Ilay vola 1 dolara

1. soanja ( 14/04/2010 14:15)
Manana namana niara nianatra tamiko , tena tiako be, aho tany Ankatso ary samy nanao literatiora Amerikanina izahay mirahavavy.

Aty aminay (US faritra misy ahy andrefana) dia misy izay finoanoa-poana hoe "a Good luck dollar" izay. Io namako io anefa dia nisy fotoana nandalo zava-tsarotra be (sahirana ara-pivelomana/ fitiavana) ny fiainany ka indray mandeha raha nitsingerina ny taonany dia mba nandefasako ilay GLD izy. Dia hoy aho taminy hoe enga anie mba hotanteraka izay fanirian-dry fa hivavaka foana aho noho izany, indrindra ilay ho aty Amerika, fa iny koa ny GLD ho fanampin'izany sady notantaraiko azy ny GLD.
Variana teo hono izy araka ny tantarany tamin'ny taratasy ny nandinihany ilay vola. Hoy izy" Ary tsy nampoiziko hoe mpivavaka be sy mino an'Andriamanitra ny Amerikanina ka na ny volany aza dia misy resaka Andriamanitra" dia nampatsiahiviko azy moa ny lesonanay tany Ankatso hoe ny niorina tamin'ny finoana an'Andriamanitra izay Xtianina ity firenana ity nefa koa mamela ny rehetra hivavaka izay tiany hivavahana. Hay zay vao tadidiko, marina izany hoy izy. Dia tehirizo/ kajio tsara iny vola iny, ataovy toy ireo sarimasina sy ireo sapile ary ny hafa izay nananantsika hatramin'izay hoy aho. Eny hoy izy. Akory tokoa ny hafalianay fa tanteraka tokoa ireo faniriany hatramin'izay!

Dia hoy aho an'eritreritra eto hoe ilay vavaka napetraka tamin'Andriamanitra hatramin'izay ve no nivaly sa ilay GLD koa no niasa???? :D :D :D sa ve izy roa no niara nanao ny adiny tao nifandray dia nanatanteraka? sa ve izay no anjarany satria efa izay ny momba azy.
Marihako anefa fa vao nanana ilay vola hono izy araka ny tantarany dia nanomboka nisokatra ny masoandrom-piainany.

ps: marihako fa tsy izy irery no nandefasako ilay GLD fa namako iray hafa koa ary tena mahavariana ahy ny fiainan'io olona io izao, izy moa niaiky mihitsy. Ny GLD dia mitarika harena hono. Mila misy manolotra sy manome as a gift anefa ny GLD raha ny fahalalako azy.

Anareo ny sehatra e! Afaka milaza izay tiany ambara aby! :D :D
répondu par soanja le 17/04/2010 18:45
2. ikaretsaka ( 14/04/2010 14:37)
Dia hoy aho an'eritreritra eto hoe ilay vavaka napetraka tamin'Andriamanitra hatramin'izay ve no nivaly sa ilay GLD koa no niasa???? sa ve izy roa no niara nanao ny adiny tao nifandray dia nanatanteraka? sa ve izay no anjarany satria efa izay ny momba azy.

io moa no fanontaniana dia io no valiako, araka ny fihevitra: () aloha: le any Andrefana moa dia ny Good luck $ no ilazany an'iny.. fa ny henoko tany Aussie no nahalalako ilay hoe 1st dollar dia mitovitovy @ io koa ny finoany azy.. hoe le vola azonao voalohany indrindra t@ nahatongavanao tany @ ilay tany! no kajiana fatratra dia inoana fa misy an'io resaka io koa.

Fa iverenako ny fanontaniana: amiko de izy aby izany, araka ny finoan'ilay olona: Ny filozofiako moa de ny hoe ny vavaka : tolona fa tsy sento fotsiny, izany hoe miara miasa ny litania be sy vavaka ary ny kandra isan-karazany ataonao isan'andro (amiko io an).

Izaho koa moa activist izay ary anisan'ny olona admire-ko i lance Armstrong (biskleta) .. dia matetika ahako manao ilay bracelet mavomavo "livestrong" ireny...dia Tany Atsimon'i M/kara koa nisy olona nanana olana nefa zahako tsy nanan-katolotra azy de ilay blacelet fingotra tety an-tanako no nomeko ilay rangahy sy notantaraiko taminy ny tantaran'i Lance, dia araka ny filazany moa dia hoe "nampisokatra ny masoandrom-piainany koa hono...

