efa indroa nikatso zay ny fifampidinihana MAPUTO II

1. ifiona ( 25/08/2009 16:36)
amin'izao ora hanoratana izao dia re fa efa nihato indroa ny fifampidinihana any Maputo, izay marihina fa ny delegasiona Rajoelina foana no mangataka ny hampiato azy. Ny mampikatso ny dinika dia ny momban'izay hitarika ny tetezamita. Tsy manaiky mantsy ny mouvance Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy Albert hoe i Rajoelina no hitondra ny transition. Ratsiraka milaza fa tokony izy no ho président na olona côtier. Ravalomanana ndray dia milaza fa tokony adidiny no mi-nommé ny président satria izy no président farany teo. Zafy ndray dia milaza fa tsy voatery ho mpitari-tolona no voatendry ho président.

Efa milaza ry Pierre Houlder fa mety hody raha tsy TGV no filoha ary raha tsy Roindefo no premier ministre fa tsisy ataony any hono.

Ndryyy!!!
répondu par pink le 28/08/2009 22:16
2. zoam ( 25/08/2009 22:13)
aleo hody any koa ry tgv sy ny forongony dia mandry andrikitra ny sadeky hiaro ny vahoaka
3. xxx ( 25/08/2009 22:18)
Aleo tokoa hody any fa izy mpanongampahefana INDRAY NO MISEHO MILAY!ELA IZAY F HALEFASO NY SADEC é
4. patrick2002 ( 25/08/2009 23:59)
izay no hataoko hoe tsy misy hidirany GIC aminy raharaham-pirenena malagasy mihintsy ,tokony ho facilitateur izy fa tsy ho perturbateur ,fa raha ohatra misy milaza fa tsy handeha ny toekarena malagasy raha tsy misy vola ny FMI sy banque Mondial ,dia mety ho marina izany @ lafinyt iray .
Faharoa mazava loatra fa tokony izay mahafehy vahoaka no filoha ,efa hita nitarika ny GTT na Ambohijatovo aza tsy azo fa teo @ tokotaniny MAGRO no nivory ,nitarika ry Zafy Albert ,azony daka vody sy felaka nataony jiolahim-boto ny Ravalomanana ,tsy nihetsika ny vahoaka ,Ratsiraka moa dia tsy nahasahy nody satria maro ny ratsy viutany ka mety hisy hanoraka rano @ pot raha mody ka aleo mijanona any frantsa na dia mahazo mody aza ,i Ravalomanana dia tsy mahasahy mody fa matahotra an`i komanda Charles ,ka miandry mercennaire hiaro azy sahala @ Jean Marc Koumba (body guard an`i Ravalo t@ 2002 )
5. zoam ( 26/08/2009 00:04)
ry tgv efa niafina tao @ ambasady fantsay nividy babouin tao capsaty ve izany no mahavita azy :-D :-D :-D
6. xxx ( 26/08/2009 03:23)
zoam:

ry tgv efa niafina tao @ ambasady fantsay nividy babouin tao capsaty ve izany no mahavita azy :-D :-D :-D


