Iza no niteny hoe tsy nahazo amnistie?

1. ari.malala ( 10/08/2009 09:43)
gazety taratra nivoaka ny 10/08/09:
VAOVAO MISONGADINA
FIFANARAHANA TANY MAPUTO
FIFANARAHANA TANY MAPUTO

. Filohan’ny tetezamita Rajoelina, mahazo mody Ravalomanana, tetezamita iombonana vaovao, amnistia ho an’ny rehetra

Ho filohan’ny tetezamita ihany i Andry Rajoelina. Nahazo amnistia Ravalomanana Marc, ary afaka mody an-tanindrazana. Tsy mandray anjara mivantana ao anatin’ny governemanta tetezamita vaovao iombonana, hatsangana tsy ho ela kosa anefa. Ireo no ventin-kevitra lehibe voarakitry ny fifanarahana nosoniavin’ny efa-tonta, tany Maputo Mozambika, omaly.

Azo lazaina fa tafavoaka ny krizy politika nandentika azy tao anatin’ny fahavoazana tsy hita pesipesenina, nandritra ny dimy volana mahery i Madagasikara, nanomboka omaly. Niafara tamin’ny fifanaovan-tsonia ny sata hitondrana ny tetezamita vaovao ny fifanarahan’izy efatra mirahalahy mianaka, Didier Ratsiraka, Pr Zafy Albert, Ravalomanana Marc ary Andry Rajoelina, tany Maputo Mozambika, omaly. Nandresy ny «Fihavanana malagasy», mba tsy hilazana hoe nahazo tombony izatsy, na voa mafy izaroa. Azo lazaina fa tena marimaritra niraisana tokoa ny ankapoben’ilay fifanarahana, teo anatrehan’ireo mpanelanelana iraisam-pirenena.



Amnistia

Azo hanamarinana izany, ohatra, ny naneken’ny ankolafy Didier Ratsiraka, Pr. Zafy Albert ary Andry Rajoelina hamafa izay lazaina fa vesatra nanamelohana ny filoha Ravalomanana Marc. Io ilay hoe «fampifangaroana ny fitantanan-draharaham-panjakana tamin’ny tombontsoan’ny tenany manokana», izay nitsarana azy maimaika, tamin’ny volana jona lasa teo. Nomena azy, araka izany, ny famafan-keloka na amnistia. Ho setrin’izay kosa, nifanarahana fa tsy hiditra na handray anjara mivantana ao anatin’ny governemanta tetezamita vaovao iombonan’ny ankolafin-kery rehetra izay hajoro ato ho ato ny tenany. Na izany aza, ho tafiditra ary handray anjara mavitrika ao anatin’io fitondrana tetezamita iombonana vaovao io ny ankolafy Ravalomanana Marc.

Tsy ny filoha Ravalomanana ihany no hahazo izany fa ny olom-panjakana rehetra, na teo amin’ny fitondrana na ny avy amin’ny mpanohitra, teo anelanelan’ny 1 janoary 2002, ka hatramin’ny omaly alahady 9 aogositra 2009, fotoana nanaovan-tsonia ilay fifanarahana. Raha izany, tokony hivoaka ny fonja na izay toerana manokana nitanana azy koa izany ry Manandafy Rakotonirina, Ihanta Randriamandranto, ireo parlemantera efatra mirahalahy, ny depiote Raharinaivo Andrianantoandro sy ry Mejamirado Razafimihary, mbamin-dry Andry Ralijaona sy ry Rabesahala Henri, ireo manamboninahitra kolonely sy ireo namany voarohirohy noho ny resaka baomba… Ny an’ny Amiraly Didier Ratsiraka sy ny momba ny «raharaha 2002» moa dia efa mandeha ho azy. Marihina fa anisan’ny niteraka adihevitra nafana sy nibahan-toerana tamin’iny dinika tany Maputo iny ny momba an’io amnistia io.



Governemanta iombonana

Tsy hihoatra ny 15 volana ny ho fotoam-piasany. Ahitana praiminisitra iray, praminisitra lefitra telo, ary minisitra 28, izay mbola harafitra aty an-toerana tsy ho ela. Andraikitra goavana ankinina amin’izany governemanta izany ny fanomanana ny fifidianana Filoham-pirenena, malalaka, mangarahara, amin’ny fomba tena demokratika ary ho eo ambany fanaraha-mason’ny fikambanana iraisam-pirenena. Izay ho mpikambana ao anatin’izany, araka ilay fifanarahana ihany, dia tsy hahazo hirotsaka hofidiana filoham-pirenena.

