Azo lazaina hoe aretina ve ny tahotra

1. ni81 ( 29/06/2009 16:00)
Misy namako izay dia tena matahotra voalavo, ary izay rehetra mitovitovy amin'ny voalavo dia atahorany. Eny fa na dia sary aza fotsiny aza no hitany dia tena tsy zakany mihitsy hoy izy.
répondu par ari.malala le 03/07/2009 06:54
2. ikaretsaka ( 29/06/2009 16:09)
misy aza matahotra volom-paiso.. coton (landihazo) dia mihoaka mandoa rehefa mahita moutarde
3. ari.malala ( 30/06/2009 05:33)
raha d tena tafahoatra lasa aretina ndray k!
4. Tazana ( 30/06/2009 21:03)
Phobie?
5. Papoose ( 30/06/2009 21:13)
ary tena tazan'i tazana le saiko tiko tenenina fa nenao no lasa aloha an! :wink:
6. ndotofetsy ( 30/06/2009 22:30)
mila mijery psy zany oul zany raha izany no fandehany anontanitanio ihany sao misy psy misera eto :-D :-D :-D :-D :-D :-D
7. soanja ( 30/06/2009 22:56)
ni81:

Misy namako izay dia tena matahotra voalavo, ary izay rehetra mitovitovy amin'ny voalavo dia atahorany. Eny fa na dia sary aza fotsiny aza no hitany dia tena tsy zakany mihitsy hoy izy.



Tsy voatery ho aretina saingy azo atao hoe " fahaosana" ny tahotra. Resaka fahaosana ara-tsaina amin-javatra iray na maromaro. Mety voajanahary ary mety azo tamin'ny fotoana nilebiazana.


8. endrika01 ( 01/07/2009 11:00)
Ny fahatahorana bibilava ve dia ilay psy kou,efa hita be zao fa devoly mandende kai,kai,kai brrrrrrrrr,de zah kounkou matahotra totosy =)) de ilaina psy kou ve zany! Efa tambatambazana mofo pater fa e e e eh :D
9. Mirananirina ( 02/07/2009 07:41)
raha tahotra amin'ny tsy misy dikany toa izany kosa dia efa aretina.sary ve dia atahorana??????
Fa raha tahotra hafa dia tsy aretina,matahotra bibilava na liona ohatra fa mihinana ireny,normal.na matahotra olona masiaka be.
10. endrika01 ( 02/07/2009 17:34)
Mirananirina>marina akia zany,mety ho azo sokajiana maromaro ny tahotra!Ao ny sasany angalaina psy,ny sasany omena vahaolana.Ndraindray zah mba mijery ireny decouverte ireny am fahita lavitra,fa tena marikoditra miitsy mijery le olona ,mandray maingoka am tanana tsy misy gants,mametraka ity bibilava be eny am-bozonana,ny andri zareo chinois aza de sotroina mintsy ny ra -na bibilava,lay koreana namana izay no mitantara. raha sary na voalavo na ny mitovitovy aminy,no mampatahotra anilay namana,de mety nisy antony tao,satria tsy misy matahotra aminy tsy antony zany! Ohatra hoe zah zao matahotra bibilava satry antony 3 . Ny iray,nisy zazalahy naka vilona,tapaka tsy nahy lay bibilava;narary io zazalahy io,iny andro iny ihany!Niolakolaka toy ny bibilava,nipoapoaka aby ny hoditrany,naka mpanandro ny manodidina satry efa nivavahana mbola nitohy iany,avy eo namonoana omby de nafafy t@toerana nakany vilona lay ra ny lay omby!Iny andro iny iany fa raha tsy zay dia efa maty.Ny faharoa dia tao an-tranony namako,avy any Fianaratsoa io vhv io,maty ny Dadany izy tsy nande tany satry nifamaly.Volana vitsy taorianio,de nisy bibilava tonga tao an-tranony!Tsy namono azy,tsy nanaikitra azy,fa nidongy be tao am-povoan-tranony,maratraratra be le kibonle biby.De niantso zokinjokiny teo an-tananana,de nasiana lafarinina mou izy zany,tsy haiko loatra,de we nanoratsoratra tao le biby (...)de we ny Dadany hono (...)de ny fanintelony maharikoriko ahy ny mijery azy,sady efa nanaikitra ny namako,soa iany fa voavonjy malaky be,de ny hatahorako totosy ndray zah efa nokekerinireny nefa tsy namono,na nitora-bato anireny,de halako be,soa iany fa maty talohany vacance-ko le totosy benay tao an-trano,hi hi hi
11. ari.malala ( 03/07/2009 06:54)
Zà aloha matahotra bibilava fadiranovana mintsy e! ny zanako indray matahotra mijanona @ maizina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2108