«LAINGA FOTSINY ITY HOE FITIAVAN-TANINDRAZANA TSSSSSSSSS»

1. eisy ( 29/09/2009 14:12)
Ny tanjona eto nefa de tsotra ary mitovy na fironana iza na iza amin’izy efatra:

Na hangalana, na hananana,na hitazomana, na hanampiana, na hamerenana ny fahefana; ary koa mba hangoronana ,hamikira, na hamerenana, na hanampiana ny harena «eo an-tanana», na «teo an-tanana».
Ireo rehetra ireo nefa rehefa azo avy eo de hanjakazakana sy hanitsahana ireo lazaina fa hoe «VAHOAKA»
…..vahoaka izay natao tohatohatra,naroso ho faty,mifanompa , mifamono ,mifanempotra amin’ny setroka mba hanana’ilay tsara vava ka tohanany fahefana hamelezana azy ihany.

Ny sorona de ny vahoaka tsy te hahafantatra izany akory satria efa leo be amin’ny korontana sy ny tabataba, ka very hatramin’ny asa famelomana

Fa misy koa nefa ireo maka hatezerana amin’ny tsy antony satria manaraka ny fironana zao na zary hono ka raha vao tonona ilay fironana arahana de marary fò ery rehefa miady evitra sy rehefa mande mamonjy fivorivoriana….
Jereo tsara fa natao ary ataon’ny olona «vato fanorona» ianareo, na ny mpomba ny ankilany na ny andaniny

Etsy andaniny
betsaka ny Nande sy Mande mitanin’andro mihaino ireto mpitarika mifanaratsy, de avy eo aroso ho etsy sy eroa, hifandrangitra , de ho vonoina , de mifanepotra amin’ny Gaz, de mifampisambotra ….misy maty voatifitra mihintsy aza.
Na eny an-dalana , na anaty bus, na aty anaty radio, télé, net , raha vao misy misolifatra kely ny vava de mila hifamono, mifampitory, ny ompa moa mande ho azy.

Etsy ankilany nefa
ireto mpitarika mifanasa miaraka misakafo sy misotro, miaraka mitsangatsangana any Afrika, miaraka mivory any amin’ny Ôtely lehibe , tsy misy na iray aza maratra.Tsiky, fifandraisan-tanana, teha-tsotroka sy ny sisa no miseho.
Izay nogadraina tamin’izy ireto ary toa efa navoaka….

Miheritrereta ry Gasy a!, tsy aleo ve tsy mditra ao antin’ny kilalaon’ireo olona ireo e?!, tairitairin-dry zareo kely de mifanompa sy manome anarana hafa ny olona mitovy rà aminao, de mihitatra maniry zava-dratsy ho azy ireo hatramin’ny fahafatesana, de milaza fanaratsiana maro samihafa……

Hanao izay mahafapo ny mpitarika ve de ny hoe «ireo ndray misy olona fa ndao tairina mba hifandratra sy mifamono ka ho atao fitaovana?»
Nahoana moa raha ajanona ny fiahantsiana sy ny resabe amin’ny haino aman-jery izay vao maika koa mitsoka ny afo hirehitra any am-pon’ny olona?!

Izy ireo anie rehefa tsy misy mpanaraka sy olona alefa ho vonoina sy ratraina , tsy hifandamina aiza?!,

Aleo ny Pôlitika ho an’ny tsy misy atao nefa te hahazo harena sy fahefana ary Voninahitra,
fa isika mbola be adidy amin’ny ankohonana tsirairay
Zà manokana aloha de ny vadiko sy ny zanako no handaniako hery, andro…..

NY ANAREO MPANARAKA NY FIRONANA NO TSY FANTATRO….
répondu par eisy le 01/10/2009 12:32
2. ni81 ( 29/09/2009 14:24)
marina ny voalazanao
3. xxx ( 29/09/2009 14:34)
Misy marina fa misy tsy marina, atsy ho atsy rehefa tsy afaka ny hikarakara an'i madama sy ny ankizy ianao dia ho tsapanao fa misy zavatra tokony ataonao ho an'ny firenena , fa tsy avela ho entin'ny olona à gauche à droite izy ity
4. tsiafoi1 ( 29/09/2009 14:48)
Tsy miombon-kevitra aminao fa feno fitiavan-tena loatra ny anao ry Eisy. Tsy mijery lavitra fa antendro-korona ihany

