masika ny fiarahamonina
1. rhina
(
17/09/2009 09:24)
masika ny fiarahamonina
tsy mitsahatra mitsikera ny ataon'ny mpiara monina fa dia nahona loatra isika ve no efa voataizan'ny fiarahamonina ohatran'izay sa inona no antony?

répondu par soanja le 02/10/2009 16:31
2. soanja
(
24/09/2009 02:54)
Misy fenitra arahina ny fiarahamonina rehetra matetika afav tsy ireo izay aty Andrefana, izay heveriko fa miankina ihany amin'ny zavamisy eo an-toerana ka ny lalana manan-kery no tena fefy amin'izany, fa malalaka kokoa izireo.
Ny fiarahamonina Malagasy taloha dia natao hiarahana sy ifandraisana ka lasa tsy misara-mianakavy tokoa ny raharaha. Ka raha tsy mifanaraka tokoa amin'ny hevitra na ny fahendrena heverin'ny fiarahamonina no atao dia mazava tokoa fa lasibatry ny fanomezan-tsiny izany olona izany. Na manova izany kely fotsiny aza dia heverina fa hadisoana goavana tokoa. Saingy ny fahatanjahan-tsain'ny tsirairay mijery, mandinika ,mamakafaka ary manome fahafahana ny safidim-po ho ambony indrindra no afaka hamatotra azy amin'nmy fiainany na hanafaka azy amin'ny vahoan'ny fanjanahan-tsaina.

3. rhina
(
28/09/2009 10:59)
tena izany tokoa ve sa ny olona amin'izao fotona no tsy mitahatra mitsikera ny fiainan'ny hafa fa tsy mba mievitra ny ataony akory na dia kely aza.
Ohatra fotsiny zao ny oe : manova ny tsirairay ny fiaraha monina ihainanay ra ny tokony ho izy ra ny taloha no jerena dia mitaiza toy ny ao an-tokatrano ny fiaraha monina @ izao fotoana izao kosa nefa dia toa afa e!! afa mintsy : ny fiaraha monina no tena mampinatra ratsy ny ankizy sy ny tanora indrindra indrindra nefa izy ihany koa no tonga masika rehefa lasa @ iny lalana iny ny tanora na ny ankizy.
Ny inona ao @ fiaraha monina ary zany no tokony ho amboarina sa ny fanabeazana mihintsy no tokony averina @ taloha fa atao manaraka ny fivoarana fotsiny mba tsy hapivoana loatra azy?

4. soanja
(
28/09/2009 20:14)
Afaka resahantsika tokoa ny hanampiana ny olombelona tsirairay mba tsy hisaperotra manoloana ny fiaraha-monina nefa io fiaraha-monina io ihany no mahatonga azy hanao fihetsika toy izany.
-Amiko mila miatomboka amin'ny ao an-tokatrano. Zany hoe Fianakaviana ny fanabeazana dia avy mitatra ao amin'ny manodidina na ny tontolo iainana rehetra (sekoly, fiangonana, fikambanana) ary miafara amin'ny fanabeazana eo amin'ny sehatra politika dia ny fanabeazana olom--pirenana vanona (hendry sady mamokatra)
Rehefa mivoatra ireo dia mifandraika amin'ireo ny fiarahamonina misy. Ilaina foana anefa ny mahalala hoe inona no fahendrena amin'io vanimpotoana io ary aiza no tanjona tiana aleha raha izay no fahendrena voizina. Ny rehetra no miara-mientana amin'izany fa ny tsirairay no manao ny ezaka.

5. rhina
(
29/09/2009 15:10)
tena miombokevitra aminao aho ry soanja saingy mbola lavitra ny dia satria hita fa toa zary manaraka be fahatany ny fivoaran'ny tandrefana isika ka lasa manaonao foana loatra na @ fietsika, na fiteny, na fitafy sns..... ka lasa mahatonga fitsery ratsy eo @ samy mpiaramonina.
Ny tena olana koa araka ny fijeriko azy dia izao e!! efa nolazaiko tany @ dinika afa ihany izy ity fa ho lazaiko eto:
ny fitaizana ao an-tokatrano dia arifanina fotsiny ho an'ny tsirairay. Entina miaina eny @ fiaraha-monina. Indraindray na matetika nefa dia toa mahery laoatra ny fisiton'ny fiaraha-monina indrindra miaraka @ fitotototon'ny RAD miala maraina mody hariva ka zary hazoboboka ilay arifanina. Ka dia mbola mipetraka ho olona foana raha tsy oe : tena masika ny RAD eo anatrehan'ny ZANAKA.