Sedra sy fanamby lehibe miandry izany fitondrana sy ny governemanta tetezamita vaovao izany ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena indrindra ny fanarenana ny toekarena izany. Arahin’ny rehetra eo koa ny tena fampiharana marina izay nifanekena tamin’izao fifanarahana izao.




Mamy Randrianavony




Ireo rafitra ao anatin’ny tetezamita


* Filoha sy filoha lefitry ny tetezamita

* Governemanta iombonan’ny ankolafin-kery, ahitana praiminisitra, praiminisitra lefitra telo ary minisitra 28.

* Filankevitra ambonin’ny tetezamita (Cst) ahitana mpikambana 65 (karazan’ny antenimierandoholona), Kongresin’ny tetezamita (Ct), ahitana mpikambana 258.

* Filankevitra ambonin’ny fampihavanam-pirenena (Cnr)

* Filankevitra fanarenana ny toekarena sy sosialy (Ces)

* Komity filan-kevitra momba ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka (Crdsn)

* Fitsarana avon’ny tetezamita (Hct)

∑ Filankevitra mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni)



Hoy izy ireo


Fetison Andrianirina: «Efa faniriana hatramin’ny ela iny fifampiraharahana iny. Vita ny sonia. Tanteraka ary nahafaly ny dinika. Mahazo miverina eto ny Filoha Ravalomanana ary handray anjara amin’ny fifidianana. Avela anefa aloha izy haka fotoana handinika ny fiverenany. Voafafa avokoa ny sazy. Tokony hivoaka amin’ny herinandro ireo gadra politika. Mitsahatra avokoa ny herisetra sy ny fanenjehana ary ireo hetsika politika rehetra».



Alain Mahavimbina: «Fifaliana lehibe ho ahy ny nahatafaverina an-tanindrazana ireo Malagasy avy amin’ny delegasionina efatra. Midika ireny fifanarahana ireny fa tena anisan’ny mankasitraka antsika ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary mametraka ny vahoaka malagasy amin’ny toerana sahaza azy. Ny zavatra tapaka tany dia mifandraika tsara amin’ny filan’i Madagasikara ary dia harindra any amin’ny Faritra izany. Zava-dehibe ny fihavanana sy ny fifankatiavana ary ny fiaraha-mientana.»



Voninahitsy Jean E. : «Zava-dehibe ny fahavitan’ny dinika tany Maputo. Manomboka izao ankatoavin’izao tontolo izao isika. Tandrovina koa ny hetahetam-bahoaka manoloana ny filazan’ny sasany fa miverina Ravalomanana. Tsy mahazo miverina izy raha tsy milamina ny tany. Mifarana eo ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo, fa ny satan’ny tetezamita izao no eken’izao tontolo izao. Ny rafitra no natao tany fa aty vao jerena ny olona hisahana ny andraikitra».



Rapelanoro : «Zava-dehibe ny fahavitan’ny dinika tany Maputo nifanarahan’izy efatra mirahalahy mianaka. Midika ho fivahan’ny krizy politika eto amintsika iny. Nifanandrify tamin’ny nandinihana ny momba ilay tsena goavana an-dry zareo amerikanina aty afrika iny izay natrehin-dRamatoa Hillary Clinton. Nivoaka iny izao ny fifanarahana politika ka tsy hikatona ny tsena anisan’ny mamelon’olona an’aliny eto amintsika, amin’ny alalan’ny orinasa afakaba»





Hatsikana 1


Hatsikana 2


Hatsikana 3


Hatsikana 4


Hatsikana 5
Tahiry


Fanadihadiana

AMBATOMANGA
Toeram-pizahantany mahaliana saingy…
Toerana manan-tantara sady mahaliana Ambatomanga noho ny fananany loharanon-karena miavaka. Misy ihany anefa ny indro kely. Dinika nifanaovana tamin-dRtoa Elyane Rahonintsoa, filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Ortana.