satria nahoana? tsy haiko!... fa ny hany conclusion azoko tsoahina dia hoe rehefa inoanao le izy de mandaitra tokoa, na inona io na inona
3. rijadolly ( 14/04/2010 21:38)
ika:
fa ny hany conclusion azoko tsoahina dia hoe rehefa inoanao le izy de mandaitra tokoa, na inona io na inona
Marina tokoa io saingy izao; tsy aleo ve tonga dia mino an' Jesoa Kristy e! io no sur amiko, fa raha zavatra, mbola ???????be.
Soanja:
Aty aminay (US faritra misy ahy andrefana) dia misy izay finoanoa-poana hoe "a Good luck dollar" izay.
ihihihi! tano mafy ny Finoana Soanja sao misy maka ny Satro- Boninahitra a! Aza le GLD tsony omena an' izay mila vonjy fa Vavaka fotsiny atao dia hita eo na le Vavaka no tsara na ilay GLD e! test-eo :-*
4. ikaretsaka ( 14/04/2010 22:13)
Entre () kely:Ahitsiko kely aloha ilay hoe "finoanoampoana" ...io moa no nandikan'ny misionera ny hoe superstition fa ny tena heviny mahalaza azy ankehitriny angamba de hoe finoana tsy mari-pototra... satria le izy mahafeno tsara ny definition ny finoana..saingy tsy misy fototra hahafahanao manamarina na miaro azy rehefa asaina manaporofo ilay izy ianao...
Ok mikatona ny )

Fanontanian'i RD : amiko le izy rehefa tsy tompoina sy hasolo an'Atra... izany hoe lazaina fa iny no Atra..no sady tsy manakana anao tsy hino na handa ny Tompo dia tsy asiako olana loatra. Tadidio fa na ianao mpivavaka io aza ange manana karazana manie ihany e ohatra hoe iny no baiboly mahazatra anao na penina mahazatra anao..dia @ iny ianao no a l'aise tokoa.. tahaka izany izy io amiko... na misy baiboly 100 eo na misy penina 100 dia Iny ihany.
Zahako manokana de manao an'izany! Hoe mivavaka kokoa Sy mahavita ny raozeriko kokoa aho @ saple ko hazo noho izay vaovao omenao eo na volamena aza satria izay no nahazatra ... na. Rehefa tena mitendry serieux ahako dia ny itarako efa t@ 10 taona lasa no tiako kokoa na misy aza ny tsara noho iny eo...resaka finoana sy confidence fotsiny, na ny kanetibe ko efa taloha, na ny bat na baseball ..dia ny fampiasako andavanandro no manaraka ahy?
Izay ny finoako maninona aho no manao izany... tsy haiko fa manana finoana aho hoe tsara kokoa ny vitako rehefa ireo no ampiasaiko...... ,manakana ahy tsy hino an jesoa ve izany....tsia de tsia.... manompo Tompo 2 ve za amzany...tsia
5. rijadolly ( 14/04/2010 22:46)
Za anie tsy mandiso ny hevitr' se e! Jereo tsara ao ambony ao fa nanamarina aza aho, ohatrany hoe misy olona mino(manaiky) an' satana zao, tsy azo tsika tenenina ho tsy misy satana na tsy manan- kery satria misy mihitsy ny olona mino(mivavaka mihitsy aza) ny satana.
6. ikaretsaka ( 14/04/2010 23:28)
Ka amiko ohatran'ny tsy mitombina loatra ilay remarque anao satria rehefa dinihina na I RD MILAZA HOE TSY ALEO TONGA DE I JK aza misy manie kely na fomba kely ataonao sy inoanoanao nefa ???? be ihany ....
7. soanja ( 15/04/2010 13:45)
rijadolly:

Soanja:
Aty aminay (US faritra misy ahy andrefana) dia misy izay finoanoa-poana hoe "a Good luck dollar" izay.
ihihihi! tano mafy ny Finoana Soanja sao misy maka ny Satro- Boninahitra a! Aza le GLD tsony omena an' izay mila vonjy fa Vavaka fotsiny atao dia hita eo na le Vavaka no tsara na ilay GLD e! test-eo :-*

Tsy haiko aloha izay an'Ise fa ny finoako dia misandrahaka. Tsy azoko tenenina foana hoe ity no hanana ny satroboninahitra ary ity tsy omena. Ny momba ahy dia miasa amin'ny zavatra rehetra nomen'Andriamanitra ahy eo amin'ny manodidina iririavako. Na izay GLD izay aza dia hinoako fa miasa tokoa matoa aho nanapakevitra nandefa azy. Na ny feon-kira malefaka isanandro henoin'ny zaza sorena lava sy kizitinina dia inoako fa mahasitrana sy mahatony zaza iray ka hanome torimaso milamina azy. Miasa ho antsika ny Universe amiko. Izay hinoana dia mety handaitra tokoa ary izay mandaitra dia mety amiko.

