Nofy
1. Snowhite
(
29/09/2009 12:23)
Hono woa
misy dikany manokana v reny nofy reny
oh:manofy olona iray foana enao mandritra ny herinandro
na manofy olona ts mpiresaka aminao akory
na manofy olona mbola ts fahitanao :?: :?: :?:
misy dikany manokana v reny nofy reny
oh:manofy olona iray foana enao mandritra ny herinandro
na manofy olona ts mpiresaka aminao akory
na manofy olona mbola ts fahitanao :?: :?: :?:
répondu par soanja le 01/10/2009 15:13
2. ni81
(
29/09/2009 13:45)
Resaka momba ny nofy ireo ka jereo sao misy mitovy e!
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a6a9e4d2466b
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a6b40cb1f332
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a6a9e4d2466b
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a6b40cb1f332
3. xxx
(
29/09/2009 13:54)
Ho tsikera kely i ni81 eto, miala tsiny avy hatrany tompoko satria na tsy fantatro manokana aza ianao dia hitako hoe olona tena mendrika eto.
Ny tiako ho hatongavana dia rehefa misy loha-hevitra vaovao ( mitovitovy na mitovy mihitsy amin'ny efa voasoratra taloha) dia avy dia asinao an'io hoe jereo eto io, nefa raha avelanao handeha eo ilay dinika dia mety lasa mahita hevitra hafa vaovao ny mpisera satria mety olona samy hafa no mandray an-jara amin'izany ary na olona mitovy aza dia mbola mety mahazo tsoan-kevitra hafa ihany koa isika.
Ka mba mangataka anao ny tenako hoe mba avelao ilay dinika handeha fotsiny amin'izao, mba ahazahona vision hafa na dia sujet mitovy aza. Misaotra.
Miala tsiny e! :wink:

4. ni81
(
29/09/2009 15:02)
Ho tsikera kely i ni81 eto, miala tsiny avy hatrany tompoko satria na tsy fantatro manokana aza ianao dia hitako hoe olona tena mendrika eto:-D :-D :-D MENDRIKA angaha??? toa tsy fiderana ilay izy aloha raha azoko tsara an!
Ny tiako ho hatongavana dia rehefa misy loha-hevitra vaovao ( mitovitovy na mitovy mihitsy amin'ny efa voasoratra taloha) dia avy dia asinao an'io hoe jereo eto io, nefa raha avelanao handeha eo ilay dinika dia mety lasa mahita hevitra hafa vaovao ny mpisera satria mety olona samy hafa no mandray an-jara amin'izany ary na olona mitovy aza dia mbola mety mahazo tsoan-kevitra hafa ihany koa isika.
Ka mba mangataka anao ny tenako hoe mba avelao ilay dinika handeha fotsiny amin'izao, mba ahazahona vision hafa na dia sujet mitovy aza. Misaotra.
Miala tsiny e!
Afaka manohy izay heviny foana ny olona eto na manoratra 10km aza aho mampiseho ilay jereo eto io rahavana a !sady eto ange ka samy manao izay tiany ho soratana e! ny miteny ratsy no voararan'ny lalàna mifehy ny serasera, ny manaratsy olona be fahatany koa, ka angamba aho hatreto tsy mbola nanaratsy na iza na iza. Lazao raha toa ka misy POROFO. Mahazo mamaky ianao raha mazoto, ary mahazo tsy mamaky raha vao hitanao ilay NI81 raha toa tsy azoazonao.
Mba manoro hevitra fotsiny aho fa sao mba hitany tao @ io ny hevitry ny nofy. Ka raha ho anao izany dia aza mamaky fa tonga dia mialà ! Maninona moa ianao no hitady lonilony hamaky izay nosoratako na dia kely akory aza? io no mba tiako ho soratana, dia enao io koa manoràta izay tianao ho soratana :D :-*
5. ni81
(
29/09/2009 15:08)
Ka mba mangataka anao ny tenako hoe mba avelao ilay dinika handeha fotsiny amin'izao, mba ahazahona vision hafa na dia sujet mitovy aza. Misaotra.Tsisy tsiny fa ianao moa no iza eto e?
