fahasarotapiaro

1. KARELLE ( 24/09/2009 09:43)
sao ba misy afaka manome solution fa tena lasa saropiaro tsy misy otrany zany tsony ny tenako ary tena mampijaly ahy lay izy.TANTARAIKO ANAREO NY NANOMBOHANY
nanao vacance tany dago ireRy ny vadiko t@ herintaona. inona no zvt henoko niaraka t@ sipany taloha IZY.NY HAVAN LAY KALA IHANY NO NITANtara AN IO T@ ZOKIKO ARY NOTANTARAIN ZOKIKO AHY narary ny foko ary tsy nisy fijaliana otrany izany. FA NANDRASAKO NY VADIKO HITATARA NY ZAVA nisy NILAZA NY VADIKO FA TSY NIARAKA T@MINY FA LAY SIPA DIA NANAO TOUS MOYENS ZAY IHARANA AMINY;je lui ai fait confiance ary nilamina ny tantara aloa. 2 mois apres nahita sms NA sipa T@ PORTABLAny ZA miteny oe defa tsy te halala mitsy ge ianao ty ry XXX(ny vadiko io)sipa hafa dray io avy any dago io mandefa sms io. TEZITRA za ary nanontaniako iza io sipa io ka niteny dray rangahy vadiko mlle naman niecinay KA LAY SIPA HONO MOLAMOLA KA NOAHADALADALAIKO HOY IZY;nangina tsy niteny za fa nanomboka lasa jalouse be za ary savaina daholo ty zvt zay azo savaina mail tel sns.LASA ARETIN DRATSY;fa tena tsy tantiko miantso mitsy lay sipa de manontany oe inona no vaovao satria henoiko mitantara @ vadiko oe afaka examen hono izy tsy misy resaka maloto aloa lé izy fa iza no mahalala ny any am badika any ka noteneniko ny vadiko ra bola miantso eo lay sipa aza raisina si je suis a la maison depuis aloa efa ho 5 MOIS TSY miantso tsony izy.MAIS JE SAIS PAS SI MON MARI L APPEL A L EXTERIEUR;tena lasa tsy matoky valeur tsony angamba za fa ny tena mampatahotra agna ho any dago dray ny vadiko @ decembre zao za tsy afaka za noho ny andraikitra zay sahany aty tany lavitra aty.KA IZAY NO ANONTANIAKO ANAREO BA OMEO TOROHEVITRA IALANA @ JALOUSIE fa tena marary eh
répondu par Mirananirina le 25/09/2009 14:12
2. xxx ( 24/09/2009 10:32)
Ny fahasarotapiaro de voajanahary saingy raha diso tafahoatra de ratsy, adala izay tsy saro-piaro @ azy, tahaka ahy aloha dia tena tsy nahatoky intsony satria mitovy @ilay anao izay ihany ka nanampankevitra aho ny hiova tsy ho saropiaro intsony; ny nataoko nitady namana tato @ internet aho dia nahita tena lasa nifandray be tsy manampotioana intsony aho ny hisava izay ataony any tsy norarahiako intsony izay fiainany any fa izy indray izao no misava ahy " tsy nisy nataoko hafa-tsy namerina ny famerimbolany" Mirry soa ô!
3. ni81 ( 24/09/2009 10:58)
Ny fahasarotapiaro de voajanahary saingy raha diso tafahoatra de ratsy, adala izay tsy saro-piaro @ azy,
Nefa koa aza dia alefa lavitra sy dia sokirina daholo izao momba azy rehetra izao (sms, mail) fa hamparary an-doha anao fotsiny eo!
4. nathie86 ( 24/09/2009 11:06)
possible b ilay oe lasa saropiaro enao, nohon'ny fisian'ny zavatra nitranga isan'karazany. Fa za aloha mahita oe refa hendry iz ao an-trano manaja anao, tsy mampiseho anao toetra tsy zaka d aza d miasa saina firy. Matoa iz tsy nijanina taty dago fa niverina eo anailanao d mbola ianao zany aloha no tiany.
Ra vao maika enao misavasava atsy sy eroa ka hitany, mety hitombo ny haditrany satria enao efa tsy mino izay lazainy ihany. Sady tsy tian'ny lhl io misavasava etsy sy eroa io.
Koa ra tianao ny vadinao d avereno moramora ilay fatokisanao azy taloha eh, aza mandefa saina b lôtra. Tsarovy ftsny oe tia ahy iz matoa mbola nijanona ato. :)
5. KARELLE ( 24/09/2009 11:18)
merci madame xxx mba manome toky agna enao fa azo atao ihany ny tsy ho saropiaro.fa le NAMANA tianao tenenina io ve jUSTE ETO @ INTERNET SA MIARAKA MITSY NAREO REHEFA MISY FOTOANA;
tena mety mila manana namana angamba koa za ty fa teneniko anareo tsy ba manana namana za rehefa avy miasa hariva iny dia ato an trano ny week end mo de zay mivady ihany ko ka io des fois ny hitolereko ny vadiko satria otrany manao sacrifice ihany ko izy @mina izy manana namana fa de mijanona miaraka amina ato ko izy REHEFA WEEK END; ny havana mo de misy ihany eto fa ny havana ra aty tany lavitra aty manahirana ihany ny fifaneraserana ka ALEOKO mitsy isaky ny fete na zvt hafa special vao mifamangY EH;
