Misy minisitra manana kaonty amina miliara sahady

1. Onjakeli ( 31/07/2009 13:02)
Tsy fitiavan-tanindrazana intsony fa tena fangoronan-karena tsotr'izao. Enim-bolana monja niakarana teo amin'ny fitondrana dia efa misy sahady ny mpanampitrisa eto Madagasikara. Tsy miafina intsony ny nafenina ho an'ireo minisitra sasany mpikambana ao amin'ny governemanta Roindefo. Vola amina miliara no indray narotsak'ilay minisitra tany amin'ny banky iray eto an-drenivohitra. Nisahotaka ny tao amin'ny banky nandritra ny fotoana nanokafan'ity minisitra ity kaonty tany amin'ny banky. Tsy nety nanokatra kaonty mantsy ilay teratany vahiny mpitantana ny banky, noho ny fepetra tsy maintsy takiana amin'ny mpanjifa. Tsy maintsy misy ny fomba rahina rehefa betsaka ny vola arotsaka any amin'ny banky. Ny fepetra voalohany amin'izany ny fanontaniana amin'izay ho mety niavian'ny vola arotsaka. Tsy maintsy hamarinina raha mifanaraka amin'ny asa atao ihany koa ny vola...Ny hany herin'ity tomponandraikitra ity rehefa tsy nanaiky mora ilay teratany dia nandrahona. Horoahina hiala eto Madagasikara hono ilay mpandraharaha raha tsy manaiky ny hanokatra kanonty ho azy.
Zany ve no zava-misy eto Madagasikara hoy ny fanamarihan'ity farany, izay nanaiky ihany rehefa niady hevitra naharitra tapa-bolana lasa izay.
Ho entina hanomanana ny fifidianana ho Filoham-pirenena ity volabe miavosa ity raha ny resaka nandeha. Misy amin'ireo minisitra ireo no mikasa hirotsaka ho kandida amin'ny fifidianana manaraka. Ny raharaha hazo sarobidy no tena itadiavan'izy ireo vola amin'izao fotoana izao. Gaboraraka tanteraka ny fitantanana ity ahrena ity ka samy manao izay tiany hatao ireo manam-pahefana.
Manao ny ataony ihany koa ny vadina Minisitra
Vadina Minisitra izao dia sahy manambany tena mihitsy noho ny fananana vola. Samy gaga avokoa ireo izay nanao raharaha teny amin'ny Bfv Antaninanarenina noho ny nafitsok'ity ramatoa ity roa herinandro lasa izay. Notabatabainy ilay mpiasa tao amin'ny banky satria tsy nanaiky mora foana ny handray ilay vola 100 tapitrisa ariariy arotsaka amin'ny kaontiny. Tsy maintsy nanaovan'ny banky fanadihadiana mantsy ity ramatoa ity noho ireo volabe izay narotsany.Mbola vadina minisitra ihany koa no nanondrana teny amin'ny seranampiara-manidina Ivato. Nisy entana tonga avy any ivelany amin'ny anarany. 689 euros ny vola tsy maintsy aloha ami'ny ladoany ho saran'ny fampidirana ny entana. Tsy menatra akory ity vadina minisitra nilaza fa ny minisitera no mandoa izany ka alefaso amin'ny kaontin'ny minisitera hoy izy.
Tsy mbola niakatra teo ami'nby fitondrana akory anefa ilay vadiny tamin'izany fotoana izany. Misy sasany amin'ireo Minisitra ihany koa no efa mikasa hividy trano lafo vidy any ampitan-dranomasina any.
Mihoatra lavitra noho ny nataon'ireo tomponandraikitra nandritra ny fitondrana ravalomanana ny hadalana vitan'ireo manampahefana sasany ao amin'ny HAT ao. Ny filohan'ny FAT andry RAjoelina no ho ratsy tondro-maso amin'izany. Tokony hisy ny fandraisana andraikitra ataon'ny Filohan'ny HAT handiovana an'ireo singam-boo mandavo ny vositra
Voaharisoa Ezekia

Source Gazety Inona no vaovao
Dia toy izay ny zava-misy zareo a! Asan'izay mbola hanaiky. Gazety mpilelaka sy mpikosoka an'ny HAT no efa mamoaka zavatra toy izao. De inona izany ny tena zava-misy marina ao.
Mahamenatra, mampalahelo....
répondu par fijo le 31/07/2009 19:54
2. xxx ( 31/07/2009 13:52)
L'objectif: c'est de devenir milliardaire. Izay no tanjona raha miditra eo, samy mihinana hoy izy ka aleo hanararaotra fa amambolana no ho eto.
3. saranga ( 31/07/2009 14:21)
Tsy mahagaga io dadatoa a, ny mission-n'ny TGV dia hangalatra
4. locl ( 31/07/2009 15:14)
ka tokony avoaka eny amin'ny vahoaka ny anarany
5. lemenakely ( 31/07/2009 17:19)
saranga:

Tsy mahagaga io dadatoa a, ny mission-n'ny TGV dia hangalatra



nitovy daholo e na ny AREMA na ny TIM na UNDD ...Samy hangalatra ! Mody gaga avy eo rehefa may ny trano ,ny helicoptéres sns ...
6. zoam ( 31/07/2009 17:29)
omeo le porofo vao manakiana,fa tsy ohatran'ny le resaka baomba e
7. ndotofetsy ( 31/07/2009 19:47)
iza kosa no hijery fotsiny eo :^) :^) :^) :-D :-D :-D :-D :-D
8. fijo ( 31/07/2009 19:54)
ny tena mahakamo anie ry zareo dia ity e,ireo toetra ireo no nanenjehana ny teo aloha,nefa vao tonga eo dia ny hanao izay ratsy kokoa noho ny nenjehina teo no tena atao.

tsorina aloha ,fa nisy dia tena nanao toa izao koa tamin'ny fitondran dravalo.ary ratsy io,na fanjakan dravalo na tgv na arema na inona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0648