Banky lehibe eto Madagasikara MANAO HALATRA AVO LENTA

1. essera ( 04/12/2009 10:56)
Salama daholo,

Raha niditra ho mpikambana tao amin'ny banky iray lehibe ny tenako 5 volana lasa izay dia vao in-2 monja no nanao virement tao dia banga 180 000 Ar (900 000 Fmg) ny vola tao.

Amafisiko tsara fa banky lehibe izy ity ary tena efa maromaro no tratrany tato ho ato. Raha nangataka aho tany amin'ny voalohan'ny volana septambra ny hijerena hoe iza no naka vola tao amin'ny alalan'ny vidéo de surveillance dia ny directeur miaraka amin'ny gérant-ny compte-ko no niara-nijery ny séquence vidéo satria amin'ny GAB (guichet automatique de banque) no fakako vola.

Tsy nahitana tao na dia olona iray aza tamin'ny daty, ora, minitra, segondra. Amin'ireny vidéo de surveillance ireny moa dia ampahafantarina antsika tsara fa misoratra tsara eo ny daty ora minitra segondra ary ts tapaka mihitsy ny fakany sary fa tsy hoe misy detecteur de présence ka misy olona vao maka sary.

Rehefa ho roa volana taty aorian'ny nametrahako fitarainana ary dia noporofoi'ny zareo tamin'ilay document hoe journal thermique na dia efa niarahanay nahita (directeur, gestionnaire de compte, ny tenako) fa ni-aboutir ny retrait-ko.

Ny fanontaniana napetrany dia hoe nanome code olona ve ny tenako. Tsy tompoko satria mipetraka irery aho. Ny carte de retrait-ko koa miafina tsara en sécurité.

Ankehitriny tompoko io dia lasa nisy sary indray nakako an'ilay vola.

Fehiny :
1/ Mitandrema dia mitandrema isika fa ao anatin'ny banque ihany dia efa misy intrus manao piratage bancaire.

2/ Efa mahay manao montage vidéo tompoko ny mpiasan'ny banky ka miala maina ianao raha hanao réclamation eo fa tsy handoa izay volanao efa noviravirain'ny mpiasany ny banque.

3/ Anatra kely, manorata amin'ny taratasy manokana isaky ny manao retrait ianao fa tsy azo antoka intsony tompoko ny relevé alefan'ny banky aminao.

4/ Tena efa tsikombakomba avo lenta be tompoko no ampiasain'ny mpiasan'ny banky amin'izao fotoana

5/ Fadio ny manao retrait imbetsaka fa io no hitako anararaotan'ny mpisoloky. Raha vao be ny opération de retrait ataonao dia araraotiny amin'iny ny fidirany antsokosoko ao amin'ny compte-nao.

6/ Ho an'izay te hahafantatra bebe kokoa ny momba an'izy io dia afaka mifanoratra amiko satria tsy izaho irery no tratran'io fa efa olona maro ary tena mifoifoy volo ianao raha ahazo remboursement. Ary na dia ny fanambaniana ny client aza amin'ny fiteny hoe "vola kely" ataon'ny mpiasan'ny banky dia tena mahamenatra fa dia ny herim-ponao no alaina tsotra izao

répondu par xxx le 11/03/2010 05:56
2. xxx ( 05/12/2009 11:12)
Fa iza amin'ireo banque ireo zany rahalahy ???
3. essera ( 07/12/2009 04:31)
xxx:

Fa iza amin'ireo banque ireo zany rahalahy ???


Raha liana ianao ny hahafantatra sao hotoriany eto indray izaho efa voa dia metimety kokoa angamba ny manoratra amiko manokana (amin pseudo-ko io) fa hitanao ihany ilay hoe aza miady amin'n banky oz zalah izay.

Sao izaho efa voa indray no hotoriany amin'ny hoe diffamation publique sanatrian'ny vava.

Misaotra namaly ny dinika.


4. joharyjohary ( 10/01/2010 20:46)

Za koa tratra! vita ny faran'ny taona teo dia hoe Janvier moa somary maina izay, dia aleo mba tsy kitihana ny vola ao @ banque.

Za mahazo notification par SMS isaky ny Lundi, Mercredi, et Vendredi hoe ohatrinona ny volako ao @ compte-ko ao.

Lundi, hafa ny volako, Mercredi, efa hafa indray, Vendredi, mbola hafa indray, mihena an-dalana ny volako ao, nefa za ary tsy naka vola mitsy fa hoe mba aleo izay aty ihany no ampiasaina!

Tsy vao izao fa efa ela ela ihany zay, ary tsy izaho irery no tratra fa ny mpiara-miasa amiko koa mitaraina.

>> Solution : aleo tonga dia alaina daholo ny vola ao manomboka @ Lundi dia atao ao ambany ondana (nefa ny mpamaky trano njay no atahorana @zay)!

Sao dia misy bizina azo ampiasana vola any fa efa "ça craint be" 'ty fangalarana ataon'ny banky 'ty!

5. xxx ( 11/03/2010 05:56)
za kou aloha dia efa voa soa amantsara miitsy t@ janvier teo ! ka izao ! nojereko ny solde ny 31 decembre , normal tsara ! zany we efa niala avokoa izay tokony ho nesorina t@ volako tao ; cotisation carte , frais sns ..............!!!! fara fahatarany le 30 eo ny fakandry zareo ny kipitsopitsony ao @ volanao ao !akory ny hagagako ny 10 janvier fa tonga dia nihena 6000 ariary be zao ny volako !6000 ariary ve hoy ianao dia hampitaraina ! marary amiko io satria refa nangataka fanazavana ny tenako dia zao karazana terme technik momba ny banky zao no notanisain'lé responsable commercial ko ary na izy aza dia itako fa toa mamoro porona fotsiny ny @ zay zavatra teneniny ! satria toa mivadibadika be zany ny fomba filazany ! tena mpangalatra é!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1493