tena hitako amingna mila manana centre d interet za ba tsy ho saropiaro tsony ra misy mahita hevitra hafa mo vao maika tsara
6. KARELLE ( 24/09/2009 11:32)
merci NATHIE86 Sy ni81 MARINA MITSY VOALAZA NAREO FA TSY TIANY LEHILAHY MIHITSY NY MISAVASAVA INDRAY MANDEHA EFA NOFAIZIN NY VADIKO ZA RANGITINY KA TEZITRA ZA. KA HOY IZY ARRETE KARELLE TA JALOUSIE EFA TENENIKO ENAO FA TSY MANA TSIPA ZANY ZA MAKALEO ANAZY HONO ZA TIA MISAVASAVA IO TSY MANANA LIBERTé MITSY IZY hono .FA EH EH TY ZA EH DE MBOLA TSY MIOVA ARY SURTOUT JE L ACCUSE FA TROMPER GNY ZA DE TEZITRA izy . NY atahorako anGE IZY TSY MANA TSIPA ALOA ATY FA TY IZY ANAO VACANCE TY MITSY EH EFA MIERITRERITRA AN IRENY SIPA AN RENY ZA DE MARARY SAHADY NY LOHAKO SY NY FOKO TENA LASA ARETINA TY NO AZO
7. Bazily ( 24/09/2009 12:16)
Karelle> Raha hiteny aho dia hoy ianao hoe: satri izaho lehilahy, possible tsy hahatsapa ilay jalousie sy hasarotampiaronareo vehivavy.
Tsotra nefa no anatra omeko anao, fifampatokisana no zava-dehibe ao antokantrano, ny tovovavy misikotsikotra etsy sy eroa bdb, ianao tsy hahatoky azy. Haka arentimpo ho anao ianao.
Izaho dia nanana toetra iray azo lazaina fa ratsy ihany hoe: raha zvt tsy ataoko no hanenjehanao ahy na hanendrikendrehanao ahy, vao maika ataoko na koa rangitiko amin'iny ianao.
Ka noho izany dia aza aseho azy ny fahasarotampiaronao, ary ataovy tsapany fa matoky azy ianao. Rehefa tsapany sy hitany fa mi-souffre be ianao amin'izay ditraditrany kely any( raha tena ataony ilay izy), ho tsapany ho azy izany ary mitamberina ho azy ilay fifankatiavanareo roa.
Ary sao dia misy zvt tsy tantiny ataonao ao antranonareo mahatonga azy mitady sampanan-dalana toy izany. MANDINIHA TENA ALOHA E!
8. ni81 ( 24/09/2009 12:26)
ka maninona raha miaraka rehefa hanao vacances moa e? sa tsy mety? Tsara koa mantsy ny mba miara-dia ange e! :)
9. soanja ( 24/09/2009 16:46)
Normal daholo aky zany zavatra tsapandry izany satria izay no nandraisantsika ny fitiavana hatramin'izay.
Fa tsara mihitsy koa ny ahitandry ny tenandry hoe ahoana? inona no tokony ataoko fa tsy te hiaina an'izay indry.
Ny hevitro dia asiana complicite ny fanambadiana. Ekipa iray ianareo mitsam. Dia ny fiainana no adverseranareo. Ohatry ny hanao baolina iny mihitsy, alohan'ny hanomboka ny match dia henoana tsara ny paika; aiza i ianina ary aiza ianina no tena hiaro baolina sy handray baolina dia iza no hampiditra ny baolina sns... Io anefa dia ilana fifampitokisana tanteraka. Ny fiainana aky be filirona fa ny fahaizana mifampiresaka sy mifampatoky dia tena andrin'ny tokatrano tokoa. Anontanio azy ny programany any Dago dia araho amin'iny fotsiny izay adiny. Lazao aminy fotsiny hoe any aminao iray manontolo ny fitokisako. Dia mino aho fa hilamina ianareo. Aza manahy ny ho avy. Androany ihany no alamino sy atreho. Mino aho fantatrao fa tia anao izy ary izy koa mahalala fa ianao tia azy. Dia apetraho amin'Andriamanitra ny ambiny.
10. ikaretsaka ( 24/09/2009 16:54)
na zalouzi na zalouza!
Ohatran daba ioe
Ianao no tompon'ny bibil fa any aminao ny titre sy ny carte grise sns...fa ny saofera sy ny mpandalo tsy afaka ny tsy hitondra sy tsy hierika rehefa maneno ny echappement sy ny klaxon :wink:
reveo manja fottriny de rehefa tsy tanty ..amidio!
11. ni81 ( 24/09/2009 17:28)
Dia apetraho amin'Andriamanitra ny ambiny.
izany tokoa
Ianao no tompon'ny bibil fa any aminao ny titre sy ny carte grise sns...fa ny saofera sy ny mpandalo tsy afaka ny tsy hitondra sy tsy hierika rehefa maneno ny echappement sy ny klaxon
reveo manja fottriny de rehefa tsy tanty ..amidio!
amidio ngaha? :lol:
12. ikaretsaka ( 24/09/2009 17:49)
ka hiaritra trefle eo foana kosa ve
13. soanja ( 24/09/2009 19:37)
ikaretsaka:

ka hiaritra trefle eo foana kosa ve


Ny ahy indray dia tokony tsy hisy zavatra iaretana trefle izany fa raha toa kosa ka mazava ny planina arahina dia tsy trefle tsony io fa carre na diamant. Miankina amin'ny tsirairay ny fandraisany na zavatra iray ary avy amin'io koa no tokony hakany fanapahan-kevitra.


14. xxx ( 24/09/2009 20:18)
Mitandrema ihany é,normal enao saropiaro fa vadinao ,tandremo fa eto @sera 2 eo aza be ny manambady nefa hitady sipa no alehany eto ,ny ratsy tsy kely lalana ,any @le sipa izy lazainy fa tsy mandeha ny tokatranony ,any aminao izy nolazainy fa nampiresahiny fotsiny le sipa ,anjaranao no mahita fa ahona koa ary nareo zany mandeha vacances nefa tsy miaraka ?
mISY FITENENANA hoe ny lehilahy toy ny alika mangery etsy sy eroa ,tsy izy rehetra aloha fa mitandrema !
15. cutie ( 24/09/2009 20:21)
Mpandefa : KARELLE [ Valio ] 24-09-2009 11:43:03
Lohateny : fahasarotapiaro
sao ba misy afaka manome solution fa tena lasa saropiaro tsy misy otrany zany tsony ny tenako ary tena mampijaly ahy lay izy.TANTARAIKO ANAREO NY NANOMBOHANY
nanao vacance tany dago ireRy ny vadiko t@ herintaona. inona no zvt henoko niaraka t@ sipany taloha IZY.NY HAVAN LAY KALA IHANY NO NITANtara AN IO T@ ZOKIKO ARY NOTANTARAIN ZOKIKO AHY narary ny foko ary tsy nisy fijaliana otrany izany. FA NANDRASAKO NY VADIKO HITATARA NY ZAVA nisy NILAZA NY VADIKO FA TSY NIARAKA T@MINY FA LAY SIPA DIA NANAO TOUS MOYENS ZAY IHARANA AMINY;je lui ai fait confiance ary nilamina ny tantara aloa. 2 mois apres nahita sms NA sipa T@ PORTABLAny ZA miteny oe defa tsy te halala mitsy ge ianao ty ry XXX(ny vadiko io)sipa hafa dray io avy any dago io mandefa sms io. TEZITRA za ary nanontaniako iza io sipa io ka niteny dray rangahy vadiko mlle naman niecinay KA LAY SIPA HONO MOLAMOLA KA NOAHADALADALAIKO HOY IZY;nangina tsy niteny za fa nanomboka lasa jalouse be za ary savaina daholo ty zvt zay azo savaina mail tel sns.LASA ARETIN DRATSY;fa tena tsy tantiko miantso mitsy lay sipa de manontany oe inona no vaovao satria henoiko mitantara @ vadiko oe afaka examen hono izy tsy misy resaka maloto aloa lé izy fa iza no mahalala ny any am badika any ka noteneniko ny vadiko ra bola miantso eo lay sipa aza raisina si je suis a la maison depuis aloa efa ho 5 MOIS TSY miantso tsony izy.MAIS JE SAIS PAS SI MON MARI L APPEL A L EXTERIEUR;tena lasa tsy matoky valeur tsony angamba za fa ny tena mampatahotra agna ho any dago dray ny vadiko @ decembre zao za tsy afaka za noho ny andraikitra zay sahany aty tany lavitra aty.KA IZAY NO ANONTANIAKO ANAREO BA OMEO TOROHEVITRA IALANA @ JALOUSIE fa tena marary eh