1- Ho an'ireo very asa tsy nofinidiny noho ny fandorana ny orinasa sy fandravana izany nandritra ity fandrombaham-pahefana ankeriny ity...
2- Ho an'ireo mpiasan'ny Zones very asa tsy fidiny noho ny fahafoanan'ny lalam-barotra ivelany naterak'ity fandrombaham-pahefana ity...
3- Ho an'ireo maty havana na fianakaviana, voatifitra tsy fidiny tao anatin'ny savorovoro
4- Ho an'ny taranaka ho avy izay nomena leson-dratsy t@'iny fandrombaham-pahefana ankeriny iny "fa azo atao ny mandrombaka ny tsy an'ny tena an-kerisetra" ....
5- Ho an'ireo tsy mitovy hevitra gadraina fahatany ho fiarovan-tseza
6- Ho an'ny fiandrianam-pirenena izay voaosy hatrany atampon-doha

Noho ireo antony voatanisa ireo sy ny hafa tsy voalaza, dia hadisoana ny mangina tsy hitaky Fanafahana.
5. locl ( 29/09/2009 14:52)
Mety ho marina ihany ny anao fa ity no tsy ampy, ny olona ange mitetika ny ho azy daholo fa mba manao zavatra ho an'na vahoaka koa e!
6. xxx ( 29/09/2009 15:50)
Mety misy marina sy diso ny anao fa refa tsy very asa enao aloha dia misaora ny avo ,fa refa very asa kosa ary enao ,ny tany tsy milamina ohatra hoe mpiasan'ny zone franache ohatra ,tant que tsy milamina ny tany dia tsy hiverina le mpampiasa ,ary ny ^zao tsy hoe firohona amin'ianona na ianona fa refa ny pays-nao" victime ny coup d'état ",dia ny ZO maha olombelona anAo no voahosy satria mety hitranga io @manaraka raha toa tsy toherina ?AMIKO LE TAFA TSY HOE FITIAVANA SY TSY FITIAVANA andra8 no TAFA fa le ZO voahosihosy ,ary natiana na tsy tiana ny manao politika dia refa latsaka be ohatr'izao ny firenena dia voatery miditra na tsy te hiresaka politika aza enao ve ohatra ra voatery handalo eny Analakely na Ambohijatovo ,tsy maintsy matahotra enao ra mahare poabasy sady ho tafitohina hanao hoe za tsy maninona 2 nefa eny @lalako handeha hiasa aho mahare poabasy ary mety ho voatifitra tsinahy noho ry zareo miady SEZA?voatohina foana ny fiainanao ,hakarina ny vidimbary noho io krizy io ,mety hilaha-bary enao atsy ho atsy nefa teo aloha tsy nilahatra natsy mora aza ny vary ,tsy maintsy misy fiantraikany @fiainana'ny tsirairay raha vao mikorotana ny mpitondra vao maika moa ty fajakana nagalarina ,tsy pour à dra8 à 100% AHO FA TSY MANAIKY ZAO FITODRAN'NY BAROA IZAO VELIVELY!
7. tsiafoi1 ( 29/09/2009 16:48)
Za aloa de tena tsy mpanao politika, kanefa koa tsy hoe tsy manan-katao ka manala azy eto... Fa tena mieritreritra sy mandinika lalina ary tohana @'ny zava-misy eto @'ny firenena ; Tsy maty eritreritra ihany koa ny tena ka hinia mikipy na hangina manoloana ny toe-javatra miseho.

Matoa nomen'Andriamanitra ahy eto ny fahafahana miserasera, dia raisiko ho anjara biriky azo entina ho fandraisana anjara @'ny fampanjakana ny ara-dàlana sy famerenana @'ny laoniny ny fiainam-pirenena ny fiseraserana eto. Mety ho kely ihany izany nefa mety hisy vokany lehibe ihany koa, izay tsy haiko ny handanja azy. Izay no mba fanehoana fitiavan-tanidrazana azoko atao. Mihevitra ny hafa, akoatran'ny fikarakarana @'ny lafiny rehetra ny ankohonako.