6. soanja
(
01/10/2009 15:59)
Aleo refa malalaka aho dia tohizantsika ny resaka fa mahaliana ahy ity lohahevitra nosakafanao ity. Misoatra :-* :-*
7. dadabe
(
02/10/2009 03:13)
salut rhina sy Soanja ..tiko ilay loha hevitra , sady zah rahateo tia mandala ny fihavanana ny samy malagasy
NB: inona no vaovao elaela izay ry Soanja ?
rhina efa nikarakara ilay izy v ? :)

8. soanja
(
02/10/2009 14:23)
dadabe:
salut rhina sy Soanja ..tiko ilay loha hevitra , sady zah rahateo tia mandala ny fihavanana ny samy malagasy
NB: inona no vaovao elaela izay ry Soanja ?
rhina efa nikarakara ilay izy v ? :)
Salut Bedada,
Ny malaza any? Ela tokoa izay. Tsa mba misy vaovao leka fa dia ny taloha ro mimpody koa. Ny fana ro nivadika nangisy. Kina moa leka fa dia ny bodofosy ro atao be fitafy! Mandrosoa leka!
:-* :-* :-* (l)
9. soanja
(
02/10/2009 16:31)
rhina:
toa zary manaraka be fahatany ny fivoaran'ny tandrefana isika ka lasa manaonao foana loatra na @ fietsika, na fiteny, na fitafy sns..... ka lasa mahatonga fitsery ratsy eo @ samy mpiaramonina.
Ny tena olana koa araka ny fijeriko azy dia izao e!! efa nolazaiko tany @ dinika afa ihany izy ity fa ho lazaiko eto:
ny fitaizana ao an-tokatrano dia arifanina fotsiny ho an'ny tsirairay. Entina miaina eny @ fiaraha-monina. Indraindray na matetika nefa dia toa mahery laoatra ny fisiton'ny fiaraha-monina indrindra miaraka @ fitotototon'ny RAD miala maraina mody hariva ka zary hazoboboka ilay arifanina. Ka dia mbola mipetraka ho olona foana raha tsy oe : tena masika ny RAD eo anatrehan'ny ZANAKA.
Ka iza moa ny fiarahamonina fa tsy isika samy isika ihany. Ka matoa manova fitafy, fiteny sns sns ny olona satria miditra an-tery na tsy an-tery ny kolontsaina vazaha dia satria ny fiarahamonina ihany no manaiky izany matoa misy izany.
Tadidiko tamin'ny andronay ilay teny hoe " Ankizy Ankehitrio Mpanangana ny ho avy." ka izay nampidirina tamin'izay no ho avy tamin'izay ary ankehitriny amin'izao.
Amiko tsy misy mahasakana izay fivoarana hiditra na fiovana hisy amin'ny fiarahamonina fa raha ratsy androany ny fahitany azy dia marina iny afaka 10 taona. Tadidiko ny fampiasana ny teny Frantsay hoe " teny baiko" amin'izao io no teny " cool" ka iza ary no omena tsiny?? Ny politika manao ny ataony ihany moa ny fanabeazana tsy tonga lafatra.
Misy izay namako izay aty US tezitra be fa mety tsy avelan'ny fanjakana hirenireny intsony ny basy ary ny any an-trano aza mety tsy azo atao akory aza ny hanana azy. Manimba tokoa ny constitution izay nisy hatramin'izay izany fa dia akory atao satria efa be loatra ny mpananararaotra ny constitution dia miezaka eo izay mahita hirika hanamaivanana ny olana ka na consti io na tsy consti. rehefa tsy mifanaraka intsony amin'ny avaizo dia mila ovana na ny lalana misy na ny saina mandray izany.
Isika no mihevitra fa masiaka ny fiarahamonina. Tsy ny fiarahamonina no masiaka fa ny saintsika no tsy mahazaka tsindry. Nefa n'inona n'inona hisy eto an-tany dia ny tsindry hisy foana noho izany dia ny saintsika no mila matanjaka manoloana olana fa ny olana tsy ho lany.
Ny Ray aman-dreny amiko dia tsy tokony hibedy fa hijery sy handalina hoe nahoana ny ankizy no mandalo izao zavamisy izao? Inona no azon'ny RAD atao hanampiana ny zanany tsy ho simbasimba fotsiny ohatra. Mila mihetsika izy ireo. Miasa miaraka amin'ny lalana na manova lalana na manangana fikambanana hanovana ny zavamisy. Ny hetsika avy amin'ny tsirairay ihany hitsijovana ny ho avy hilamina no hivondrona ho hery sy lalana ary soatoavina manankery ao anaty fiarahamonina. Fa raha fibedesana no asesika amin'ireo maro tanora dia mihoatra lavitra noho ny heverina fa ditra amin'izao no mbola hataony satria tsy izay no takian'ny sainy fa fitiavana sy modely halain-tahaka avy amintsika lehibe.
Ireo zanantsika ireo dia tsy antsika ny sainy na dia isika azy no namoaka azy eto an-tany fotsiny. Izy hanana ny azy ary isika hanana ny antsika. Ny fifanekana fa samihafa ny tontolo nisy teo aloha sy avaizo no manamora ny fifandraisana sy ny hatsaran'izay zavamisy.