Mila miresaka nareo roa, tokony ambaranao aminy daholo ny ahiahinao rehetra tsy questioner-na izy fa raha tena tia anao izy de mihaino anao sy mi comprendre anao. Tsy mety mitsy alou le misavasava email sy text message sns sisa :)
16. ni81 ( 24/09/2009 20:32)
Mitandrema ihany é,normal enao saropiaro fa vadinao ,tandremo fa eto @sera 2 eo aza be ny manambady nefa hitady sipa no alehany eto ,ny ratsy tsy kely lalana ,any @le sipa izy lazainy fa tsy mandeha ny tokatranony ,any aminao izy nolazainy fa nampiresahiny fotsiny le sipa
Maninona zao raha tsy maka fanahy olona fotsiny toy izany?
ahona koa ary nareo zany mandeha vacances nefa tsy miaraka
zà koa dia gaga t@ io ka! maninona raha miaraka anefa e?
mISY FITENENANA hoe ny lehilahy toy ny alika mangery etsy sy eroa ,tsy izy rehetra aloha fa mitandrema !
:-D
17. Ratoa ( 24/09/2009 21:56)
Manahoana daholo
Ianao tsy nanatry maso fa nilazan’ny zokinao ianao dia rombotra.
Ny zokinao koa tsy nahita fa nilazan’ny havan’ilay sipa dia tonga dia nitati-bolana.
Izay tsy natrehana dia naman’ny tsy misy.
Diso ny zokinao nitantara honohono satria nanjary tsy natoky ny vadinao ianao ka misavasava.
Ilay havan’ilay sipa manao provocation tsotra izao dia ianao manaiky ho provoquer-na.

Amiko, manambany tena ary ratsy fomba ny olona misavasava. Ary izany fietsika izany mety hanimba tanteraka ny tokatranonao. Atsaharo izany ary asehoy azy fa ianao dia ilay vhv milay nampakariny ho vady. Aza asiana resaka intsony koa iny tranga iny. Ny fomba fiainana talohan’izany averina. Ho gaga izy.
Hilaza angamba ianao fa moramora ny miteny. Tena marina izany, indrindra fa tsy eo amin’ny toeranao aho. Anefa moramora koa ny mivarina ary sarotra dia sarotra ny miakatra sy miezaka ho soa.
Ianao ilay vady vita soratra, vita marriage, nasehony ny ambanin’ny lanitra. Ambaninao daholo izay any ivelany any satria maîtresse. Hevero ho pot de chambre.
Hoy ny renibeko nony hanambady ny cousine-ko «ny lehilahy sarotra fehezina tsy handehandeha. Ka raha mody isan’andro amin’ny ora mitovy izy, manaja anao. Mitondra vola tsy banga mody, mikarakara anao sy ny ankizy, dia ianao izany no andrianiny. Aza mankarary tena amin’izay ataony any ivelany any!. Aoka tsy ianao no ampatsiahy sy hitondra izay any ivelany ao anatin’ny trano».

