Fiaraha-monina Malagasy momba ny vhv maty vady
1. xxx
(
05/10/2009 13:50)
Moramora kokoa ho an'n vhv efa maty vady ve indrindra raha mbola tanora le vhv no mahita vady ndray any aoriana any?? Ahona ny hevitry ny fiaraha-monina momba an'io? Atositosiky ny fiaraha-monina ve izy ireny sa mba manana ny hajany ihany?
répondu par xxx le 31/10/2009 01:12
2. Ratoa
(
05/10/2009 22:13)
Ka Andriamanitra no naka ilay vadiny ka raha hanenjika sy hanositosika azy ve tsy hanenjika sy hanositosika an'Andriamanitra?
Moramorakokoa noho ny inona moa no tianao ho lazaina?
Moramorakokoa noho ny inona moa no tianao ho lazaina?
3. soanja
(
06/10/2009 00:07)
Misy Foko iray izay fantatro fa dia fijaliana ny ho an'ny vehivavy maty vady ny amin-dry zareo. Lasa andevon'ireny rafozana sy ny vinanto vavy avy hatrany. Amiko aloha raha ny fahitako azy amin'ny andavanandro dia malahelo anao ny fiarahamonina ary manaja tsy misy ohatr'izany.
Ny lehilahy maty vady matetika no henoko misy miantso hoe " lehilahy mafana tratra" ka asa io na tsara na ratsy.
Ny lehilahy maty vady matetika no henoko misy miantso hoe " lehilahy mafana tratra" ka asa io na tsara na ratsy.
5. razafimaro
(
19/10/2009 12:04)
Tena mampalahelo tokoa ny mahita azy ireny.Ary anisan'izany nidonam-pahoriana izany ny rahavavoko.Ny hany azo atao raha tsy afaka manampy azy ianao dia ny tsy manenjika azy.Indrindra rehefa namela kamboty i Ratompokolahy. Aiza ary hoy ianao no ahitany ny sahaza ahavelomany ny zanany.Ka na inona na inona fomba ataony hamelomany ny kambotikeliny de avelao izy, ary aza latsaina na dia kely akory fa sao tratran'ny aza manody fa rehefa enao tokoa ange no eo amin'ny toerany ka tena mafy e!
6. xxx
(
31/10/2009 01:12)
xxx:
Moramora kokoa ho an'n vhv efa maty vady ve indrindra raha mbola tanora le vhv no mahita vady ndray any aoriana any?? Ahona ny hevitry ny fiaraha-monina momba an'io? Atositosiky ny fiaraha-monina ve izy ireny sa mba manana ny hajany ihany?
Inona moa no anatositosehan'ny fiaraha-monina azy ary tsy hanajany azy? Hoatran'miteniteny foana koa ianao ty kle 8O mba avadiho impito ihany ny lela. Sa vehivevy mpijangajanga no tianao tenenina na vehivavy namono nahafaty ny vadiny fa tsy vehivavy maty vady, fa tsy mitovy manko reo.
Ny tsapako aloha na vehivavy maty vady, na vehivavy nisara-bady de sarotsarotra foana ny hitady vady na aiza na aiza satria efa tsy premier choix ianao indrindra koa moa ra hoe mananjanaka, ny efa raikitra ao an-tsain'ny olona ny hoe raha hanambady de vehivavy mpitovo mbola tsy nanambady ary tsy mananjanaka, ny an'ny sasany aza ampiany hoe mbola virjiny. Nefa tsy voatery hiankina @zay akory ny ahavanona ny tokantrano na tsia, fa miankina @ fahendren'ilay vehivavy na efa nanambady izy na tsia, ary matetika aza ireny vehivavy ireny noho ny mafy efa nandalovany dia manaja kokoa ary mato-tsaina kokoa.