Tadidio lalandava ry Rijadolly fa ny tenako tsy mba matahotra ny any ambadika takona any ankoatra any. Fantatro ny toerana homen'Andriamanitra ahy satria fantatro fa tia ahy izy.Bold text Tsy hisy ahotrahotra io. Zany hoe ny tsy fisian'i afobe sy demony eo amin'ny tontolo iainako isany no mahatonga izany. Ny fanaovantsoa dia tsy misy fetra. Andriamanitra dia mahalala izay ao ampontsika. Fantany raha ampitiavana no ezahanao hanaovan-javatra. Fantany raha manana agenda ratsy hamotika ny hafa ianao. Fantany ny momba anao satria Izy no namorona sy nampisy anao.

8. soanja ( 15/04/2010 13:48)
ikaretsaka:

Dia hoy aho an'eritreritra eto hoe ilay vavaka napetraka tamin'Andriamanitra hatramin'izay ve no nivaly sa ilay GLD koa no niasa???? sa ve izy roa no niara nanao ny adiny tao nifandray dia nanatanteraka? sa ve izay no anjarany satria efa izay ny momba azy.

io moa no fanontaniana dia io no valiako, araka ny fihevitra: () aloha: le any Andrefana moa dia ny Good luck $ no ilazany an'iny.. fa ny henoko tany Aussie no nahalalako ilay hoe 1st dollar dia mitovitovy @ io koa ny finoany azy.. hoe le vola azonao voalohany indrindra t@ nahatongavanao tany @ ilay tany! no kajiana fatratra dia inoana fa misy an'io resaka io koa.

Fa iverenako ny fanontaniana: amiko de izy aby izany, araka ny finoan'ilay olona: Ny filozofiako moa de ny hoe ny vavaka : tolona fa tsy sento fotsiny, izany hoe miara miasa ny litania be sy vavaka ary ny kandra isan-karazany ataonao isan'andro (amiko io an).

Izaho koa moa activist izay ary anisan'ny olona admire-ko i lance Armstrong (biskleta) .. dia matetika ahako manao ilay bracelet mavomavo "livestrong" ireny...dia Tany Atsimon'i M/kara koa nisy olona nanana olana nefa zahako tsy nanan-katolotra azy de ilay blacelet fingotra tety an-tanako no nomeko ilay rangahy sy notantaraiko taminy ny tantaran'i Lance, dia araka ny filazany moa dia hoe "nampisokatra ny masoandrom-piainany koa hono...Bold text

satria nahoana? tsy haiko!... fa ny hany conclusion azoko tsoahina dia hoe rehefa inoanao le izy de mandaitra tokoa, na inona io na inona

Ika tiako be ilay tantaranao. Misaotra nizara. Tena toy izany mihitsy no isany zavatra ankafiziko ny fiainana eto an-tany satria tsy manam-petra ny fanehoana ny fitiavana ka na izay bitika eny aminao inoanao aza dia mety hamindra tendrombohitra tokoa! Isaorana Andriamanitra nampandalo anao ny lalany.

:-*
9. rijadolly ( 15/04/2010 15:14)
Misaotra betsaka e! :-*
Ny zavatra nampiheritreritra ahy mantsy dia io nataoko menamena io.Raha manana heritretra ohatran' izany ihany aho izay mahatonga ny fisalasalako dia avy aho mi- test io zavatra io hoe iza marina no tena mandaitra. Raha mivavaka fotsiny ve aho ohatra dia tsy handaitra izany, na hoe andefa GLD ho an' ilay olona fotsiny dia tsy handaitra koa izany.
10. soanja ( 15/04/2010 15:22)

Azoko lazaina ry Rijadolly fa raha ny fivavahana rehetra izay vita no mandaitra dia efa betsaka tokoa ny olona afaka tamin'ny fahoriana eto an-tany raha ny momba ahy. Asa ny anareo. Io firenentsika io izao dia angamba efa reraka Andriamanitra mihaino ny vavako nefa dia tsy kivy aho ary izy koa besofina. Ny tiako ambara dia rehefa hanampy olona aho dia tsy hihonona intsony amin'ny fomba fivavahana iray fa hampiasa fomba fivavahana isan-karazany ka izay mandaitra dia isaorako Andriamanitra ary izay tsy dia mbola isaorako azy koa saingy ny tenako dia tsy hihonona hanampy izay eo ampelatanana sy izay fantatro fa mety handaitra. Tsy tokona amiko ny fomba fivavahana fa misandrahaka.

