VAVAKA MANOVA ZAVATRA

1. rajy ( 07/11/2009 15:57)
VAVAKA MANOVA ZAVATRA

Andriamanitra ô ! Tsy mendrika anao aho, kanefa mitalaho aminao mba meteza mihaino ka manampia ahy ary mamela ahy amin’ny fahotako tsy manana afatsy Ianao aho.

Andriamanitra ô ! Manomboka izao dia hiezaka aho hanaradia Anao satria Ianao dia ao amiko mandrakariva. Aza ilaozanao aho. Henoy ny fitarainako mitalaho aminao.

Jereo ary hazavao izay rehetra ataoko ka mba arovy aho satria ny fitiavana dia ao aminao. Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr’izay rehetra andalovany.

Nofafanao ny ranomasoko. Ampio aho Andriamanitra avo indrindra ô! Amen

Nalefa tamiko ity taratasy ity. Arakin’ny fiangavina ahy dia notohizako ny fielezany.

Avy any VENEZUELA no niavian’ity vavaka ity.

Andriamatoa BAIGNAN no naharay tamin’ny 1993 dia nahazo dimy amby dimampolo tapitrisa tamin’ny Lottery iraisam-pirenana izy.

Andriamatoa GETERE dia nahazo ihany koa sangy nanadino ny fisian’ity , indrisy, voaroaka tamin’ny asany izy kanefa andro vitsivitsy taty aoriana dia nahazo ity taratasy ity nalefa taminy izy dia nadika in-tsivy amby roapolo, sivy andro taty aoriana dia nahita asa tsaratsara sy ambony noho ny teo aloha izy.

Andriamatoa BORI nahazo ary nandika in-tsivy amby roapolo, sivy andro taty aoriana, dia nosondrotra voninahitra tamin’ny asany izy.

Ramatoa iray nahazo ity taratasy ity tsy mba nandika fa nanary, kinanjo dimy andry taty aoriana dia maty.

Ramatoa hafa nahazo, ny azy nodorany ary dia may, ny tranony simba tanteraka , maty ny ray aman-dreniny, ary tafiditra hopitaly ny vadiny.

Andriamatoa SUGHILMAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsorany izy nandika ity taratasy ity nadika in-tsivy aamby roapolo, ka andro vitsivitsy taty aoriana dia vola folo tapitrisa dolara no azony.

Noho izany na inona na inona antony dia tsy tokony hijanona any amin’ny tinao andefasana azy ity. Ary sivy andro aoriana dia hisy zava-dehibe hitranga eo amin’ny fiananao. Enge anie manam-pitiavana ianao hanoy ity izay efa im-pito nihodina teto an-tany ny vintana tsara dia soloina, ka ho tsara vintana ianao, tsy mila mandefa vola. Tsotra zavatra iangaviana anao, aza mitahiry ity taratasy ity. Tsy zavatra atao foana izao, ka na dia tsy isan’ireo minomino foana aza ianao, iezaho hitohy ity taratsy ity.

Misionera avy any SAINT AUGUSTIN

AFRIKA no nanoratra ity

«AFAKA andro vitsivitsy dia hisy fahagagana lehibe ianao»
répondu par rzakarivola le 26/11/2009 14:47
2. majesty ( 10/11/2009 04:28)
1) efa imbetsaka no nahazoako taratasy toy io,fa vakiako fotsiny dia fafako avy eo fa tsy mbola nisy loza na zavatra ratsy nihatra tamiko hatramin'zao.

2)
Andriamatoa BAIGNAN no naharay tamin’ny 1993 dia nahazo dimy amby dimampolo tapitrisa tamin’ny Lottery iraisam-pirenana izy


ny loka sy ny vavaka angah afaka miara-dalana ????

3)
Andriamanitra ô ! Manomboka izao dia hiezaka aho hanaradia Anao

ohatran'ny ahoana izany hoe MIEZAKA hanara-dia an'Atra. Sao dia ny fitarihan'ny Fanahy masina no tokony angatahiny, izany hoe miantehitra @ herin'Atra fa tsy @ herin'olombelona izay midika hoe EZAKA
3. niryna ( 13/11/2009 07:03)
majesty:

1) efa imbetsaka no nahazoako taratasy toy io,fa vakiako fotsiny dia fafako avy eo fa tsy mbola nisy loza na zavatra ratsy nihatra tamiko hatramin'zao.
misy finoana iray mpandefa an'io koa ary taty aoriana dia niteny izy hoe raha tsy miangona amin'izao andro izao hianao dia tsy mankany an-danitra,raha mihinana izao koa hianao dia tsy mankany an-danitra

Andriamatoa BAIGNAN no naharay tamin’ny 1993 dia nahazo dimy amby dimampolo tapitrisa tamin’ny Lottery iraisam-pirenana izy


ny loka sy ny vavaka angah afaka miara-dalana ????


izaho koa vao saika anontany hoe fa mpiloka be izany ilay ranamana iray ? marina izany
Atra no mahery sy tompon'ny zavatra rehetra,ny finoana azy no tadiavina fa tsy ny hoe raha tsy mandefa ity dia izao no mitranga,ny coincidence tao dia lasa iny no ampiasain'ny olona ho fampitahorana.3)
Andriamanitra ô ! Manomboka izao dia hiezaka aho hanaradia Anao

ohatran'ny ahoana izany hoe MIEZAKA hanara-dia an'Atra. Sao dia ny fitarihan'ny Fanahy masina no tokony angatahiny, izany hoe miantehitra @ herin'Atra fa tsy @ herin'olombelona izay midika hoe EZAKA[quote]

Ny finoanoam-poana dia vao maika mahatonga antsika ho diso lalana


ANDRIAMANITRA IRAY MAHERY ,MANDAHATRA NY ZAVATRA REHETRA,AVY AMIN'NY HERINAO IRERY IHANY NY ZAVATRA REHETRA AMIN'NY FIAINANAY.AMPIO SY TANTANO IZAHAY MBA HINO ANAO,OMEO HERY IZAHAY MBA ANARADIA ANAO.AMPAHAFANTARO ANAY MANDRAKARIVA FA MAHERY NY ANARANAO ,ESORY AMINAY NY FITAKY SATANA ANDREBIREBY ANAY AMIN'NY TSY FAHAMARINANA.DIOVY IZAHAY HO AFA-PAHOTANA,SASAO MADIO IZAHAY HO AFAKELOKA.AMPIO ITY FIRENENAY ITY FA LATSAKA AN-KANTERENA ARY AMPAHAFANTARO IREO IZAY MBOLA TSY MANANA ANAO FA ANY AMINAO IRERY IHANY NO MISY NY FAMONJENA .MISAOTRA TOMPO O AMENA
4. rzakarivola ( 26/11/2009 14:47)
Ny sasany izany (izay nandefa ny taratasy) nahazo zava-tsoa, ny sasany kosa (dia ireo izay tsy niraharaha) niaram-boina.
Na ireo niaram-boina na ireo nahazo zava-tsoa dia samy ho faty, ary samy hiseho eo amin\'ny fitsaran\' Andriamanitra.
1- Ho afaka ve ireo nandefa ny taratasy, satria nandefa ny taratasy? Ho voafafa ve ny fahotan\'izy ireo satria nandefa ilay taratasy izy ?
2- Ho very ve ireo tsy nandefa ny taratasy, satria tsy nandefa ny taratasy ? Noho ny tsy nandefasany taratasy ve dia tsy hahazo famelan-keloka izy ireo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079