Ny teniko indray: izay efa miorina, atsarao lalandava fa aza jerena hirodana. Izay no hany fomba azahoanao manavotra ny toka-tranonao.
Rehefa tokony ho rava anefa dia ho rava, ninoninona ezaka ataonao. Ka aza mankarary tena sy mivary lavo fa omeo haja ny tenanao. (sois digne). Izy manao vakansy irery tsy olana. Ny olana dia monotone angamba ny fiainanareo. Tsy ianao irery no mila changement sy namana fa ianareo roa. Ny namanao voalohany dia izy, ary ny namany voalohany dia ianao. Ny maîtresse-ny voalohany koa dia ianao, ary ny lehilahinao voalohany dia zy. Asa raha azonao ny tiako ho lazaina?
Ovay ny fiainanareo, asio loisirs iombonanana, zavatra iaraha-manao. Tanjona iaraha mikendry.
Miteraka ve ianareo? Sao dia izay no mahatonga azy hivezivezy? Itadiavo vaha olana raha sendra misy olana, raha mbola tsy nokasaina, tanterao amin’izay..
18. KARELLE ( 25/09/2009 06:42)
misaotra anareo rehetra nanoro hevitra ho valiako eto ny fanontaniana nareo
voalohany:tsy afaka miaraka manao vacance zay roa ra tsy @ herintaona @ mois de mars d ailleurs 2 semaine fotsiny izy no hany satria ny noel ihany no ataony any.tsy manana choix ko za ny hiteny azy hoe aza mandeha fa endraso aho satria ny mamany zany hoe ny rafozako misy cancer pancrea ary efa tsy misy antenaina loatra ka sao anenenako ra misy manjo azy.
MARINA mitsy ny teneninareo tokony tsy hivaky loha an izany za satria rehefa mifakantia izay ao @ tokantranonay de zay.

HO ANY madame Rtoa misaotra betsaka @ fananarana.ho valiako ny fanontanianao bola tsy manan janaka izahay satria afaka t@ concours zay nataoko za ka mandritra 3 ans manao stage henjana be ka vao @ herintaona vao vita io ka araka ny fanapahan kevitranay mivady dia aleo vita mitsy io stage io vao miteraka donc @ herintaona ra sitrapon ANDRIAMANITRA satria nisy fotoana efa bevohaka fa nanao fausse couche satria reraka loatra.