Miala tsiny e! :D
Raha i HERY no miteny ahy hoe: TSY MAHAZO MANAO ILAY JEREO ETO I ni81, dia hijanona tsy hanoratra eto intsony aho, satria izy izao no hitako tena tompon'andraikitra voalohany eto, ary tsy mbola nahazo fitenenana taminy aho na in.1 aza hoe misy tsy mety ny fanaovako io JEREO eo io.
Ao @ politika aza resaka miverimberina impiry misy jereo eto 100 amby 1000 maninona koa no tsy ferana hoe AZA MANORATRA eo ianareo ry RAKOTO sy RABE sy RASOA, sy RABOZY???
Mba mampme ity ianao ry xxx knou. Sao dia mila entina @ DOKOTERA aza?:)
6. xxx
(
29/09/2009 15:27)
Ny nampoiziko ho hanafitoina be anao tahaka izao ny zavatra noteneniko, ary tsy izay mihitsy koa ny tanjoko. Averiko ihany fa olona mendrika ny fahitako anao eto amin'ny serasera ka mamerina ny fialan-tsiny ny tenako.
Ny tiako ho hatongavana dia ny hoe na hevitra mitovy aza dia mety mahazo conclusion samy hafa isika araka ny firindran'ilay dinika.
(l)
Ny tiako ho hatongavana dia ny hoe na hevitra mitovy aza dia mety mahazo conclusion samy hafa isika araka ny firindran'ilay dinika.
(l)
7. rhina
(
29/09/2009 15:29)
Snowhite:
Hono woa
misy dikany manokana v reny nofy reny
oh:manofy olona iray foana enao mandritra ny herinandro
na manofy olona ts mpiresaka aminao akory
na manofy olona mbola ts fahitanao :?: :?: :?:
Ieny tokoa tena misy dikany ny nofy
fa arakaraka ny olona koa nefa misy an'ilay oe mahita nofy sy tsy mahita :
ohatravitsivitsy izay tena matetika mpitranga no omeko anao
oh: ra mitoejaza ianao dia manonofy : trondro zany oe ny trondro zany midika fahasoavana
oh: ra manonofy mahita olona maty ianao dia midika fanambarana na fananarana ilay nofy arakarak'izay fitrangany ao na fahafatesana ihany koa
ireo dia araka ny zavatra niainako satria ny manodidina ahy dia anisan'ny olona mahita nofy daholo ary tena azo tsapaina tanana ilay izy
ho an'i ry zareo mifamaly resaka ao afovoany ao eny efa misy dinika ohatran'io tokoa any ambadika any saingy tsy hahasaka ity dinika ity fa ilaina ihany koa ny mijery izay efa voalaza any
8. ni81
(
29/09/2009 15:37)
Ny nampoiziko ho hanafitoina be anao tahaka izao ny zavatra noteneniko, ary tsy izay mihitsy koa ny tanjoko. Averiko ihany fa olona mendrika ny fahitako anao eto amin'ny serasera ka mamerina ny fialan-tsiny ny tenako.Somary nahagaga ihany ilay fameranao ahy tsy hanao izay tiako atao? Maninona no tsy teneninao daholo ny oul rehetra eto manao jereo eto io ary ka! Fa toa hitako fa somary mifonofono hevitra lalina ilay fomba nitenenanao ahy, nefa tsy olana.
Ny tiako ho hatongavana dia ny hoe na hevitra mitovy aza dia mety mahazo conclusion samy hafa isika araka ny firindran'ilay dinika.
Ny tiako ho hatongavana dia ny hoe na hevitra mitovy aza dia mety mahazo conclusion samy hafa isika araka ny firindran'ilay dinika.Ka maro ange ny olona manao hevitra mitovy eto e! Mahazo izay conclusion tiany hatrany foana ny rehetra. Ary ny nahatonga ahy nanoro koa hoe JEREO ETO dia sao tsy mbola hitany ilay tany ambadika tany. Fa ianao angaha ilay nampiditra dinika no tonga dia sarotiny be?
9. xxx
(
29/09/2009 15:42)
Eny ary ny ni81 a! ssssss efa miala tsiny zà fa ny hilelaka ny faladihanao mihitsy angamba no tadiavinao.ssssss
10. ni81
(
29/09/2009 15:49)
Eny ary ny ni81 a! ssssss efa miala tsiny zà fa ny hilelaka ny faladihanao mihitsy angamba no tadiavinao.ssssssTsy mila lelafina ny faladia ka! Maloto io, fa efa mazava izany ny tianao ahatongavana dia izay. Teneno ihany @ sisa rehefa tsy asiako jereo eto fa haiko tsara mantsy io. :) Ary izao koa e: aza miafina raha tena @ fahatsorana tokoa no tianao hitenenana ahy.
