Izay mahavangivangy....

1. soanja ( 09/02/2010 01:29)
Mba lasa ny saiko fa mihamiova tokoa ny kolontsainantsika ao Mada- indrindra ao Iarivo ao, nefa asa anefa, ny tena moa tsy mipetraka ao fa mba te hahalala misimisy ho antsika monina ao aho, satria nisy havako vitsivitsy nitaraina an'io tamiko ka asa na mitranga amin'ny hafa io.

Nisy ilay fahendrena hoe" Izay mahavangivangy tian-kavana." Amin'izao anefa dia izay mahavangivangy indray no voasoketa hoe " haninona aty indray ary! Ireny koa tonga foana! Ary tsy mahita aleha ve raha tsy aty ihany! Amin'izao fiainana efa sarotra izao dia mbola manantenana hihinana an-tranon'olona foana sns sns ..."

Soa moa fa mbola tsy nitranga tamiko io saingy asa na efa nisy voan'io ianareo. Hatraiza ny hanekenareo ny havanareo mba hamangy, Mila mampilaza foana ve sa tsy mety tsony ilay " Haody ny ato oh!!!" , adiny/ andro firy no tsara ijanonan'izay ireo amin'izany. Tokony hitondra sakafo ve izireo sa izay misy iarahamihinana???

Amin'izao angamba ny mety hoe " Izay mahantso matetika amin'ny finday no tena tia havana" sa ahoana hoy ianareo?
répondu par soanja le 03/03/2010 03:33
2. Mandefitra ( 09/02/2010 05:00)
Manan-jara hono ny tian-kavana herin'andro. Maika moa @ izao fiainana sarotra izao.
Ianao koa raha mba mitsidika tokony mba mahatsapa tena ihany ka : ra mandalo fotsiny ve hijery voamason-jaza, raha hisakafo ve tsy mba hivimbina ranomboankazo ... raha hatory ve tsy mbah itondra hena etc ...
Fa na fahiny aza, na nitobaka ny sakafo, mba nikafiry ihany ry zareo ka.
Akondro mahia misy masaka io ka saro-dazaina aman-kavana.

Eny fa na ny zanaka aza no manao hata-piso, mbola mahazo ny hoe : tony koa tsy hitsakom-poza mantsina ... maika ianao fa hitatamoka lava eo kosa ...? sanatria hanao androrosy.

Lanjalanjaina zany ny fifaneraserana fa ny havan-tiana tsy hiaraha-monina e.
3. soanja ( 09/02/2010 13:40)
Misaotra an'i Mandefitra nanome ny hevitra.
Raha izay dia miankina amin'ilay fianakaviana aleha angamba sy izay hamangy. Raha ho avy dia mampilaza hoe handalo hivily na hijanona iray na roa andro na miankina amin'izay anton-dia ka nifanekena. Raha avy lavitra dia mitondra voandalana ho an'izay ivantanana. Raha hipetraka fotoana lavalava dia mba manome vola atao sakafo atoandro na hariva. Raha hijanona elaela hisakafo ka tsy mitondra n'inona n'inona dia mba manampy amin'ny fikarakarana ny sakafo sns... mba manao asa eo hosandan'ilay sakafo. Ny tenako rehefa misakafo any an-tranon'olona dia mangataka foana aho mba hampirina ny latabatra sy hanasa vilia. N'iza n'iza io raha tsy hoe efa tena reraka be aho na hoe tsy hanaiky ny hikitahako ny lakoziany ilay olona.
Valala iray ifanapahana hoy ny Malagasy izay. Mino aho tsy manana eritreritra ny honina kosa angamba ireo mpamangy fa mba mihevitra fa ny fihavanana am-po tsy vitan'ny fifampijerana fa fifandraisana amin'ny mahaolombelona.
4. dadabe ( 09/02/2010 14:00)
te hiresaka @ Soanja aho fa raha malalaka indry dia valiko any dago ito resaka ito hihihihiihi
5. soanja ( 09/02/2010 14:29)
dadabe:

te hiresaka @ Soanja aho fa raha malalaka indry dia valiko any dago ito resaka ito hihihihiihi

Antsoy aho fa malalaka aho izao raha malalaka ianao.


6. naritsimba ( 26/02/2010 06:09)
soanja> hoy ny voalaza:
Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany Hebreo 13:2
7. soanja ( 03/03/2010 03:33)
naritsimba:

soanja> hoy ny voalaza:
Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany Hebreo 13:2


Ahoana anefa no ahafantarana hoe anjely ilay vahiny?


:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1745