Mahereza ry namana rehetra, mandalo ihany ny transition fa tsy haharitra. "Après la pluie, le beau temps"
8. xxx ( 29/09/2009 16:57)
kay lavabe 8O eny e marina iany zany klouuuu !
9. fijo ( 29/09/2009 22:15)
adalann'y vahoaka izao ko.
10. pikatti ( 30/09/2009 00:00)
Aleo ny Pôlitika ho an’ny tsy misy atao nefa te hahazo harena sy fahefana ary Voninahitra,
fa isika mbola be adidy amin’ny ankohonana tsirairay
Zà manokana aloha de ny vadiko sy ny zanako no handaniako hery, andro…..

miala tsiny raha tsy miombon-kevitra @nao fa ny raharaham-pirenena dia raharaha mahakasika antsika Malagasy rehetra fa tsy hoe akory ireo olona manam-pahefana indrindra @ zao fotoana zao ,@ reo olona tsy nofidintsika ireo
dia aleo samy maneho izay fomba fijeriny ny tsirairay,ary @ fomba samihafa na forum io na heno aman-jery sns ....
11. ndenn ( 30/09/2009 00:35)
Eisy ,maro ny olona manana eritreritra toa izany , nefa tadidio fa ny politika @ ankapobeny dia hiankinan\' ny ain\' ny olona tsirairay eo @ fiaraha-monina @ izao fotoana izao , raha tsy manao azy kely fotsiny ianao ,na dia hitanteranao ny mahaolona anao fotsiny aza , dia mety ho voahoatry ny vanim-potoana hiainanao ianao ,mety ho voatondro molotra sy ho voafosa , ary mety hisy olona hanao ankasomparana ny fiainanao milamina aza , nefa tsy ho hitanao velively ny fihavian\' izany.Tsy tsara ny manao politika nefa kosa ilaina ny mahalala ny contexte politique \'ny firenena iray ,momba ny harin- karena ohatra , ny fiarovam-pirenena ,ny fahasalamam-bahoaka ,ny fandrosoan\' ny firenena @ ankapobeny @ lafin\' ny hai-tao sy hairaha,ary ireo ambiny.
Tsy hoe mila ho fantarina dia eo noho eo izy io , fa alefa miadana ny fandinihina azy ,izany mantsy no mahavoa ireo politisiana amateur malagasy ankehitriny rehefa nohalalinina .samy manana ny fahamarinany , nefa kosa mifanipaka rehefa andramana ampiarahana .
Ary @ itony site itony (\'serasera , vaovao malagasy ,topmada ,sobika , netlog ,facebook , ...)dia hevero fa tsy maintsy misy ny mpaka hevitra misidina ary mampihatra izany eo anivon \'ny erana politika eto an- tany , ka indraindray ianao dia tara lavitra matetika @ ireo zavatra miforona vokatr\'izany politika izany.
12. xxx ( 30/09/2009 07:45)
Ampototry ny orona loatra izany fomba fisainan'i eisy izany
13. bazylou ( 30/09/2009 12:42)
fa iza mo ano tia tanin-drazana hatramin'izay 50 taona nialana tamin'ny vazaha izay e ?? iza, :roll: :roll: :roll: :-P :-P vive tgv
14. eisy ( 01/10/2009 12:32)
tsy azonareo ny tiako ho lazaina ve? tsy ny fireneko no tsy raharahiko fa ianareo maharary fò ataon\'ny olona \"PIONS\" no mahatonga ahy hiteny ireo

ndenn> ny mahafantatr Pôlitika sy fianinam-pirenena tsara, fa ny mijabaka ao anaty kilalao ratsy kosa tsy de hitako hoe hatraiza ny tombotsoa.

xxx> hoy ianao
\"Mety misy marina sy diso ny anao fa refa tsy very asa enao aloha dia misaora ny avo\"
indrisy fa very asa tokoa ny vadiko noho ny krizy saingy ny mitady hafa no nataony fa tsy mitorevaka manao pôlitika sy mitakoritsika fotsiny! fitadiavana ny fiainana e!
\"fa tsy avela ho entin\'ny olona à gauche à droite izy ity \" bitsika anaty orakoraka aho ry namako a! ary tsy ny hatezerako na ny anao no hanova firenena lehibe toa an\'i Gasikara....

tsiafoi1> noho ireo toe javatra mampalahelo mahazo ny olona lazainao ireo indrindra no hilazako aminareo hoe aleo tsy ataon\'ny olona \"pions d\'échec\"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0601