Ny tantaran'ny Andry TGV

1. Radomy ( 30/06/2009 08:55)
Manao ahoana tompoko.

Ireto ny tantara manaza ny fiatombohan'ny adin'ny hetsika TGV ka hatramin'izao ary mety ny hiafarany.

5 sosona izy io ka ireto avy ny efatra voalohany:

ampahany 1: http://gasikarasahy.blogvie.com/2009/06/29/le-mal-andry-tgv-partie-1-les-forces-du-jeune-masque


ampahany 2: http://gasikarasahy.blogvie.com/2009/06/29/le-mal-andry-tgv-partie-2-la-chute-du-monstre-perfide


ampahany 3: http://gasikarasahy.blogvie.com/2009/06/30/le-mal-andry-tgv-partie-3-les-militaires-sauvent-le-jeune-ingrat


ampahany 4: http://gasikarasahy.blogvie.com/2009/06/30/le-mal-andry-tgv-partie-4-le-jeune-fait-triompher-la-traitrise


Tsy ho ela dia ho hitantsika ny ampahany farany.

Mirary soa.

Fanamarihana: Azafady mba hajanony ny fandefasana "virus" fa tsy mandaitra intsony.
répondu par Radomy le 01/07/2009 10:00
2. essera ( 30/06/2009 09:11)
radomy:
Azafady mba hajanony ny fandefasana "virus" fa tsy mandaitra intsony.

Fa rehefa inona moa no tian'i Radomy lazaina fa virus d rehefa inona no tsy virus. Sa te hanao an'ilay hoe : Dictateur démocrate.
Causes toujours puis fermes ta gueule. =)) =))
3. essera ( 30/06/2009 09:13)
Mba alefaso eto koa hoe ny reflexion à propos de Ravalo sa alefako ilay izy raha sahirana isé.
4. Radomy ( 30/06/2009 09:23)
Ilay "virus" lazaiko aloha dia ireny alefa "hanapotehana ny blog" na ny site ny an'ny olona tsy mitovy hevitra aminy.

Izay ihany ka.
Efa vita aloha ny momba an'ingahy Ravalomanana. Ny hanao "rupture" amini'zay rehetra nataon'ny Ravalomanana no nanohanan'ny vahoaka an'i hetsika TGV fa tsy hanaovany sahala na ratsy kokoa toy izay ny taloha. Fa nolazaiko ao @ blog anefa no antony mahatonga ny olona tahaka an'i TGV, Ratsirahonana sy ny hafa tsy afaka hanao zavatra tsara hoan'ny firenena izany. Io no tena mampalahelo ka tsy tokony havela haka aina.

Mifaly isika satria tsy eo Ravalomanana. Fahadisoana be izany satria tsy "Ravalomanana" amin'ny maha "Ravalomanana" azy akory no ratsy fa "ny fomba fanaovany politika", "ny toetra nitondran'ny firenena". Io "fomba" sy "toetra" ratsy ireo no nahatsara ny naminganana azy.

Kinanjo, ny olona ihany no niova fa tsy ny "fomba" na ny "toetra" ratsy izay manapotika ny firenena malagasy.
Noho izany adidy masina ny manohitra ireo "fomba" sy "toetra" ratsy io na iza na iza ilay olona manao azy.

Misaotra.
5. xxx ( 30/06/2009 09:33)
Moramora enao ry essera fa olon-kendry ity radomy ity zany araka ny fahitako azy avy lavitra.
6. pikatti ( 30/06/2009 09:55)
E o ndray mantsy le essera fa faly manala nefa refa ataoko mikolay eo :evil: :evil:
7. essera ( 30/06/2009 10:05)
xxx.4:
Moramora enao ry essera fa olon-kendry ity radomy ity zany araka ny fahitako azy avy lavitra.

