Bekobay !!

1. Djhamhal ( 28/04/2010 07:42)
Nisy fotoana no tsy naha teto ahy fa namita iraka tany @ faritra boeny II iny Bekobay!!,lalana 46 km mivily eo ambovondramanesy(mankany mahajanga) no misy azy ity ary mitohy hatrany mahajamba ! ny volana marsa teo moa nandehananay tany , zany oe mbola tao anatin'ny orana miitsy ! t@ 14h30 teo no nidirako ny sampanandalana ary ny ampitso t@11h30 vao tonga tany ! mbola tsy tonga tanteraka tany bekobay aza zany fa mbola misy 2km fa tsy tonga tany tsouny satria dia fotaka sy rano ny lalana !ary nisy fotoana aza nihitsoka tao anaty fotaka nandritra ny alina manontolo izahay nefa efa fiara 4x4 matanjaka no nentina ;ary ny mponina tao izay nalefan'i ngahy Maire no nanavotra anay tao! nony niverina indray dia ôtr'zay ihany koa niala ny 12h00 ary ny ampitso t@ 14h30 vao tonga teo Ambovondramanesy ! fa nony niverina izahay no sendra taxi brousse (4x4 Niva) izay niara-dalana tamiko , ary isaorako betsaka satria dia nifanavotra fôna zahay teo @ fotoana sarotra !na ny naha raikitra anay tao anaty rano nefa avy ny orana! na ny sakafo izay niarahanizara satria samy namoaka izay vatsy kely nisy tao aminy (ankebahebantany no misy anay )! ary indrindra ireo mpandeha noentiny izay ny sasany nanome akoho ,katsaka,hena ;... niaraha-nihinana sy natono teo !nahafinaritra ny fiarahana eny fa na dia tao anatin'ny ady tena mafy sy nahakivy ny rehetra aza!ary indrindra ny fanampian'Adriamanitra anay satria efa tao anatin'ny harerahana tanteraka izahay no niantso azy ! ary dia afaka soa amantsara!
eto ampamaranana fa lava loatra! isaorako ilay Nahary fa tsy maty fo aman'aina izahay rehetra! isaorako ny mponin'i Bekobay ! isaorako ny mpandeha rehetra ! ary isaorako i NONO mpamilin'ilay NIVA- 7706 TM !
répondu par fijo le 17/07/2010 19:15
2. Ratoa ( 28/04/2010 20:49)
Arahabaina izyany fa tsy maty fo aman'aina. Firy kilometatra angaha izany lalana atao indray andro sy indray alina izany?
Ny ahy indray ny nanjo ahy dia nifandona tamina camion citerne panne afovoan'ny autoroute , any Afrika io, tsy nisy jirona triangle de détresse na inona na inona.
Nisy anakiray efa nodominy teo akaikiny ka io no nampirehitra ny jirony rehetra sy ny signal de détresse. Somary niataka niankavia aho: Ka nahita vato sy vy eo amboniny. Mpisakan'olona ireto hoy aho mantsy ilay niaraka tamiko, andrasi andramantsika hialana ireto fa andeha any amin'ny ankavia indrindra aho. Teo vao hitako ilay camion citerne (ny vodiny izany no hitako), izy mainty be, ny andro alina, ny autoroute tsy éclairée, tsy nanana jiro na signal inoninoa.
nandramako najanona ny auto fa tsy tana intsony.
Dia nametraka ny fanahiko teo amin'ny Tompo sisa no nataoko kanefa tsy vita ny vavako fa lasa tampoka tany amin'ilay olona niaraka tamiko ny saiko.
"Andray hoy aho, ho faty i ranona noho izaho".
Nidona ary ity auto, niainga dia nipetraka soamantsara.
Gaga be aho fa velona. Dia afka kelokely vao tezitra tamin'ilay olona. Ny auto-ko amin'izany vaovao be, tsy mbola ampy erintaona. Te hitomany fa tsy nahalatsaka ranomaso na vongany iray aza.
Faly aloha fa velona. Miady izao ny assurances roa, moa ny auto eo ampanamboarana azy.
FEHINY: mba tandremo ihany leroa ny atao fa sao mamono olona na mtimaty foana
3. soanja ( 28/04/2010 22:54)
Djhamhal:

