Taratasy misokatra ho an'i Ravalomanana

1. rabaradaka ( 19/11/2009 05:07)
Tompoko,
Tsy hoe mamoha fota-mandry na koa mandatsa no antony hanoratana an'ity taratasy ity fa misy kosa lesona azo tsoahina sy azo hanamboarana ny ho avy manoloana ny zava-niseho. Tsy hoe tapi-pahaizana na koa fara-fahendrena fa ny hevitra tokoa moa tsy azo raha tsy avy amin'olombelona.
Tsaroako tsara tamin'ny volana septambra 2008, nisy ray aman-dreny iray sy andian'olona vitsivitsy niteny taminao manao hoe : lasa any France i Andry Rajoelina, Ny Hasina Andriamanjato, Hajo Andrianainarivelo ary Ratsirahonana Norbert handamina sy hitady izay fomba handravana ny fitondranao ary ny governemanta. Dia namaly ianao Atoa Ravalomanana tamin'izay hoe : tsy misy atahorako eto. NIlaza taminao koa ny ambasadôro amerikana hoe tokony ho soloina ny praiministra Rabemananjara fa tsy mifanaraka amin'ny zava-misy intsony. Novalianao bontana hoe : izaho no mandidy. Dia ireny no vokany. Tsy fandatsana tompoko fa fampatsiahivana.
Ankehitriny, vao herinandro izay dia nisy ray aman-dreny niantso anao an-telefonina nilaza hoe : tsy mety ny ataon'ny TIM sy ny forongony ao Madagasikara fa diso tia tena loatra tsy anaiky hizara ny fitondrana amin'ny olon-kafa sy antoko hafa. Tsy nasianao resaka mihitsy izay mety hamahana zany, satria ianao rahateo koa moa tia tena loatra.
Dia manahy izahay fa raha hialan'ny MFM, ny antokon'ingahy Rakotoamboa ny TIM dia sahiko ny milaza aminao Atoa Ravalomanana fa tsy ho tafaverina an-tanindrazana intsony ianao. Tsarovy fa ny MFM no tompon'antoka tamin'ny fampahombiazan'ity Maputo sy Addis Abeba ity. Tsy hoe MFM akory ny mpanoratra fa mijery sy manaraka ny zava-misy.
Atoa Ravalomanana ô, ilazao ny mpiray antoko aminao hoe zarao mitovy amin'ireo antoko politika rehetra nandray anjara ny Ministère sy ny CES ary ny Congrès. Tsarovy fa ireo Député sy Sénateur TIM ireo efa maro no naloan'ny vahoaka any amin'ny misy azy ary tsy azo antenainy insony. Hanahirna anao ny tsy handray ity fepetra aroso ity ary hampalemy anteraka ny TIM izay efa mivaky.
Mpiray tanindrazana no maneho hevitra ary ho tombotsoam-pirenena no hilofosantsika.
Mahajanga, 18 novambra 2009
répondu par xxx le 19/11/2009 05:24
2. xxx ( 19/11/2009 05:24)
zah lo razoky de manohana le oe zaraina @ antoko niara-nitolona ny Ministera azon'ny Mouvance Ravalomanana à! Ekeko eo nisy faute nataon-dRavalo fa kosa mba nisy iahny ny zava-bitany zay tsy hitan'ol mazana, aza adino koa nefa fa betsaka no nitaraina @ fakana tany ataony(ohatra fotsiny io)
Na izany na tsy izany de zah kosa sahy milaza oe tsy nahavita ny vitany reo mpitondra teo alohany= Zafy+Ratsiraka
Zah sur fa raha misy ny fifidianana de mety anisany ahazo ny salan'isa ambony izy; mba mandehana any @ faritany de anotanio ny fiainan'ny ol taminy sy @zao raha tsy aleo ihany Dada hoy izy reo, ny eny @ ville anie no mahalala zany Rajoelina zany fa any ambany ravikazo any de le fiainany niova tamin'ny lery no hitany é! tsy manao Propagande zah zava-misy zany ny tena mba mpande any @ faritra ihany tato ho ato
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4175