11. ikaretsaka ( 15/04/2010 22:41)
namaste soanja!
12. niryna ( 16/04/2010 02:20)
rijadolly:

Misaotra betsaka e! :-*
Ny zavatra nampiheritreritra ahy mantsy dia io nataoko menamena io.Raha manana heritretra ohatran' izany ihany aho izay mahatonga ny fisalasalako dia avy aho mi- test io zavatra io hoe iza marina no tena mandaitra. Raha mivavaka fotsiny ve aho ohatra dia tsy handaitra izany, na hoe andefa GLD ho an' ilay olona fotsiny dia tsy handaitra koa izany.

:D

13. soanja ( 16/04/2010 02:32)

Ilay namako faharoa ery ambany io izao dia azoko lazaina fa ny GLD no nandaitra satria tsy nivavaka ho azy aho akory na nisahirana taminy fa dia nalefako ho azy fotsiny ny GLD dia nolazaiko taminy ny momba ilay GLD. Ka inona hoy ianao, izy no anisan'olombelona manankarena indrindra ao Mada ao. Mino koa anefa aho fa tsy tongatonga ho azy ny hareny fa izy koa nisahirana noho izany tamin'ny asa amandraharaha. Dia samy nandaitra tao izany ilay fahasahiranana sy ilay GLD. Izay namako izay tsy mpivavaka mihitsy. Tsy nihevitra ho ni-test anefa aho raha manao izany fa dia manao satria inoako fa mandaitra. Izy anefa nihaiky tamiko fa nandaitra ilay izy efa taty aoriana elabe.

14. xxx ( 16/04/2010 12:40)
soanja:

Na koa mety nisy hafa nivavaka ho azy fa tsy voatery ho ianao irery ...

15. rakapy ( 16/04/2010 12:49)
Hoy i xxx 13

Na koa mety nisy hafa nivavaka ho azy fa tsy voatery ho ianao irery ..

Tsy aleo ve atao hoe izay no anjara sy lahatra ary vintany, sa tsy mantsy nisy vavaka na halatra tao vao mety hanakarena ny olona iray?
16. xxx ( 16/04/2010 13:18)
rakapy:

Hoy i xxx 13

Na koa mety nisy hafa nivavaka ho azy fa tsy voatery ho ianao irery ..

Tsy aleo ve atao hoe izay no anjara sy lahatra ary vintany, sa tsy mantsy nisy vavaka na halatra tao vao mety hanakarena ny olona iray?

Dia tsy haiko fa i Soanja no nitantara teo hoe nomeny 1$ ilay olona nefa tsy nivavaka ho azy Soanja ... dia hoy aho hoe mety nisy hafa nivavaka angamba
17. ikaretsaka ( 16/04/2010 14:00)
Aza angambangambaina kosa ny fiainana e sy ny porofo mazava
Efa voalaza sy neken'i soanja fa sady nikandra be koa ilay olona
18. soanja ( 17/04/2010 18:45)
xxx:

soanja:

Ilay namako faharoa ery ambany io izao dia azoko lazaina fa ny GLD no nandaitra satria tsy nivavaka ho azy aho akory na nisahirana taminy fa dia nalefako ho azy fotsiny ny GLD dia nolazaiko taminy ny momba ilay GLD. Ka inona hoy ianao, izy no anisan'olombelona manankarena indrindra ao Mada ao. Mino koa anefa aho fa tsy tongatonga ho azy ny hareny fa izy koa nisahirana noho izany tamin'ny asa amandraharaha. Dia samy nandaitra tao izany ilay fahasahiranana sy ilay GLD. Izay namako izay tsy mpivavaka mihitsy. Tsy nihevitra ho ni-test anefa aho raha manao izany fa dia manao satria inoako fa mandaitra. Izy anefa nihaiky tamiko fa nandaitra ilay izy efa taty aoriana elabe.

Na koa mety nisy hafa nivavaka ho azy fa tsy voatery ho ianao irery ...

Tsy manahy ka. Satriko aza betsaka ny mivavaka ho an'ny iray. Sambatra aho raha samy mivavaka ho an'ny hafa isika rehetra.

Tsy dia fantatro anefa raha nisy nivavaka izy na tsia ary tsy niresaka momba ny fivavahana sns taminy aho. Ny hany fantatro dia nilaza tamiko izy fa nandaitra ilay GLD ary 15 taona taty aoriana vao nilazany izany aho. Ny tenako aza mba gaga.

Enga anie ka nisy nivavaka tokoa izy fa izay namako izay izao dia lasa "Silamo" ary faly tokoa ny tenako nony lasa nivavaka izy fa tsy ho isan'ireo mpanenjika ireo mpino intsony.

Isaorako Andriamanitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1433