resabe MATV omaly

1. ifiona ( 05/09/2009 08:49)
Miarahaba antsika rehetra,

Tsy haiko na nijery sy naharaka ilay fandaharana hoe RESABE t@ MATV omaly ianareo. Ramatoa isany Lalatiana Ravololomanana sy Rinah Rakotomanga no vahiny tao. Raha ampatsiahivina kely moa i madame Lalatiana dia olona manohana ny AREMA ary nisafidy ny hanao exil politique nandritra nu fito taona taorian'ny nahazoan'i Ravalomanana fitondràna. I Rinah Rakotomanga dia ilay olona notendren'ny HAT ho ambassadrice de Madagascar any France ary raha tsahivina ny tantara dia nataon'ny GTT nahita faisana mihitsy izy t@ fangalàna ny ambassade ( :wink: ).

Taorian'ny fanambaran'andriamatoa Andry Rajoelina ny mbola maha praiministra an'i Monja Roindefo sy ny hananganany governementa anatin'ny 72 ora, dia nilaza ramatoa Ravololomanana fa tokony hihaino ny mouvances hafa ihany ny HAT, fa tsy manao "jadona" toy izao, satria raha sanatria ka raisin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho toy ny fitsipahana ny fifanarahana tany Maputo io fanapaha-kevitra io, zay efa nifanarahana fa ho transition neutre, inclusive et consensuelle, dia zay vao tena ho tapaka ny fanampiana avy any ivelany, dia hilatsaka ny sazy setrin'izany.

Nilaza kosa madame Rakotomanga fa soso-kevitra hono iny naroson'i Andry Rajoelina iny fa tsy fanapakevitra, ary zany hono no mahatonga azy miantso ny herivelona rehetra hiara hiasa sy hiditra ao anatin'ny governementa vaovao, ka zany no tsy handraisany an'izany ho toy ny jadona.

Nilaza koa madame Lalatiana fa tsy azo hoe andrakandramana fotsiny amin'izao ny zavatra atao , ary tsy tokony ho lalaovina ny fiainam-pirenena. Satria moa nilaza i Andry Rajoelina fa " atao aloha zay hitadiavana vahaolana amin'ny fifandraisana any ivelany, dia rehefa tsy mety, dia handray fepetra ny filoha"... zany hoe andramana aloha dia rehefa mety dia ok, rehefa tsy mety dia ovaina hafa... hoy mihitsy ireo mpihaino niditra mivantana hoe maninn raha avela hitondra i TGV hampiseho ny traikefany... namaly i Lalatiana fa tsy contre an'ny hoe i Rakoto na Rabe no mitondra, SAINGY kosa tokony efa notezaina tamin'ny tontolo politika ny olona hitondra, fa tsy mpandraharaha toy ilay teo aloha ohatra, ka tantatany toy ny orinasany ny firenena....