Niafina tao amin'ny Lyfr aloha ka, izay vao nampiarahana tamin'ireo mpianatra lazaina fa voahidy tao dia nafenina teny Ampetsapetsa tao amin'ny Charmille. Ahahahhaha
7. Simpona ( 26/08/2009 03:39)
Ny tena mpanakorotana anton'izao dia i TGV, fanakorotanana efa noketrehina ela hatram nilatsahany ho ben'ny tanàna io fa isika teto Tana no voafitaka tanteraka (izaho manokana aloha dia mahatsiaro voafitaka), na ireny programa tam propagandy ireny aza tsy misy neritreretina hotanterahina miitsy fa efa fanomanana korotanana no natao (tsy hitako izao izay nitsangana na parking, tsena misy étage, hotel de ville, ...) toa ny an'ny teo aloha ihany no notokanana (sekoly, jirama, ...)
Marina fa ny fitiava-tenan'nily ranga irey iry no ratsy fa le zalahy iray ty tena trop loatra no hataony, ary ho pire noho ny rehetra teo io raha mbola eo.
Efa miharihary am'rehetra izao (am vaovao rehetra mandeha, na am viva aza) fa fiarovana ny sezany no tena mamaky loha an'ireo olona HAT ireo. I Andry Rajoelina moa dia voaporitr'ireo olona nozaraina seza ireo ("delegasiona mafonja" mihoatra ny nyfanarahana ho any Maputo ny ampahany, raha azon'lery nentina daholo aza ngamba nentiny miitsy) satria tsy hanaiky esorina fotsiny am'zao.
I Ratsivalaka aza tsy nety niala tao ma commune raha tsy namoronana poste izay tsy fantany akory ny diakany (izy mihitsy no namaly tam mpanao gazety hoe "tsy fantatro" rehefa nanotaniana ny mikasika ny andraikiny vaovao)
Izany hoe tsy nisy description de poste akory izany fa tsy maintsy hamoronana toerana fotsiny hanamarinana ny vola hanmbazana azy, maika fa ireo goaika antitra namany ireo ve hanaiky hiala maina, izao no fotoana hanaraoraotin'dry zalahy hiananana fa "raha tsy manakarena am'zao hono tsy hanakarena intsony"
Tsy olona tahak'ireo mihintsy amiko no mendrika hitondra firenena na roa volana fotsiny aza. ny fantiantoka teto am'firenena tato anatin'ny fito volana dia efa mihoapapana (mines, environnement et foréts, commerce, tourisme et hotellerie, ...)
Ny tena loza dia izy mbola mahasahy mitonon-tena ho mitondra ny feon'ny vahoaka malagasy, manohana azy hono ny "vahoaka" nefa na ny manao fitsapan-kevi bahoaka aza tsy sahiny

MIVAVAHA HO AN'NY FIRENENAO FA MBOLA SAROTRA NY LALANA HODIAVINY
8. ifiona ( 26/08/2009 05:26)
oui, nilaza mihitsy Ratsiraka omaly nandritra ny fifampidinihana hoe tokony izy no président an'io tetezamita io satria tsy nisy ny fahombiazan'ny tolombahoaka t@ taona 2009 raha tsy noho izy (zany hoe miaiky zany izy fa nanampy an'i TGV t@ fanonganana an'i Ravalomanana?) ary ireo olona voatifitra t@ 7 février hono dia olony avokoa ( :?: )

démence sénile sa mafy ihany ty te hahazo toerana ka dia ry zareo samy voay ihany no mifanaikitra ny rambony any ka dia nivoaka ihany ny marina?

