Ho menatra izy ireo rehefa tsy eo amin'ny fitondrana intsony
1. zakilinina (
25/12/2009 15:04)
Manahy aho hoe ho menatra hisitri-belona izy ireo rehefa mirodana io fitondrana azo tamin'ny herisetra io. Hianarana any amin'ny praogramam-tsekoly mantsy ny tantara. Ho menatra ny zanak'izy ireo satria zanaky ny mpanongam-panjakana. Ho menatra ny ray aman-drenin'izy ireo satria ray aman-drenin'ny mpanongam-panjakana. Ho menatra ny rafozan'izy ireo satria rafozan'ny mpanongam-panjakana. Ny harenan-dry zareo aza hahamenatra azy satria holazain'ny olona fa harena azo tamin'ny fanonganam-panjakana.