satria anao ny safidy rehetra.


6. soanja ( 13/05/2010 16:44)
Misy koa anefa ny olona ivantanana manao toetra tsy zaka dia lasa manaonao foana ilay olona mandalo satria tsy hitany izay atao mba hamonoana eritreritra. Jereo akaiky tsara daholo ny zavamisy satria izay ihany no hahatonga anao hilamina.
7. jojo-bebe ( 13/05/2010 18:13)

desolée, je sais pas :-o
8. RAJOTIANA ( 16/05/2010 12:21)
Teneno tsotra fotsiny izy hoe aleo mba mianatra mizaka tena indray fa tsy ny rahalahiny foana no hiantoka azy!Sady mandreraka be ko nge zany e!
9. ndotofetsy ( 16/05/2010 22:00)
tonde dakao ny vodiny de ousta lasa ml pa

:-D :-D :-D :-D :-D :-D
10. vivi ( 18/05/2010 11:01)
misaotra betsaka @ valinteninareo , satria tena ahazoko mametraka hevita zay ho raisiko, efa nanana hvt ihany zà fa aleo mahazo hvt maro2 vao mandray decision , mba ts ahazoana nenina aty ahoriana! misaotra betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2573