Izay indray 'nareo, manana ny fomba fijeriny izy ohatra ny fomba fijerin'ny tsirairay. Tadidio fa tsy voatery ho marina daholo izay voalaza rehetra ao ? Asa na firy na firy no ho d'accord amiko eto.

pikatti:
E o ndray mantsy le essera fa faly manala nefa refa ataoko mikolay eo

Fa nahoana moa aho rehefa manontany d lazaina fa manala. Normaly b a mi-réagir fa raha tsy izany koa d renirano iny no arahina ka na marina na diso no alefa ao d oui oui, oui oui !!!!

radomy:
Ilay "virus" lazaiko aloha dia ireny alefa "hanapotehana ny blog" na ny site ny an'ny olona tsy mitovy hevitra aminy.

Fa ny mpanjifa ny serasera koa ange mba mety hisy victime e. Ohatra ny adresse ip voasakana. :-D :-D :-D
8. cyril ( 30/06/2009 10:08)
aza mifaninana @ wiwi elah fa mbola tsy ao eh
9. xxx ( 30/06/2009 10:16)
Radomy:
Mifaly isika satria tsy eo Ravalomanana. Fahadisoana be izany satria tsy "Ravalomanana" amin'ny maha "Ravalomanana" azy akory no ratsy fa "ny fomba fanaovany politika", "ny toetra nitondran'ny firenena". Io "fomba" sy "toetra" ratsy ireo no nahatsara ny naminganana azy.


Marina ny anao ry essera hoe fomba fijery iray ny toe-draharaha ny azy (mety ho marina na mety ho diso na eo an-tenatenany).

Fa io zavatra lazainy io kosa angamba tsy azo lavina e! Olon-kendry enao Radomy fa aza rebireben'i essera a!
10. pikatti ( 30/06/2009 10:17)
Samy dondrom-belona lesy reo a =)) =))
jereo fotsiny ny réaction i essera rraha vao nanoratra Radomy
11. essera ( 30/06/2009 11:12)
pikatti:
Samy dondrom-belona lesy reo a
jereo fotsiny ny réaction i essera rraha vao nanoratra Radomy

Raha dondrona ah d elah mbola dondrona lavitra b no elah. ao ve ? :-D :-D :-D . Ambanin'ny zéro. :-D :-D
12. pikatti ( 30/06/2009 12:32)
io ary fa petsa le boaikely ,zay fotsiny de nivadi-dela ha ha ha
13. rabaradaka ( 30/06/2009 12:37)
Dadatoa a, tsy mitondra mankaiza intsony ange ny fitanisana an'ny TGV e, vao mainka mandany rora, ny vahaolana no tadiavina, ohatra samborina i Andry TGV
14. essera ( 30/06/2009 12:44)
io ary fa
petsa
le boaikely ,zay fotsiny de nivadi-dela ha ha ha


Vocabulaire fitanisan'iza io ho an'izay mpisera eto. Mitady hifangaro ilay personnalité an'ilay PS fa miovà hafa indray.