Nisy fotoana no tsy naha teto ahy fa namita iraka tany @ faritra boeny II iny Bekobay!!,lalana 46 km mivily eo ambovondramanesy(mankany mahajanga) no misy azy ity ary mitohy hatrany mahajamba ! ny volana marsa teo moa nandehananay tany , zany oe mbola tao anatin'ny orana miitsy ! t@ 14h30 teo no nidirako ny sampanandalana ary ny ampitso t@11h30 vao tonga tany ! mbola tsy tonga tanteraka tany bekobay aza zany fa mbola misy 2km fa tsy tonga tany tsouny satria dia fotaka sy rano ny lalana !ary nisy fotoana aza nihitsoka tao anaty fotaka nandritra ny alina manontolo izahay nefa efa fiara 4x4 matanjaka no nentina ;ary ny mponina tao izay nalefan'i ngahy Maire no nanavotra anay tao! nony niverina indray dia ôtr'zay ihany koa niala ny 12h00 ary ny ampitso t@ 14h30 vao tonga teo Ambovondramanesy ! fa nony niverina izahay no sendra taxi brousse (4x4 Niva) izay niara-dalana tamiko , ary isaorako betsaka satria dia nifanavotra fôna zahay teo @ fotoana sarotra !na ny naha raikitra anay tao anaty rano nefa avy ny orana! na ny sakafo izay niarahanizara satria samy namoaka izay vatsy kely nisy tao aminy (ankebahebantany no misy anay )! ary indrindra ireo mpandeha noentiny izay ny sasany nanome akoho ,katsaka,hena ;... niaraha-nihinana sy natono teo !nahafinaritra ny fiarahana eny fa na dia tao anatin'ny ady tena mafy sy nahakivy ny rehetra aza!ary indrindra ny fanampian'Adriamanitra anay satria efa tao anatin'ny harerahana tanteraka izahay no niantso azy ! ary dia afaka soa amantsara!
eto ampamaranana fa lava loatra! isaorako ilay Nahary fa tsy maty fo aman'aina izahay rehetra! isaorako ny mponin'i Bekobay ! isaorako ny mpandeha rehetra ! ary isaorako i NONO mpamilin'ilay NIVA- 7706 TM !


Arabaina Djhamal tongasoamatsara eto aminay indray.

Mahafinaritra tokoa ny maheno izany tantaranao izany. Mbola betsaka ny Malagasy mifanohana sy mifampitsimbina indrindra amin'ny sarotra. Isaorana Andriamanitra!

Ny tena moa efa mpanao an'ireny lalana ankodahoda be ireny ka dia fantatro tsara ny tantara toy izany. Ny lalana sarotra indrindra nataoko dia avy eo Ihosy mankany Vaingaindrano. Andriamanitra o, fitahian'ny Tompo tokoa no nahavelona anay rehetra tamin'izany lalana izany.

Mahereza anefa mikaroka an'i Madagasikara fa ao no tena misy ny harena tsy voavidim-bola indrindra.


4. ikaretsaka ( 28/04/2010 23:23)
mbola betsaka ny "tany lavitra andriana" any Madagasikara ka, arty ho an'ny eventurier dia mahafinaritra tokoa izy ireny..mba mahita realite kokoa noho ilay heno fotsiny
5. soanja ( 29/04/2010 01:45)
Misy miteny hoe "Tany tsy misy Andriamanitra" fa io lainga be an! Arakaraky ny mahalavitra ny tany dia vao maika mitady ho hita maso zany Andriamanitra. :D
6. Djhamhal ( 30/04/2010 06:54)
Firy kilometatra angaha izany lalana atao indray andro sy indray alina izany
?
46km ilay lalana ary fotaka sy rano amboalohany ka hatr@ farany !
Misy miteny hoe "Tany tsy misy Andriamanitra" fa io lainga be an! Arakaraky ny mahalavitra ny tany dia vao maika mitady ho hita maso zany Andriamanitra
.
tena marina io fa na ny olona avy any ambanovihitra izay niaraka taminay ary dia niantso miitsy oe: zanahary ô ! fa dia inona loatra re ny ratsy vitanay no dia tsy afaka eto izahay ary nony avy niteny an'io dia afaka ny fiara !
Mahereza anefa mikaroka an'i Madagasikara fa ao no tena misy ny harena tsy voavidim-bola indrindra.

marina ary tena marina tanteraka io fa ny mampalahelo amintsika malagasy dia ny moyen ho entina hanatanterahana azy ! fa za manokana aloha efa mba anisan'ny nahita ny hakanton'i gasikara noho ny asako ary mamporisika antsika indrindra isika malagasy mba handeha any @ ireny toerana mahafinaritra any lavitra any ireny raha misy ny ho entimanana aminy !
Mankasitraka é!
7. ikaretsaka ( 30/04/2010 11:51)
soanja:

Misy miteny hoe "Tany tsy misy Andriamanitra" fa io lainga be an! Arakaraky ny mahalavitra ny tany dia vao maika mitady ho hita maso zany Andriamanitra. :D

Marina mihitsy.. ary matetika @ ireny tany ankodahoda sy lazaina fa very ireny no ahitana kokoa ilay fiaraha monina misy fifanampiana sy fifampitsinjovana sy fihavanana..ventesina sy ataon ireo milaza azy ho akaikin'Atra tarigetra nefa tsy ampihariny...