Tahiry


MIDI Madagasikara:
A LA UNE (10/08/09)

Accords de Maputo
Ravalo et Radidy peuvent rentrer

Image

Maputo, un naufrage pour les uns, une bouée de sauvetage pour les autres. Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, Didier Ratsiraka et Zafy Albert ont conclu « pour l'intérét supérieur de la Nation » 4 accords et 2 Chartes à l'issue des quatre jours du sommet de Maputo. Un accord sur l'annulation des condamnations liées aux événements de 2002 et un autre sur l'annulation des condamnations envers des personnalités politiques, civiles et militaires, sous le régime Ravalomanana, ont été signés. Marc Ravalomanana et Didier Ratsiraka en sont les premiers bénéficiaires. Après ces deux anciens présidents figurent d'une part les autres caciques du régime de l'amiral, pour ne citer que Pierrot Rajaonarivelo et Tantely Andrianarivo, et d'autre part les Manandafy Rakotonirina, Ihanta Randriamandrato, les 4 parlementaires TIM de Vakinankaratra ainsi que Raharinaivo Randrianatoandro et consorts. Ces derniers seront libérés dans une semaine au plus tard. Un autre accord accorde aux anciens chefs d'Etat le statut de sénateur à vie.
30 jours. Les 4 mouvances ont 30 jours à partir de la signature de la Charte pour mettre en place la nouvelle transition dont la période ne devra pas excéder 15 mois. Marc Ravalomanana n'est pas autorisé à participer à cette transition. Par contre, aucun accord de Maputo interdit son retour au pays. Par ailleurs, il n'est pas interdit au président renversé de se présenter à la prochaine présidentielle. Sa sécurité et celle de sa famille sont assurées par la transition dont Andry Rajoelina est le président. La Charte prévoit plusieurs Institutions dont la présidence de la transition, un gouvernement d'Union nationale de 28 ministres et de 3 vice-premiers ministres, un Conseil Supérieur de la Transition (65 membres), un Congrès de la Transition (258 membres), Un Conseil National de réconciliation, un Conseil économique et Social, une Haute Cour de la Transition... En fait, Maputo n'a pas ignoré la Charte de Panorama. La répartition des sièges au sein de ces Institutions restent à déterminer par les 4 mouvances. Selon le Pr Ange Andrianarisoa, un référendum constitutionnel, une élection présidentielle et une élection législative doivent étre organisées dans les 15 mois de la transition.
Absences. La signature des accords et des Chartes de Maputo met fin à toutes manifestations politiques ne favorisant pas la paix et la stabilité. En conséquence, Magro n'existera plus. La dernière manifestation des pro-Rajoelina s'est déroulée hier à Ivato. Le rendez-vous n'a pas drainé beaucoup de monde. Le jet privé qui a transporté de Maputo Andry Rajoelina et sa délégation a atterri à l'aéroport d'Ivato à 16h. Après un point de presse durant lequel il n'a pas joué la transparence sur le sommet de Maputo, Andry Rajoelina a effectué un bref bain de foule avant de rejoindre Ambohitsorohitra où il a tenu une réunion d'information avec les membres de la HAT et du gouvernement. L'absence du ministre des Forces Armées, Nöel Rakotonandrasana, et du CemGam Ndriarijaona André, a été remarquée hier à Ivato. Ces deux chefs militaires figurent parmi les signataires d'une déclaration où ils disent non au retour de Marc Ravalomanana. Une déclaration que Andry Rajoelina a ignorée en signant un accord qui permet ce retour redoutable et redouté.

RAJAOFERA Eugène



Ko iza lay niteny hoe tsy nahazo amnistie Ra8?
répondu par Mirananirina le 10/08/2009 16:29
2. xxx ( 10/08/2009 10:27)
ouinandra,bazylou ,optika2000 :-D :-D :-D
3. essera ( 10/08/2009 10:41)
Tsy zah.
4. kidoropamba ( 10/08/2009 12:10)
Fa naninona no nomena amnistie ilay "filoha" lzaina fa légaliste? Sa sarotra aminareo va izany dikan'izany legaliste izany? Sa ilay dikan'ny "filohampirenena" no mankarary andoha?
Filohampirenena ve rangahy dia omana amnistie? Gadra no omana amnistie fa tsy filohampirenena izany.
Sa ny legaliste no VOA DOUBLE sahala @ akoho vavy ka voakaikitra andoha no voafelaka amboude, ka lasa niteniteny fahatany.

Filoha aho fa kosa mbola tsy hiverina any satria nomena amnistie ka miandriandry kely raha tsaratsara amiko ny tontolo politika. Ra8, tena efa mitapy e.

5. xxx ( 10/08/2009 12:55)
:-D :-D :-D :-D nalalaka ny lalana sy vavahady vao tsy sahy hiditra indray hono lery :-D :-D :-D :-D teo nefa hoa avy aho @ Asabotsy ...tsy misy farany. miderapy ny lohan-dr8 e!
6. Mirananirina ( 10/08/2009 16:29)
koa raha tsy adala izy koa mody atao hoe miverena dia hiverina izao dia izao.Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0517