11. xxx
(
29/09/2009 17:33)
Ny tiako ho hatongavana dia rehefa misy loha-hevitra vaovao ( mitovitovy na mitovy mihitsy amin'ny efa voasoratra taloha) dia avy dia asinao an'io hoe jereo eto io, nefa raha avelanao handeha eo ilay dinika dia mety lasa mahita hevitra hafa vaovao ny mpisera satria mety olona samy hafa no mandray an-jara amin'izany ary na olona mitovy aza dia mbola mety mahazo tsoan-kevitra hafa ihany koa isika.
Ka mba mangataka anao ny tenako hoe mba avelao ilay dinika handeha fotsiny amin'izao, mba ahazahona vision hafa na dia sujet mitovy aza. Misaotra.
aleo koa izaho mba hiafina raha izany fa samy mahay:^)
oudryyyyy!è inona kosa no maharatsy ny fanaovana jereo eto
ny namana koa anie raha miverimberina foana ny sujet tsy hamaly eo intsony izy satria efa resaka nandeha foana ka tsy aleo ve tonga dia alefa ny jereo eto, misy koa dia mitady olana mitsiny :-D
12. nathie86
(
30/09/2009 06:10)
ayyyyyyyyy, nareo ko zany tsssssss.
:wink: :cry:
Ny nofy aloha hono tena misy dikany eh; fa tsy aiko lôtra ny mandalina azy, mis manapahaizana momba an'io eh.
Fa ny remark kely ko ftsny oe, ny zvt eritreretina matetika no lasa nofy.
:wink: :cry:
Ny nofy aloha hono tena misy dikany eh; fa tsy aiko lôtra ny mandalina azy, mis manapahaizana momba an'io eh.
Fa ny remark kely ko ftsny oe, ny zvt eritreretina matetika no lasa nofy.
13. botra10
(
30/09/2009 07:16)
(Fa ny remark kely ko ftsny oe, ny zvt eritreretina matetika no lasa nofy.) io no matetika mitombona no sady matetika miseho fa raha manonofy misy maty ny olona akaiky anao dia hobedy be ianao rampitso :cry: :cry: ra manonofy enjehiny omby masika de misy olona saika namadika anao 8O 8O 8O
14. Snowhite
(
30/09/2009 09:19)
Aza atao hifamaliana mou le izy e
Efa hitako le aty jereo kah
ze mbola manana hevitra d arosoy fa ts manina
Efa hitako le aty jereo kah
ze mbola manana hevitra d arosoy fa ts manina
15. kotobekibo
(
30/09/2009 22:18)
io injay Snowhite , efa hoe aza manofy anah izany ouah!
:-D :-D :-D
:-D :-D :-D
17. xxx
(
01/10/2009 06:20)
ika: ianaeo ve efa nanonofy hoe: handeha hi-pipi dia avy eo taitra tampoka?
Rehefa ririnina iny matetika no mitranga io g
fa mangatsiaka be loatra angamba.
Ny nofy dia misy dikany daholo
Fa maninona kay no tsy tantaraina ilay nofy fa tsy afaka hazavaina ange ilay izy raha tsy fantatra hoe inona no miseho amin'ilay nofy e!
Ilay olona nofisinao isanandro inona no ataony amin'ny nofy?
Ilay olona tsy mpiresaka aminao, olona eto amin'ny forum ve? raha izay dia ny antony ny subconscience-nao no miasa , ary mbola manohy ny resaka ifanaovanareo dia lasa nofinao.
Raha manonofy olona mbola tsy fahitanao ianao dia tadidio ilay nofy fa mety misy mission hampanaovina anao izany.
Nisy resaka hoe: olona nanonofy nihintsana nify: azo hazavaina fa io olona io dia tena reraka physiquement
Mety misy olana mianjady aminy tamin'io fotoana io dia very hevitra izy ka aseho amin'ny nofy
Indraindray raha manonofy mihinana sakafo ianao dia tadidio fa ilain'ny vatanao izay ilay sakafo
Fa raha ohatra kosa hoe manonofy mihinana sakafo hanimpitolha hono dia nofy ratsy izay fa manambara loza ho avy, fahafatesana na ohatran'izany.