8. soanja ( 30/04/2010 13:20)
Djhamhal:


marina ary tena marina tanteraka io fa ny mampalahelo amintsika malagasy dia ny moyen ho entina hanatanterahana azy !



Marina ny voalaza fa noho ny entimanana tokoa no ankamaroany fa ny azoko ambara koa dia maro ireo Malagasy manankarena amin'izao afaka tsara manao izany fa ny vitripo sy finiavana ary ny fitiavana hanao izany dia any amin'ny tany tsy fantatra izany dia isany tsy ao anaty kolotsainantsika (nanabeazana) loatra indrindra raha toa tsy resaka fameloman-tena. Tsy dia tia karokaroka sy liana zava-baovao ka ny maso sy ny sofina ary ny retsikandre rehetra no miaina azy fa zary zatra tantaraina no betsaka amintsika. Tsy manana sens na aventure ho any amin'ny tsy fantatra ( to the unknown territory) ny Malagasy amin'ny ankapobeny ary indrindra moa dia rakofan'ny tahotra izay tsy inona fa ny tsy fahafahana hifandray eo amin'ny samy hafa foko.

Zavatra iray tiako hamarinina anefa dia ny Betsileo no karazana na foko tia mandeha mila ravinahitra tokoa ankoatry ny Merina. Saingy izany aza noho ny fivelomana fa tsy ny hoe handeha haka rivotra sy hijery tany.

Io dia isaorako lalandava ny Ray aman-dreniko satria mbola kely izahay dia efa fiainanay ny dia sy ny fahitana ny tsy fantatra tao Madagasikara. Taty afara moa dia azoko lazaina fa nihoarana mihitsy ny tenin'ilay Mpanjaka hendry hoe " Ny Ranomasina no Valamparihiko" satria mbola tsy hisy ny vala raha mbola manan-tongotra sy maso ary salama ny tenako.

:D
9. niryna ( 30/04/2010 14:54)
soanja:

Misy miteny hoe "Tany tsy misy Andriamanitra" fa io lainga be an! Arakaraky ny mahalavitra ny tany dia vao maika mitady ho hita maso zany Andriamanitra. :D

marina izany ary araky ny eritreretina hoe lavitra antsika izy no vao maika asehony antsika fa eo akaiky eo ihany izy .


10. niryna ( 30/04/2010 15:06)
Djhamhal:

... ary isaorako betsaka satria dia nifanavotra fôna zahay teo @ fotoana sarotra !na ny naha raikitra anay tao anaty rano nefa avy ny orana! na ny sakafo izay niarahanizara satria samy namoaka izay vatsy kely nisy tao aminy (ankebahebantany no misy anay )! ary indrindra ireo mpandeha noentiny izay ny sasany nanome akoho ,katsaka,hena ;... niaraha-nihinana sy natono teo !nahafinaritra ny fiarahana eny fa na dia tao anatin'ny ady tena mafy sy nahakivy ny rehetra aza!ary indrindra ny fanampian'Adriamanitra anay satria efa tao anatin'ny harerahana tanteraka izahay no niantso azy ! ary dia afaka soa amantsara!
eto ampamaranana fa lava loatra! isaorako ilay Nahary fa tsy maty fo aman'aina izahay rehetra! isaorako ny mponin'i Bekobay ! isaorako ny mpandeha rehetra ! ary isaorako i NONO mpamilin'ilay NIVA- 7706 TM !

misaotra an'Atra tokoa fa noho ny fa tsy maty fo aman'aina hianareo
tonga soa indray Djhamal

ny tantarako indray dia nisy fianakavianay izay nitondra fiara ary maizina ny andro ary nisy vatokely hoy izy no namingana ny pneu ary dia nifatratra teo akaikin'ilay fasana izy.Ela vao nisy olona nitazana,izy amin'izany naratra be,tsy fantatra hoe avy taiza.Araky ny fitantarany dia kendakenda daholo ny mponina teo an-tanana ary ny feo henony dia hoe maty koa ve lery.Rehefa niverina ny heriny dia nitantara ny mponina fa misy lolo ilay toerana(fasana) ary izay fiara mianjera eo amin'io toerana io dia misy maty foana ny olona ao anatiny.Teo vao nangovitra nipararetra ilay fianakaviana .
Indraindray rehefa ho avy ny loza , zavatra kely tsy ampoizina dia mampidi-doza na dia mitandrina toa inona aza isika.Isaorana hatrany ilay Atra niaro azy ary miaro sy miambina antsika amin'ny zavatra rehetra manjo.

11. fijo ( 17/07/2010 19:15)
lalana saika hoamboarina daholo ireny,satria mahajamba dia fantatra tsara fa be akamba,saingy hoy moa ny sasany hoe "lalana ve azo hoanina "eizao no vokany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4155