valim-babena

1. Lejoba ( 09/07/2009 21:43)
inona ny valim-babena omenareo ny RAR-nareo?
Izaho hatr@ niterahako dia te hamaly fitia be dia be ireo nahitàna masoandro fa hay tsy mora ilay mitaiza mahatafita zanaka.
Ry zareo nefa, raha vao andefasana vola na zavatra, maneho fankasitrahana feno, nefa koa mamerimberina foana hoe : atsaharo fa ny vady aman-janaka jerena (izaho tsy manadino ny tokantranoko tsy akory ary ny vadiko koa mitovy sentiment amiko).
Raha miantso matetika azy aho, heveriny ho manana olana fa tsy mivaky. Efa nafarako taty izy, saingy tsy tamàna miohatry ny 2 volana ary tsy te ho avy matetika
Hatr@ izao, raha sendra misy ilàko azy ireo, tsy misalasala na mitaky n'inon'inona mihitsy izy, olona hafa foana no mitantara amiko fa indraindray nanokanany fotoana na nisahiranany mihitsy izany.
T@ mbola kely, misy tsianjery hoe : "mivavaka ho azy no valim-babena", tsy mety ny finoana raha tsy arahin'asa, koa mba toroy hevitra hoe?
répondu par mpisotrtoaka le 11/03/2014 11:07
2. Papoose ( 10/07/2009 13:03)
Ary efa nandramana ve hoe mandeha any ndray nareo au lieu de manafatra an-dry zareo? Marina fa mety tsy haharitra ohatran'ny fotoana hijanonany rehefa afarana fa mino kosa aho fa ho faly zareo mahita anareo mianakavy kely miaraka mamangy azy ireo!
3. booboo ( 10/07/2009 13:43)
Lejoba > itovizana ...

4. Ratoa ( 10/07/2009 20:30)
Ny ahy indray tena zavatra farany izay tsotra no ataoko. Manao vakansy any Dago aho dia miaraka misary adala @ dRbôfy fa Dada efa nody. Miara-miantsena na mandendeha dia mivdy mofo akondro aho dia hanina eny an-dàlana eny dia mivanivany. Na koa miaraka manao voyage dia mijanona foana eny an-dàlana (auto no andehanana) mividy ity zavatra tsy misy dikana rehetra ity fa mahafaly fa vaon-dàlana hono, indrindra ny voankazo tsy fahita ao Antananarivo. Dia rehefa izany dia miara misakafo miaraka @ ny zanany rehetra sy ny iray tampo aminy sy ny zanaky ireo matetika araky izay azo atao.
Un rien qui fait plaisir hoy ny vazaha
5. Lejoba ( 11/07/2009 15:54)
Tena mahafaly azy tokoa ny mankany, saingy manjary "mibaby" ilay fianakams iray manontolo indray dia malahelo ireo niteraka fa mahatsiaro anao hatr@ ireo izay niavonavona taloha. Dia lasa mahafaly sahirana indray koa ilay izy satria tena seriny dia seriny ny RAR, ilay fanaovam-beloma rehefa hody tantara be (ny ankizy tsy mety hiverina aty fa hijanona @ dadabe sy bebe hono).
Ratoa> toa sarotra @nay sy Rabainina ihany ny hisary gaigy eran'ny tanàna na dia samy lehibe aza koh, asa ianareo vehivavy.
Ny tadiaviko dia hoe misy fomba hampirevena azy mivady manokana ve?
6. Ratoa ( 12/07/2009 02:54)
Ianao anie tsy voatery hoe manao sary gaigy izany ry Lejoba!
Ny mahafinaritra ny antira dia ny mitsangatsangana na dia tsy lavitra akory aza no aleha dia miresaka mindry zareo . Indray mandeha ianao @ Rabainina no miresaka ela dia ela. Indray mandeha indray dia @ Rabôfy. Na dia ilay resaka natao teny amboalohany aza no averiny isaky ny miresaka ianareo. Henoy foana fa mahafaly azy é.
izaho mahavatra miresaka an-tél indray mandeha isambolana @ i mamanay, maharitra 1heure d'horloge mihitsy. Dia misy izany hoe " Efa no lazaiko anao moa? Ahoana? Ny resaka efa natao tamin'iray volana no averiny dia mihaino foana aho satria tsy mana-potoana iresahana amin'ny antitra ny olona ao an-tanàna noho ny fiainana efa sarotra. Anefa izy mba mila miresaka. Moa izaho koa tsy mahita azy mandava-taona.
raha tsy izany indray dia mitati-bolana no ataony. Lazainy fa mampijaly aza daholo ny zanany rehetra dia mihaino aho. Dia avy eo aho miresaka an-tél amin'ny iray tampo amiko izay taraininy. Dia ireo koa milaza fa ampijalian-dRabôfy . Dia avy eo aho manao arbitre, consultation à distance é!
Dia hoy Rabôfy nony taty aoriana: no teneninao angaha i Ranona? Nahoana?? hoy aho. Niova izy hoy Rabôfy.
Mampiomehy é!
Ka izay ilay izy. Ry zareo anie tsy mitady vola amin-karena é! Attention sy fampisehoana fitiavana no tadiaviny. Ny RAD gasy aloha dia mahafatrapo satria tsy mitady valiny fa izay mahasoa ny zanany ihany.
Raha mitady hijanona ny ankizy dia mba alefaso manao vakansy irery aoriana sa mbola kely loatra?
7. rhina ( 07/09/2009 14:21)
marina daholo ny voalazanareo fa zao .
Anisany mba andrasan'ny Ray aman-dReny amintsika zanany rehefa mba tonga iny isika ny fivimbinantsika zavatra kely ho azy ireo .
Indrindra Sakafo : Tsy hoe saikanina akory izy ireo fa mba tiany izany
any ka rehefa indray andro any dia tadidiny izany hoe i Ranona rehefa manakaty dia mintondra an'izao foana dia tsarony ianao ary tena faly izy any ampony any an


fa zao tena tsy zakan'ny ray amandReny mintsy isika vinanto vavy rehefa miteny hoe: inona no hoentina na vidiana ho an'ny ray amandreninao na hoe ho an'i reninareo sns ...

aza mba manao izany reto fa raha tiana ny vady ny rafozana no tsinjovimandeha a

zany oe ambava omana am-po mieritreritra e!
8. mpisotrtoaka ( 11/03/2014 11:07)
Marina daholo ny voalazanareo ! Fa ny mahagaga ahy dia hatramzao ny RR-ko mbola manome babena ahy foana ! Izany hoe mbola tsy valiny fa mbola mifofotra ! Ny zanako nefa efa betsaka ! Atsangory angamba no omeko azy rahatrizay ka tafita aho na sanatria tsy tafita ko e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8057