Tsara ilay tantara ka. Za moa tia tantara myth sns sns ka afaka nanjaka tsara ny zavatra efa nieretreretina hatramin'izay ka nivoitra tsara an-tsary.
Ny film tiako manaraka koa dia Robin Hood, fa aza mandeha mijery ilay Prince of Persia fa tsy dia tsara loatra na dia samy tantara noforonina aza. Asa anefa izay tia azy!
Nijery ilay film hoe "Solitary Man" izahay omaly fa dia nalahelo aho hoe misy tokoa ny olombelona mamono ny tenany tsikelikely amin'ny mahaizy azy ary tena sitrapony izany fa tsy hoe aretina na tsy fidiny ho azy.
Mahita an'izany aho dia hitako taratra ny fiainan'ny Malagasy maro mirona amin'izany.