15. pikatti ( 30/06/2009 13:01)
ahongano i Andry de samia manenjika an'i sarla sy lilison sy ry mialy daholo de vita ny tantara :-D
16. fanou14 ( 01/07/2009 07:29)
misaotra anao nanao iny fanadihadiana lava2 dia lava iny , raha mijery iny aho dia izao , cotier angamba enao satri tena tsy ny merina mintsy , mazava be , ary izany efa hatry ny ela ny cotier no nilaza fa ny merina dia manambaka azy ireo , tsy dia izay loatra anefa no tena marina fa ny cotier (miala tsiny @ zareo aloha ) fa tsy dia patient loatra ka izany no mahatonga azy ireo milaza hoe fetsy ny merina , ny @ hoe nanao fampiraharahana t@ ratsirakiste mety ho nisy zany asa , fa @ nao kosa aza ve ny olona efa namono olona ( 1991 pour les ratsirakiste et 2009 pour ravalo) sy mangalatra ny fananambahoka ve dia azo hesorina tsotra izao ny helony ? nefa ra olona tsotra mangalatra akoho ,ets , gadraina pendant quelques années , milaza enao fa mpamitaka i Andry , azy zany ary ho tsarainy ny Ray ao Ambony izy @ andro farany , fa sao kosa ndray politique entina hanaratsiana satria menatra ny grand rehetra fa dia merina vao 35 ans no nahongana fanjakana dia lazaina daholo zao rehetra zao , ny hoe ny miaramila ndray , samy nahare ny vavan\'i ra8 daholo t@ andron\'i 26 janvier 09 angamba ny olona rehetra fa dia izy no nanome baiko ny miaramila tsy hanao na inona na inona , dia ra olona misaina ve dia izany no baiko omen ? normal ny sasany raha niala an-dalana satria ny fitiavantena no hanimbana ny firenena . Teto Mada tsy mbola nisy na dia i Ratsiraka zay efa namono olona maro ka andeha anao asa fampihorohoroana izany ary tsy mbola nisy ex président ka hanome baiko ny tsy hananganana ny sainam-pirenena . Hoy enao \"En vertu de quel droit, Andry Rajoelina se permet-il de faire une investiture (auréolé d’une écharpe destinée aux seuls élus de la République) alors qu’il n’a jamais été élu président de la République\" asa raha tsy dia misy mémoire loatra enao fa Pr Zafy hitondra ny Transition nisalotra io , pareil pour Ratsirahonana izay tsy voafidimbahoaka na i ra 8 izay nanao auto proclamation t@ 2002 , ka mahonena ihany ny fomba fijerinao .
Ny problème ho an\'i Ratsiraka et consort , Zafy , dia hoe Merina mitondra fanjakana , raha tsy matahotra ny fitondran\'i TGV maninona raha avela hiasa eo izy , 8 mois ve tsy haritra , koa samia misaian fa aza variana mifanaratsy eto fotsiny fa samy malagasy na avy eto tana , na tamatave ,na tuléar, na Diégo, na Majunga na Fianara , koa maninona raha mba avela lay hambo po kely zay tsy mahatonga lavitra akory.
17. Radomy ( 01/07/2009 09:41)
Tsia tompoko. Efa nolazaiko foana izy io fa merina ny tenako. Tsy mahagaga ahy velively ny fiheverana tahaka io hananao io satria izay mihitsy no nanaovako an’io blog io. Efa raiki-tapitsaka ato amintsika Merina ny koltiora fa tsy azo atao ny mamely mivantana ny samy merina indrindra fa raha eo amin’ny tantara izay mikasika ny côtier sy Merina. Nozarina tamintsika foana ny «reflexe victimaire» rehefa milaza ny «kilemantsika» isika. Ny hafa ihany no tompon’andraikitra. Ny hafa ihany no ratsy fanahy. Fa isika dia victime foana. Isika samy isika kosa dia afaka mifamely (Andry sy Ra8 ohatra) fa raha côtier no teo amin’ny toeran’ny Andry dia tena efa hafa be ny nitondrasantsika ilay resaka.
Io fiantsarahambelatsihy io no tiako sokirina ary ho potehina. Tsy ho vitako samy irery io, na koa anio anio, fa heveriko fa raha Merina manana ny maha izy azy dia tokony manana fahasahiana handinitena ka ahasahy hamotika izay koltiora mamono ny maha merina azy. Indrindra fa fisainana «Malagasy» no resahina izao, fa tsy ny fiafenana aty ambadiky ny foko intsony. Ingahy Obama izao no filoha ao Etats-Unis ka tokony hararaotintsika handinitena.

Tiako porofoina fa azon’ny Merina atao tsara mihitsy no manana «humilité» ka sahy miatrika ny olana misy aminy fa tsy miafina foana ato andamosin’ny côtier raha toa ka manalabaraka azy ny adalany.

Tokony hanontany tena isika hoe: Maninona no dia lazaina fa «fetsy ratsy» (aloe asiako ilay ratsy satria ny hafetsena dia tsy voatery ratsy daholo) no hilazan’ny côtier antsika? Noho ny tsy fitiavany antsika ve? Izay ihany ve no tena mahatonga an’izany? Tsy fitiavan’ny côtier antsika izany no nanohanan’ireto miaramila CAPSAT lazaina fa côtier ireto? Tsy fitiavana antsika izany ireny fisian’ny côtier ao @ HAT ireo? Tsy fitiavan’ny côtier antsika izany ny nanohanany an-dRavalomanana tamin’ny 2002, tamin’ny 2006? Sa tsy nisy côtier na iray aza nanotrona an-dRavalomanana na koa nanampy azy? Torak’izany koa ny amin’ingahy Andry TGV?