Nisy nanontany teo ambony teo sao de misy toetra tsy zaka ataoko ny hany ba toetra ratsiko be resaka loatra za hany zay zvt tsy hitovizanay za miresaka izy tsy miresaka ka sikiriko foana IZY;
fa ny olona no miteny ahy tokOny hiova ko za fa manaika ny zvt tenenina io vadiko io foana ko za tokony ba midongy hono za eh satria hitanareo za hono diso manaraka ny capriciny zareo mianakavy(hava bady io) izAy tsy hahitako olana loatra satria vola fitady ny fihavanana tsy azo vidiam bola
19. ni81 ( 25/09/2009 07:47)
voalohany:tsy afaka miaraka manao vacance zay roa ra tsy @ herintaona @ mois de mars d ailleurs 2 semaine fotsiny izy no hany satria ny noel ihany no ataony any.tsy manana choix ko za ny hiteny azy hoe aza mandeha fa endraso aho satria ny mamany zany hoe ny rafozako misy cancer pancrea ary efa tsy misy antenaina loatra ka sao anenenako ra misy manjo azy
Hay noho io antony io no alehany any fa noheveriko fa handeha hitsangatsangana haka aina fotsiny mantsy.
Nisy nanontany teo ambony teo sao de misy toetra tsy zaka ataoko ny hany ba toetra ratsiko be resaka loatra za hany zay zvt tsy hitovizanay za miresaka izy tsy miresaka ka sikiriko foana IZY
Ilay toetra hoe be resaka dia arakarany no maharatsy sy mahatsara azy: be resaka @ firesahana fiainan'olona ve, sa be resaka mitantara ny zava-misy hitanao isan'andro sa??? maro be ny karazany azo ilazana fa hoe be resaka ilay olona.
Ohatran'ny vadiko izao dia somary be resaka izy mihoatra amiko. Rehefa avy any @ asany any izy dia tantarainy eo daholo ny zavatra hitany androtr'iny; zà anefa tsy dia tia manao toa izay fa raha misy anontaniany dia izay aho vao mamaly azy
20. Ratoa ( 25/09/2009 11:43)
be resaka amin'ny ahoana moa ianao ry Karelle?
Mitantara ny vesatry ny fiainana izay mianjady aminao? Miresaka izay tianao sy tsy tianao amin'ny asanao? Manadiady ny fomba ahasoa ny tokatrano? Mandalina fahaizana ampam-pahalalana?
Misy lanjany daholo ireo amiko. Ka raha ory sy lanaka noho izay asanao na izay iananao aza ianao na faly ka mila manambary izany; iza indray no tokony ilazana izany?
Sa ianao mifosafosa, miresaka lamaody , be fitsiriritana? Izany hoe mitondra resaka ambinambiny tsy dia ilaina loatra?
Raha izay indray dia tsy mety.
Ny vady no namana voalohany hoy aho, ary ampiako hoe: complice izany hoe tena ifankazahoana.
Ny havam-bady indray, teny iray no ambangoako azy: ny manao soa tsy hanenenana. Raha izay no tarigetranao, tsy hisy ny fiolonolonana amin'ny havam-bady. raha tsy hoe angaha misy mpialona. Aza asiana sira fa ny soa no tohizo. Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha.

Voan'ny cancer ny reniny. tsy misy aretina ratsy ohatra ny cancer, raha araky ny fijeriko aloha. Manaitaina mafy ilay olona. Amin'ny farany aza dia omena morphine. Ny alahelony an-dreniny angamba no tsy maha be teny azy. Par pudeur.
Tena fantatro tsara izany satria ny raiko matin'ny cancer; Mangidy anie izany é! Tsy misy azonao atao fa ilay fanafody omenao azy indray no ohatra ny mamono azy satria tsy voatana mitsy ny vatany ary miha tsy zakany ny herin'ilay fanafody. Mihena isan'andro, taolana sy hodiny sisa, miha reraka isan'andro. Izy anefa mira mirandava. Rehefa kelikely, na ny miteli-kanina aza tsy ho vitany intsony satria mihidy sy marary ny tendany. Mety aharitra ela io aretina io, mety ho vetivety dia vita. Notsaboina fito taona ny raiko. Ny anadahin-dreniko notsaboina telo volana monja dia izay. Nisy namako koa, telo volana taorian'ny nahita ny cancer des poumons izy dia vita.
Ny toro-hevitro: ajanony io resaka sipa io. Mety hisy mihitsy io fa fanalana hamohamo fotsiny ka aza aggraver-na ny situation. Mampitondrà zavatra ho an'ny rafozanao: Robe de chambre, liseuse zava mamy sy zavatra fantatrao fa tiany sy mahafaly azy. Tianao ny vadinao dia tsy ho tianao ve ny reniny? Ny vali-pitiavana fitiavana na tsy mivaky aza ilay olona anehoanao fitiavana.
Ny mampalahelo ahy dia ianareo tsy miara manao krismasy. Tsy fidiny izany aza aseho azy ny vesatry izany aminao fa ankaherezo izy.

Raha izaho no eoamin'ny toeranao dia hiala tsiny aho. Ataoko izy rehefa handeha hoe:
Adinoy ireny fietsiko ireny fa tsy sitrako ireny. Malahelo an'i Neny aho , ary malahelo anao aho satria marary mafy izany. Aoka ny soa hatrany no iobonantsika.

Ary mankahery anao sy mivavaka ho anareo ny tenako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1764