Raha manonofy ianao ka mitovy foana ilay tantara amin'ny nofinao, dia tsy maintsy tonga iny. Tokony ho mailo ianao izany raha ohatra ka zavatra ratsy ilay izy. Ampandreneso ilay olona mba tsy ho tonga aminy ilay loza hitanao tamin'ny nofy.
Zavatra efa nahazo ahy io, tsy indray mandeha fa imbetsaka
Tamin'ny voalohany aho tsy nino dia avy eo henoko fa nihatra tamin'ilay olona ilay loza. Nisy nofy hafa indray niseho, dia toraka izany ihany. taty aoriana aho dia nanapakevitra mampilaza ilay olona alohan'ny hitranagan'ilay zavatra . Milaza aho fa hoe nanonofy an'izao sy izao aho taminao ka asa na misy ifandraisany aminao izany na tsia , dia avy eo ilay olona mitantara dia mitandrina ary tsy tonga ilay loza.

18. Mirananirina
(
01/10/2009 11:23)
Amiko aloha dia nofy dia nofy angamba,satria raha izay nofy nofisoko rehetra izay an...toa tsy misy mihitsy,nefa ohatra ny tena réel be mihitsy ilay izy.
Misy nefa ny sasany milaza fa tanteraka foana ny nofiny.
Dia samy manana ny nofiny angamba,tsy mahavaly ny fanontanianao aho.
Fa rehefa misy zavatra eritreretina mafy koa matetika no azonao nofy avy eo.

19. ikaretsaka
(
01/10/2009 13:31)
le nofy conscient (le nofy eo am-mpamoronan-kira, sy aingam-panahy eo am-panaovana zava kanto) ahoana indray ny @ reny!
20. soanja
(
01/10/2009 15:13)
Snowhite:
Hono woa
misy dikany manokana v reny nofy reny
oh:manofy olona iray foana enao mandritra ny herinandro
na manofy olona ts mpiresaka aminao akory
na manofy olona mbola ts fahitanao :?: :?: :?:
Tsy voatery misy dikany ny nofy ka. Miankina amin'ny tsirairay ny finoana ny nofy. Ny zavatra mba fantatro kely fotsiny dia miankina amin'ny zavamisy iainan'ny vatanao amin'io fotoana hatorianao no mampanonofy anao na tsia. Ny hatsiaka, ny karazan-tsakafo saro-devonina, ny haratsin'ilay fandriana sy ny ondana/ na tsara koa, ny maso izay milaza harerahana ka mivadibadika no mitondra any amin'ny nofy, izay tsy inona fa ny fitsidihana ny sub-conscient-nao izay mitazona info isankarazany teo amin'ny fiainanao ka io dia manao toy ny surfing mihitsy izy miditra ao dia manodikodina izay hitany aho ho hisy dikany na toy ny fiainana mihitsy.
Raha reraka be ianao dia mety hanonofy lalina sy misendondotra tokoa. Raha atonona alohan'ny hatory dia nofy milamina. Ary ny toy ny fahatoriana milamina dia tsy manonofy akory fa mandry ny saina. Eo ampandriana eo ny saina dia mikajy ireo fahalalana azony tamin'iny andro iny izy (store knowledge) ka io mba hahafahanao hanana memoire ny zavatra nianaranao tamin'io andro io.
Ilaina ny torimaso ary ny torimaso milamina no tsara indrindra.
Ny hoe inona avy ny dikan'ny nofy dia miankina amin'ny kolontsaina iainanao tokoa. Ny an'ny sinoa dia isankarazany, ny an'ny vazaha fotsy dia mandray ny an'i Sigmund Freud izy na ny hafa filozofy malaza nianatra momba izany, ny antsika Malagasy moa dia manana ny antsika koa. Ka asa izay hitanao fa mifanaraka aminao arahina.
Ny ahy aloha rehefa manonofy aho dia fantatro ny dikany fa mety tsy hitovy amin'ny ahy ny an'ny hafa dia tsy afaka hahafantatra ny an'ny hafa aho koa sarotra ny mamaly azy satria tsy mitovy isika olombelona na dia mitovy endrika ny fisehony ety ivelany.
Mazotoa indray ary!