Ny paraky gasy .

1. AndriambyII ( 13/10/2009 13:54)
Mba azo atao aiza moa ny hikilasiana ny paraky gasy @ ireo filan' ny nofo eto an-tany ? toa ny sigara ihany ve ? sa karazan-java-mahadomelina ? sa sakafo ? sa fanafody ? sa fieboeboan' ireo goaik' antitra ihany ?
Misy dikany ara-piarovan-tena ve ny fampiasana azy io (fiarovana @ lolo , ny angatra ,ny faty mitsangana , ny avelo ,....)
:idea: :idea:
répondu par xxx le 24/10/2009 20:28
2. Papoose ( 13/10/2009 14:50)
raha ny fantatro aloha dia mazavawaz fa mahadomelina ny paraky arakaraky ny doziny, manaraka tsy sakafo na dia ampidirina am-bava aza, ie fanafody ataon'ny olona sasany fanamaivanana sy fanalana areti-nify, le fieboeboana tsy dia haiko loatra dia ilay hoe fanalana sy fiarovana @ angatra sns tsy haiko!
3. simplex ( 13/10/2009 21:50)

lol
ny paraky koa ve dia fieboeboana e?
zavatra degolass be iny koa ve dia izestiavana :roll:
tgv sy ra8 doly no mahatonga an'zao :lol:
4. AndriambyII ( 13/10/2009 22:48)
Ah ah ah ah ,ra simplex !manontany tena ihany aloha hatramin' izao é !!! :lol: :lol:
5. cutie ( 13/10/2009 23:41)
Mpandefa : AndriambyII [ Valio ] 13-10-2009 15:54:49
Lohateny : Ny paraky gasy .
Mba azo atao aiza moa ny hikilasiana ny paraky gasy @ ireo filan' ny nofo eto an-tany ? toa ny sigara ihany ve ? sa karazan-java-mahadomelina ? sa sakafo ? sa fanafody ? sa fieboeboan' ireo goaik' antitra ihany ?
Misy dikany ara-piarovan-tena ve ny fampiasana azy io (fiarovana @ lolo , ny angatra ,ny faty mitsangana , ny avelo ,....)

mitovy @ sigara ihany reny e sa.............
6. AndriambyII ( 14/10/2009 00:01)
Mahagaga ahy ny mahita ankizy mbola vatony dia efa manamamsss sahady ! nahazo famporisihina mivantana sa te hanandrakandrana fotsiny ? :lol: :lol:
7. cutie ( 14/10/2009 00:05)
:-D :-D :-D :-D
izy roa ngambany
8. xxx ( 14/10/2009 00:05)
Marihiko fa izaho dia mifoka sigara efa ho 30 taona izao fa ny momba ity paraky ity dia tsy azoko veroka mihintsy ny antony .Fantatro koa fa efa fahazarana hatry ny elabe izy io t@ malagasy ,efa nanandrana nihinana ihany fa dia tsy raikitra , nefa ireo namako taloha dia hatramin' izao mihitsoka ao daholo ! :?:
9. soanja ( 14/10/2009 05:35)
AndriambyII:

Mba azo atao aiza moa ny hikilasiana ny paraky gasy @ ireo filan' ny nofo eto an-tany ? toa ny sigara ihany ve ? sa karazan-java-mahadomelina ? sa sakafo ? sa fanafody ? sa fieboeboan' ireo goaik' antitra ihany ?
Misy dikany ara-piarovan-tena ve ny fampiasana azy io (fiarovana @ lolo , ny angatra ,ny faty mitsangana , ny avelo ,....)
:idea: :idea:


Miankina amin'ny tsirairay ny fandraisany ny zavatra raisin'ny vatany ka ao ny mety hila azy ho fanafody, ao ny hila azy ho famonoana herintsaina vokatry ny fijaliana tsy tanty sy ny tahotra tsy azo vahana noho ny tsy fahalalana, ary ao ny mandray azy ho fialamboly.

Ny zavatra iray nilaiko ny paraky gasy dia ny mba tsy hitsetsefan'ny dinta na dimatika ahy tany anaty ala. Nety tokoa ilay izy ary io foana no ampiasaiko hatramin'izao.


10. AndriambyII ( 14/10/2009 05:53)
Dia ahoana ny fampiasana ilay paraky @ dinta sy dimatika izany soanja ? Tsy mbola naheno izany aho raha tsy izao ! araraka @ ilay dinta mipetaka @ hoditra ?
11. jhouhlambout ( 14/10/2009 17:00)
12. soanja ( 15/10/2009 11:29)
AndriambyII:

Dia ahoana ny fampiasana ilay paraky @ dinta sy dimatika izany soanja ? Tsy mbola naheno izany aho raha tsy izao ! araraka @ ilay dinta mipetaka @ hoditra ?


