Fa inona marina ity??

1. gasyjean ( 21/04/2010 10:45)
Manahoana daholo,efa elaela marina moa ny tena no tsy dia nametraka resafa teto amin'ny dinika na dia tsy mitrahatra mamangy ihany aza indraindray.
Eny mandeha ny fotona, miova ny zava-drehetra,nefa ,toa tsy misy miha-tsara mihintsy ny lafiny rehetra,manerana izao tontolo izao;ka dia toa lasa mampieritreritra ratsy mihintsy aza indraindray: efa akaiky marina ve ny "farandro"raha hoavy izany? raha hilaza ny ireo karazana toe-dravatra miseho amin'izao fotoana izao dia tsy mila hoe mpandinika na olona nanao fianarana momba izany ,fa dia toa mazava tsy mila hazavaina.
Toa vao efa-bolana monja izay no nanombohan'ny ity taona 2010 ity,kanefa ireo tranga dia toa mahalasa saina ihany,raha tsy ho tanisaina eto intsony ireo seho voajanahary izay hita fa efa tena maro tokoa izay,ary ny ankoatra izay koa ireo filaminana politika,ekonomika,fiaraha-monina... maneran-tany ,zay tena miha-mikorontana hatrany hatrany.
Ekena fa dinika moa izy ity fa tsy blaogy ka tsy hanao resaka lava be, fa ny fanontaniana manetsiketsika ny saina dia ny hoe; mitombona tokoa ve ilay resaka 2012 ity sa honohono ihany? asa!! hifarana ve ny fisian'ny zanak'olombelona eto amin'ny planete tany sa hisy fiovana fotsiny ihnay?? ary ny farany efa akaiky tokoa ve ny "FARANDRO"?.
répondu par fitia2006 le 27/04/2010 13:17
2. AndriambyII ( 21/04/2010 13:57)
Araka ny scientifiques dia misy an' ilay planete Nibiru mety hifandona @ tany , na ny masoandro na ny planete jupiter ao anatin' ny galaxie solaire @ io 2012 io ,izany hoe mety ho tonga ny KO total ,araka ny tombatombana . Raha misy fifanantonana eo @ 4000km eo ho eo fotsiny aza ka tsy misy fifandonana eo @ ireo planeta voalaza eo ambony ireo dia efa hitarika fiovana toetr' andro tsy azo visavisaina ho an' ny zanak' olombelona !! :idea:
Misy astrophysiciens aziatika anefa manohitra fa tsy mbola izay ny fe-potoana fa any @ 2035 any ary misy comete hianjera eto @ planete tany ka hampisy cratere goavana iray izay mety hitovy velarana @ afrika sy eropa occidentale mitambatra !! dia samy miandry daholo aloha é !!
3. sylvain ( 21/04/2010 14:13)
http://info.france2.fr/complement-denquete/?page=accueil&id_rubrique=44
klikeo eo @ lé hoe a revoir en intégralité ho an'izay mbola tsy nahita io emission io tao @ france2, fa misy olona tena efa mihomana ny zavatra mety hitranga @ io daty io d mamorona ny zavatra mety tsy hahafaty azy sy ny toerana hipetrahany!
4. soanja ( 21/04/2010 19:37)
gasyjean:

Manahoana daholo,efa elaela marina moa ny tena no tsy dia nametraka resafa teto amin'ny dinika na dia tsy mitrahatra mamangy ihany aza indraindray.
Eny mandeha ny fotona, miova ny zava-drehetra,nefa ,toa tsy misy miha-tsara mihintsy ny lafiny rehetra,manerana izao tontolo izao;ka dia toa lasa mampieritreritra ratsy mihintsy aza indraindray: efa akaiky marina ve ny "farandro"raha hoavy izany? raha hilaza ny ireo karazana toe-dravatra miseho amin'izao fotoana izao dia tsy mila hoe mpandinika na olona nanao fianarana momba izany ,fa dia toa mazava tsy mila hazavaina.
Toa vao efa-bolana monja izay no nanombohan'ny ity taona 2010 ity,kanefa ireo tranga dia toa mahalasa saina ihany,raha tsy ho tanisaina eto intsony ireo seho voajanahary izay hita fa efa tena maro tokoa izay,ary ny ankoatra izay koa ireo filaminana politika,ekonomika,fiaraha-monina... maneran-tany ,zay tena miha-mikorontana hatrany hatrany.
Ekena fa dinika moa izy ity fa tsy blaogy ka tsy hanao resaka lava be, fa ny fanontaniana manetsiketsika ny saina dia ny hoe; mitombona tokoa ve ilay resaka 2012 ity sa honohono ihany? asa!! hifarana ve ny fisian'ny zanak'olombelona eto amin'ny planete tany sa hisy fiovana fotsiny ihnay?? ary ny farany efa akaiky tokoa ve ny "FARANDRO"?.


Ny Farandrontsika olombelona aloha dia tsy misy hisy tokoa na ho ela na ho haingana satria ny zavatra rehetra dia milaza avokoa fa miharatsy ny zavamisy mamela antsika hiaina amim-pahalalahana.

Ny hoe oviana dia ny ahy ny fiheverako azy raha ho haingana indrindra dia ny fiakarapoky ny meteorita goavana be amin'ny tany izay mety ho tampoka tokoa satria mifanintona ny galaxies isanisany avy. Zany hoe mirona mamonjy ny black whole avy isika rehetra izao ka raha vao misy misintona mafimafy ny tohitra ifanintonana dia ireo kintana matanjaka nohon'ny masoandro ao anatin'i Milky Way dia izay ny amintsika rehetra fa hisy ny fifandonanana isan-karazany ary mikorontana ny orbita. Eo dia hipoaka tokoa izay hipoaka rehetra saingy tsy ho foana akory ny tany fa hamela cratere na lavaka goavana be ary ireo entona sns sns sy ny lavenona no hamono antsika satria toy izay no nahafaty ny dinozoro 65 Million taona lasa izay.

Tsy misy mahalala io fotoana io anefa. Tsy hinoako aloha ny 2012 satria mbola tsy tena 100% raha tena hifanojo io zavamitranga io fa mbola mety misy riziky isika tsy hampitranga azy.

Ankaotr'izay dia ny fitaovam-piadiana ao Iran no tsy araka izay efa vita ao. Ka io raha meloka ireo arabo dia pihany indray mandeha io famonoana nokleara io dia izay ny amintsika rehetra eto an-tany. Ny ady fahatelo izany no mety hahatonga an'io tsy hoe ela. Tsy hanafoana ny olombelona anefa izany fa hanena ny isantsika kosa.

Manaova vonona fotsiny amiko ny zavatra tena goavana. Na androany io na elabe. Tsy misy fahasambarana mihoatra lavitra ny miaina ao anaty fitoniana.


5. fitia2006 ( 27/04/2010 13:17)
samia mamaky baiboly dia mahazo ny valim-panontaniana ohatra salamo 37/29, apokalypsy 21/4 , 2 timoty 3/1 à 5
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7414