Mifampiampanga amin'ny varin'ny orinasa Tiko ny FAT
1. Onjakeli
(
01/09/2009 11:38)
sy takona afenina izany izao ny ady an-trano ao amin’ny fitondrana izay efa mitatra amin’ny ady amin’ny fangalana ny varin’ny Magro.
Vaky ny ady eo amin-dry Pety Rakotoniaina sy ny Minisitry ny varotra Jean Claude Rakotonirina. Ny fangalana ny varin’i Dada aman-taonina maro tany Toamasina tamin’ny 26 aogosotra teo no mahatonga ny fifampiampangana. Raikitra ny ampamoaka. Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Motel Anosy mihitsy omaly no namborahan’Ing. Pety Rakotoniaina ny alahelony mahakasika ny filazan’Ing. Minisitra fa «vary milanja 3500 taonina no nangalarin’Ing Pety Rakotoniaina sy Voninahitsy Jean Eugene tao anatin’ny adiny valo izay sady tsy ara-dalana». Nambaran’Ing Pety fa «raha dokera niasa nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 8 ora alina dia 2000 toanina no tafavoaka ka raha 3500 T io tsy ho vita ao anatin’ny adiny valo». «Tsy maintsy mamaly ny teniny aho fa manaiky matoa tsy miteny. Tsy nangalatra vary, tsy nivarotra vary fa nividy vary izahay» hoy Ing. Pety.
Tsy namaly mivantana ny fanontaniana napetraka taminy tamin’izay anarana nentiny nividy ny vary anefa ity farany na olon-tsotra na amin’ny maha Ben’ny tanana azy. Tsy novaliany koa na nahazo taratasy avy amin’ny filohan’ny FAT izy ireo na tsia. Hafa mihitsy no navaliny. «Tsy manaiky izahay fa rehefa amidy 500 Ar. ny kilaon’ilay vary dia 500 Ar. fa misy mivarotra 900 Ar.» hoy izy. Miandry ny Minisitra «raha sahy hilaza fa hosoka ireo antontan-taratasy nosoniaviny» amin’izao izy roa lahy.
Tsy tapitra teo fa nilaza ihany ity farany fa «naka vary koa Ing. Minisitra ary tamin’ny fotoana nitenenany fa nangalatra ny vary izahay dia mbola naniraka ny zanany naka vary 2500 taonina tany Toamasina koa izy». Notsindriany tsara mihitsy fa «ny Minisitra rehefa milaza dia ohatra ny hoe tsy nangalatra vary. Mamita-bahoaka» hoy izy.
Nivantana mihitsy aza ity Ben’ny ny tananan’i Fianarantsoa ity nilaza fa «ny marina dia te hiliba irery tamin’ilay vary ny Minisitry ny varotra dia nitady ny fomba rehetra hanilihana ny hafa».
Hentitra ity Ben’ny tanana ity nilaza fa «tokony hapetraka ho mpitondra ve ny olona manao toy izany, indrindra amin’izao fitondrana tetezamita milaza hitondra fanovana izao. Anjaran’ny tomponandraikitra ny mieritreritra an’izany» hoy izy. Mbola nitatra hatrany ny ampamoaka nataon’Ing. Pety Rakotoniaina tamin’ity fangalana ny varin’i Dada ity ka nilazany fa «nisy mpitondra be dia be nangalatra vary tany nefa i Pety sy Voninahitsy ihany no nolazain’ny Minisitra». Raha ny marina dia efa nilaza io fangalana vary nataon’ireo mpitondra be dia be io koa Ingahy ministry ny varotra tamin’ny alarobia lasa teo.
Ny Tahiry R. (Gazetiko)

répondu par xxx le 05/09/2009 20:34
2. pikatti
(
01/09/2009 13:57)
Mbola nitatra hatrany ny ampamoaka nataon’Ing. Pety Rakotoniaina tamin’ity fangalana ny varin’i Dada ity ka nilazany fa «nisy mpitondra be dia be nangalatra vary tany(FA TSY IZAHAY IRERY) nefa i Pety sy Voninahitsy ihany no nolazain’ny Minisitra»
milaza tsy hanontaniana koa le zefa lahy raiky ty kah, avereno any antrnony any io é, fonja ihany no mahatsara azy :-D :-D
3. terrywui
(
02/09/2009 16:21)
dadanlisany ve efa ho roa taona latsaka no nitsoaka tsy hita nalehany fa nipika otanlah ka vary inonnn no ho vitany alefa aty M/car ?? alefa atao innn aty ny varin'i dadanareo?? milammm tsara ve ny sainy oe nipeka miliara maro de nandefa vary "nanadiovana le vola" ho aty M/car ! angah misy donto otran tim eto e! arak daolo io fa aleo ts mikozy be ny rehetr !! amidio ny vary pety sy eugene a! amidio leroa fa volambahoaka "nodiovina "ihany io !! ha ha ha ha !! dada ah dada !! mi-ki-dadadada fogna reto !!
4. pikatti
(
02/09/2009 20:48)
Nivantana mihitsy aza ity Ben’ny ny tananan’i Fianarantsoa ity nilaza fa «ny marina dia te hiliba irery tamin’ilay vary ny Minisitry ny varotra dia nitady ny fomba rehetra hanilihana ny hafa»:-D :-D
hoy i terrygoaka
! amidio ny vary pety sy eugene a! amidio leroa fa volambahoaka "nodiovina "ihany io !!
amidio @ gadralava lessy refa mba te hiliba a,de vidio daholo ny ministrin-ny fitsarana ha ha ha,raha mbola tsy ampy de hamidio any koa ny vatan'elah :-D :-D :-D
5. pink
(
02/09/2009 21:51)
Raikitra ny y ady @ fangalaramabary izany an.
Hita mihintsy fa ny handromba no nakana fitondrana.
Olombitsy ve no mandromba vary tokony hifaliany ny malagsy manontolo...
Mangala-bary =mangalatr'aina ny malagasy toa azy

6. xxx
(
05/09/2009 20:34)
Avelao hataon'i Pety any fa milaza azy ho mahihitse mare.
Akory atao :"kaikerin'ny amboakely tiana araka ny fiteny ny HAT", matin'ny afo natsangany!!!!! avelao hanao fa hikoa nahiny io fa andraso moa.
K'a mety hailitsy amponja sasy riha Pety, maeva andozy zay. Tsy midiniky alohan'ny hanao raha.
Tena maivan-doha.