:roll:
9. swann ( 26/08/2009 12:03)
ary velona tao ihany kay kala FIONA
10. patrick2002 ( 26/08/2009 12:22)
Ny ady seza aloha tsy i Rajoelina ihany no miady an`izany ,miaro ny efa azony izy ,ary samy miady seza daholo ireo mouvance telo ireo ,samy azo torahana vato ,samy tsy tia tanindrazana izany ,raha raisina @ sens pejoratif ilay fiadiana seza .
Ka raha mbola hisy ny ady seza ao madagasikara dia hikorontana foana ny tany ,satria ilaina ny seza mba hanaovanao lalana mifanaraka ny tombotsoanao ary hamotehanao izay olona tsy tianao ,abut de pouvoir ,nanao an`izany Ravalomanana ,ka nahatonga an`i Andry nanao politika ,nanao an`izany Ratsiraka ka nahatonga an`i Ravalo nanao politika satria ,accusé ho sponsoring ny AVI i Ravalo t@ 1997 ireny .
IO no tokony jerena hoe inona no hatao mba hisiany filoha iray tsy hanao abut .efa misy ny parlement ,ny senat ,nefa ireny dia olona lany t@ hala-bato fotsiny no mameno ny toerana ao .
11. swann ( 26/08/2009 12:30)
efa toetra ratsin'ireo io ra-pà a ! alao hikonetaka be ao fa rehefa zay ny tenin'ny Prezida de zay ! tsy nareo no mifidy zay tianareo !! raha samy hamoaka ny lohabeany eo kou mo reo tsy ho Prezida 4 ve no atsangandry lerony eo e! tsisy io zay baiko de zay no tanterahana ka raha mbola be kiry biby eo ndray de goahana izy zany !! ha ha ha ha !!
12. jajaf401 ( 26/08/2009 13:39)
Any à MAPUTO III in-1 zany vao milamina kou,
Lainga fa tsy maintsy misy tohiny mazava io na resultats collectifs na individuels(an'i TGV rery).
fa samy miady ny anjarany aloha pour commencer!!!
13. Djhamhal ( 26/08/2009 13:40)
mahavariana ihany é! I Zafy no nanala an-dRatsiraka ;de avy eo Ratsiraka ndray ! de nesorin'i ra8 nefa avy eo nesorin'i Andry ndray!ny fomba fanalana an'reo anefa dia tsy maintsy nisy ra latsaka fôna sy fifanenjehan'ny mpifanandrina 2 tonta ( fanalambaraka ; fanompana;ampamoaka sns...) ary nihevitra isika mpitolona fa ho mpifahavalo mandrakizay izy ireo!!jereo anefa ny zava-misy ankehitriny fa toa milaza tsy anontaniana daôlo izy 4 dahy fa we izy ireo miitsy zany no mikendry ny korontana eto madagaskara ary ry zareo no lohany @ zany !! ary le vahoaka ve zany matimaty fôna @ zavatra ketrehinareo de nareo no milaza ho nahavita ny tolona ?? indrisy ry tia tanindrazana namako ! mandiniha ihany tena
14. patrick2002 ( 26/08/2009 14:31)
zoam:

ry tgv efa niafina tao @ ambasady fantsay nividy babouin tao capsaty ve izany no mahavita azy :-D :-D :-D



ka i Ravalo efa nitsoaka nirifatra any Swaziland izany no mahavita azy , lazaina fa natahotra an`i komanda Charles ,ko inona no mbola hilaina azy ho filoha ,komanda aza mampifezaka azy ,nefa aiza ireny vavabe taloha ireny ,tsy misy hilaina jeneraly , zao mibabaka any @ jeneraly ,
Asaivo miverina eo fa kaporaly no misambotra azy .
15. pikatti ( 26/08/2009 18:13)
Tsy misy ilana reo miaramila mpanao politika reo less ah reo ihany no mibaiko an'i Andry ao de lisany zay tsy misaina koa de faly nefa ny olontsa nareo ihany no ampinanan'ny capsat ao :-D
16. patrick2002 ( 26/08/2009 21:31)
Ialahy aza manao politika koa izy miaramila no tsia hanao politika ,aza manao hevitra pokaty letsy zandry kely ah!
Tadiavin`ialahy hanao jery atrika manoloana ny produit TIKO fotsiny ny miaramila ,tsy misy io
17. pikatti ( 28/08/2009 06:09)
Tadiavin`ialahy hanao jery atrika manoloana ny produit TIKO fotsiny ny miaramila ,tsy misy io

mba misaina kely hoa rapaty a,manaiky zany elah fa fitondrana capsat io
:-D
18. patrick2002 ( 28/08/2009 18:45)
misaina lesy fa miresaka @ pokaty dia manao hevitra pokaty ah!
19. pink ( 28/08/2009 22:16)
patrick2002:

misaina lesy fa miresaka @ pokaty dia manao hevitra pokaty ah!



Efa mazava fa i rajoelina dia eo ambaniny resolution par force koa any Sarla.
Izay ny tody.Mbola mirevy Sarla ihany ve i Patrick sa ianao koa namany ihany.

Tsy misy izay mahatsara any Rajoelina fa efa mibaribary izao ny momba azy rehetra.
Na hanaratsy any Ra8 ary aianao ny fihetsika Capsat sy ny mouvance rajoelina izao dia efa miteny ho azy ho any izao tontolo izao.Ny malagsy moa dia efa tsy tampenana intsony .
Hovao ny fijery patrick fa efa an-dihahalika ny fiforetany gasy izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.0734