Sao lahy io hajambantsika mitady hanafina ny toetra ratsy izay hananatsika ireo (ny olona rehetra dia manana toetra ratsy sy tsara daholo fa ny fanovana ny ratsy no tena maha olombelona ny olombelona) kosa no tena fototry ny olana mianjady amintsika?

Ary raha hitanao dia AVAHAKO mazava tsar any «olona» (MERINA) sy ny «fotokevitra» (Tsalo sy elite côtière). Na amin’ny Merina na @ côtier dia tsy misy Ratsy tanteraka izany, tsy misy tsara tanteraka izany. Ny foto-kevitra mibaiko ny tsirairay no ratsy na tsara fa tsy ny foko n any olona amin’ny maha olona azy.

Foto-kevitra mibahana ao amintsika Merina ny fiheboheboana, milaza fa hoe «favy» sy «voafidin’Andriamanitra» (izany ve mba azo ekena?); foto-kevitra misy amin’ny elite côtière ny hoe: Victime ka mila mamely ny mpamoritra Merina. Izany ve dia mba azo ekena. Tsy ny côtier n any Merina no manana izany foto-kevitra izany fa izany no «foto-kevitra» mibaiko ny fisainana politika ao madagasikara ao (eo amin’ny mpanao politika merina sy mpanao politika côtier).

Ka halalino tsara ny voalaza fa aza dia mivatravatra maka antendrony izay voasoratra.

Ekeko fa mazamazana sy masiasiaka fiteny ny lahatsoratra, fanahiniako kosa ireny (aleo ny teny – izay mety ho ratsy - no ario fa tsy ny tenako hoy ny ntaolo) mba ahatonga saina antsika ny amin’ny tena fositra mamotika ity tanindrazana ity. Raha toa ka tena tanindrazana sy firenena MALAGASY no lazaintsika.

Lazaintsika ombieny ombieny fa ny "toe-tsaina" no tena mampahantra an'i Madagasikara. ekeko izany. Saingy kosa, mihevitra daholo isika FA NY HAFA IHANY NO TOKONY MIOVA TOETSAINA satria NY HAFA IHANY NO HEVERINTSIKA FA MANANA TOE-TSAINA RATSY....Fa tsy mba mandinika akory isika fa METY HO AMINTSIKA IHANY NO TOKONY MANOMBOKA MANOVA TOE-TSAINA. Hitanao sahady fa tsy moramora araka ny filazanao azy ny FANEKENA hanova toetsaina satria tonga dia lazainao fa côtier aho noho izahy SAHY nanapaoka ny rako-bilanin'ny hajambana.

Tadidio farany fa raha "tsy haingana ny famindran'ny dian'omby dia SATRIA matetika NY ANY ALOHA no miraikiraiky". Isika anefa hatr'izay dia ny aty afara (vahoaka) no velesina kibay mba hiazakazaka kanefa ry zareo any an-dohany (mpitondra, sy lazaina hoe élite) no Miraikiraiky.

Misaotra.
18. Radomy ( 01/07/2009 10:00)
Farany: Tsy nahatadidy velively aho hoe: Zafy t@ transition sy Ratsirahonana "coup d'Etat" t@ 1995 NISALOTRA NY ECHARPE?????

Aoka tsy hodisoina ny tantara tompoko fa tsy azo hafenina hatrany ny marina.
Azon'NY aNDRY TGV nataony tsara ny nitondra ny Tetezamita (io no niantsoin'ny miaramila azy) FA TSY NY HISALOTRA zavatra tsy mendrika azy. Usurpation na FISANDOHANA no dikany izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.3649