Ie, raha vao manao ny ataony ny dimatika dia tonga dia araraka afafy eo ny paraky sady sesehana aminy eo. Tonga dia miala moramora izy. Zany hoe mbola tsy mahatsetsitra betsaka. Angamba ny fofona amin'ny paraky no tsy zakany fa io dia mandaitra tokoa. Ka ny fanaoko azy amin'izay amin'izao dia tonga dia fafazako moramora dia kosehiko eo amin'ny hoditra mivoaka ety ivelan'ny akanjo ny paraky gasy alohan'ny hidirana ny ala.


13. sitlo ( 16/10/2009 06:12)
Izaho aloha rehefa miaraka miasa tany amin'ny dadatoanay dia tsy maintsy "omeo paraky kely aloha dadatoa" fa tena ilaina ilay izy ka.
Sigara aza no tsy hitako loatra ny ilavana azy.
14. linete ( 18/10/2009 18:19)
inona marina ty paraky?to oe mahasitrana aretinify sy ody fanina hony lay izy nefa ny tena mahagaga ahy ary tena tsy fantatro oe:Avy aiza ,inona marina moa ny paraky?to hoe vovoka?vovotany ve sa vovoka avy@plantes safotaka namaina. :roll:
15. Ratoa ( 18/10/2009 22:17)
Ny paraky dia tabac voatoto
16. niryna ( 19/10/2009 04:07)
[quote=simplex]

lol
ny paraky koa ve dia fieboeboana e?
zavatra degolass be iny koa ve dia izestiavana :roll:[;/quote]
hi,hi, nify maity be iny tokoa sy rora etsy sy eroa ve dia hisy mpitia amin'izany ,hi,hi
tsy ny gasy ihany koa anie no mihinana an'io e,ny karana koa dia mihinana ary dia maity nify be ilay olona ,ny lelany koa toa izany fa manontany tena aho hoe manana fanariana azy ve ireny sa dia atsipitsipy etsy sy ero toy ny any amintsika? misy aza moa mihinana na matory dia misy boite-na ronono kely ireny androrany rehefa alina ny andro



17. kotobekibo ( 20/10/2009 21:50)
Lé paraky gasy aloha mba nandramako t@ mbola kely fa tena fanina tanteraka , fay d tsy sahy intsony mandrak'ity ny androany !
:-D :-D :-D
18. soanja ( 21/10/2009 15:21)
simplex:


lol
ny paraky koa ve dia fieboeboana e?
zavatra degolass be iny koa ve dia izestiavana :roll:
tgv sy ra8 doly no mahatonga an'zao :lol:


Ny tantaran'i paraky gasy eo amin'ny fiainan'ny Malagasy no mila haintsika izany.

Lafo tokoa io paraky gasy io raha oharina amin'ny vidina vary tamin'izany fotoana izany. Tsy maniry eran'ny Madagasikara ny paraky fa misy faritra maniry azy ary ny fikarakarana azy dia ilana fotoana ihany satria mbola asaly, aely ary eo kosehina sns sns... misy fatra arahina tokoa. Any an-tsena ohatra Alakamisin'Itenona dia lafo tokoa ny iray sotrokely ka zary efa ambimbola tokoa vao mividy ny olona fa ny cafe sy ny sira ary ny savony no zavamahamay ny olona aloha.

Noho izany dia tamin'izany andro izany dia rehefa misoka paraky dia amin'ny fotoana fialan-tsasatra hariva mena masoandro iny ary eo amorom-patana miandry sakafo masaka na mitretreka manoko resaka. Izay manana paraky dia amboniana tokoa sy andrianina satria manana ny volamena ary mizara amin'ny hafa, izay tsy manana kosa mahatsiaro ho voa , izay no nahatonga ny teny hoe " mangata-paraky"

Nony natao am-ponosana ilay paraky ka tena misy fonona tsara sy ara-barotra dia izay manana azy tamin'izany dia asehoseho mihitsy satria iny no BMW tamin'izany fotoana izany. Tadidinareo ny hoe " jereo ny Jean Stepping- nay!!!" sns sns toy izany no niainana tamin'ny paraky gasy ary nafotaka ny dokam-barotra.

Koa asa lahy mba inona no solon'ny paraky gasy amin'izao?



19. xxx ( 24/10/2009 20:28)
ary inona moa no dikan' ny teny hoa "paraky"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3038