Izaho koa dia miombo-kevitra amin'izany, marina fa tokony omena sehatra ny tanora, saingy kosa amin'izao fotoana mbola ao anatin'ny fahasarotana sy ny fitadiavana vahaolana izao dia tsy mety raha mbola tsapatsapa no atao, hoe " aleo aloha izy hitondra hijerevantsika azy ee"! efa fantatra ny nataony en 7 mois, dia mbola ho avela eo foana ve? tsy efa nampiseho ny tsy fahaizany ve izy e? mbola tsy ampy ihany ve zay ny fampijaliana nataony zay? ka amin'ny fomba ahoana no mbola hilazàna hoe " aleo aloha andramana dia rehefa tsy mety dia zay vao esorina eo izy e'??? tsy hisy situation stable mihitsy ty firenena ty raha zay foana ny fomba fisainana hitondràna azy. Satria zay tsy nahafa-po dia esorisorina fotsiny. Ka rehefa tsy voafidim-bahoaka ( ary marihina fa ny fifidianana ihany no afaka manaporofo fa ny vahoaka maro an'isa no manaraka azy) ary koa rehefa hita zao fa tsy nitondra ny firenena n'aiza n'aiza izy ( aiza ty vary mora? aiza ty menaka mora? aiza ty demokrasia?) nandritra ny fito volana, dia aoka re zay tompoko fa sokafy ny maso a! tsy kilalao io akory ka hoe omeo azy ary hoe jerena e! fragile loatra ny situation . Risque be zany amin'izao fotoana izao.
répondu par fijo le 08/09/2009 22:16
2. diloo ( 05/09/2009 10:54)
Tsy olana izany e. Mbola misy eo @'ny 835 milliards de dollars ao amin'ny banky foibe hanaovana conneries mandrapaha-tonga ny 2011.
Andraso eo Paoly hoy ilay fiteny izay. Tsy blem-ny resaka vahoaka na dia hifika taolana aza: izay ny fandehan'ny kôsin'i ra-Sarla izay harahin'ny Andry mpanaraka ny baikony. Vola be sy saosy kosa ve avelan'izy roalahy eo.
Raha 1500 ny vahoaka ofisialin'ny HAT tany ambohitsorohitra, fa tsy ireo vahoaka
18 millions akory, tena saosy be tokoa hoan'ireo 1500 ireo.
Lojika tokoa izany kle: raha zaraina @'ny 1500 ny vola ao @'ny BF, dia be tokoa ny saosy.
Setrin'izany, dia miaritra tirefila ny voahoaka 18 millions.
Tena tsy :-D intsony kle.
:wink:
3. terrywui ( 05/09/2009 10:55)
ha ha ha ha !! ifiona,ifiona !!!

natory tsara Ifiona halina ?

tsy nanonofy ratsy ?
4. ifiona ( 05/09/2009 14:25)
terrywui < natory tsara fa misaotra! ar enao :lol:

5. pikatti ( 07/09/2009 18:51)
Tsy blem-ny resaka vahoaka na dia hifika taolana aza: izay ny fandehan'ny kôsin'i ra-Sarla izay harahin'ny Andry mpanaraka ny baikony. Vola be sy saosy kosa ve avelan'izy roalahy eo.

tena hitan'elah le fikan-dry tgv klé :-D :-D :-D

Ka rehefa tsy voafidim-bahoaka ( ary marihina fa ny fifidianana ihany no afaka manaporofo fa ny vahoaka maro an'isa no manaraka azy) ary koa rehefa hita zao fa tsy nitondra ny firenena n'aiza n'aiza izy ( aiza ty vary mora? aiza ty menaka mora? aiza ty demokrasia?) nandritra ny fito volana, dia aoka re zay tompoko fa sokafy ny maso a

efa betsaka ry ifiona:-* no misokatra maso kah saingy dictateur no manjaka dia tsy maintsy sandry hafa koa no hanalana azy
6. ifiona ( 07/09/2009 19:43)
pikatti :-*
7. dangytsmaty ( 08/09/2009 12:04)
Slt! daholo e!
zah aloha manohana 100% le hevitr'i Mme Lalatiana e lay hoe jadona no ataondr'i TGV fatsy sosok'evitra araka lay lazain'i Rakotomanga...... iny iny sipa iny koa angamba tena taraiky @ Andry TGV mihintsy kah! aiza ve de refa tsy tafa tany @Ratsiraka de TGV ndray no hindraindraina eo tsy mahagaga e, mety mitetika ho Milliardera tampoka koa angamba de na efa hita fa....... aza de minia hakipy mihintsy ny masony. Okay doholo ary é!
8. reeves ( 08/09/2009 12:20)
Tsy ny olona mpanohana ny HAT akory no olana satria vitsivitsy izy ireo fa ny tena olana dia ny TAFIKA . Tsy maintsy ao no kitikitihina raha tiana ny hivahan`ny olana !!! Raha ilay lazaina lava hoe VAHOAKA mantsy dia zara raha misy olona 2000 à 3000 izay efa nihena ho 300 ngamba faramparany izay teo am`13 mai ka nahatonga haingana nampihetsika ireo CAPSAT mutins corruptibles hanongam-panjakana .
9. fijo ( 08/09/2009 22:16)
tsy manana miliara de dolara izany letsy ny gasy an,aza manadal avahoaka eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1321