Tsy ahazo taratasy @ fokontany izay tsy manangantsaina hono
1. karavasy
(
22/06/2009 13:21)
Izay ilay hoe fahafahana ary fampahafantarana ny tena andraikitry ny olom-pirenena hono ka dia ho faizina izay tsy manangan-tsaina satria mitady hanaraka ny mpnohana ny ara-dàlana. Ny namana eny Ankadifotsy vao notaraina fa manenobe ny Chef fokontany vaovao ary mandrahona fa hifankahita amin'izay tsy manangantsaina. Samy niteny daholo koa ny hafa tafaresaka fa izany no baiko azon'ny chef fokontany vaovao ireto. Tereo fa izay no fahafahana ahalalan'ny vahoaka ny andraikiny izany. Arabaina nahazo fahafahana ny mpamporisika TGVendrana.
répondu par benkintana le 23/06/2009 20:49
2. hery
(
22/06/2009 14:08)
:-) zara aza mbola tsy teneniny hoe Tongavan'i Commandant Charles izay tsy manangantsaina....
tsisy saina :-)
tsisy saina :-)
3. Noue
(
22/06/2009 14:21)
dia hatramy fananganantsaina avy ve dia mbola arahina horohoro sy didin'be sandry ee ?? tena tsisy saina marina !! fa nga hono terena ny olona ?? ary ireo lehiben'ny fokontany ve nitety trano nizara saina sa mandidy be fahatany fotsiny ???
4. xxx
(
22/06/2009 14:25)
Raha tsy mahazo taratasy izay tsy manan-gatsaina, maninona no tsy mampiasa gazety fa miandry izay papier hygienique any @ fokotany??? :-D :-D :-D
5. penguin
(
22/06/2009 14:25)
Tanànan'ny "little boy" dia izay no hifarany. tgvendrana tondroin'olona molotra
6. hery
(
22/06/2009 14:54)

Fa fantatrao ve hoe nahoana no tsy manangan-tsaina ny olona?
Eny, mety ho hadisoana ny mampifangaro ny adilahy politika amin'ny resaka fetin'ny fahaleovan-tena kanefa toa izao ny hevitry ny olona:
* Tsy manangan-tsaina izahay fa mbola tsapanay hoe ambany ziogan'ny mpanjanaka amin'ny fomba hafa i Madagasikara. Mbola ny Frantsay no mibaiko ny fomba handaminana ny politika eto Madagasikara. Niady mafy ireo Raiamandreny nitady fahafahana sy fahaleovan-tena kanefa ankehitriny dia nohosihosen'ny sasany izany ka aleo ampirimina aloha ny saina mandra-pahazo ny tena fahafahana indray.
* Tsy manangan-tsaina izahay mba ho fanajàna ny saina sy ny fiandrianam-pirenena. Mandritra izao fotoana teteza-mita noterena izao dia tsy hitsangana ofisialy ny saina satria tsy voahaja ny safidy natao tamin'ny fifidianana.
* Tsy manangan-tsaina izahay na dia saika hanangana ihany aza satria heno fa izany no fomba mangina hanoherana ny fitondran'ny FAT. Tianay haseho fa mitaky ny ara-dalàna izahay na dia tsy mirotsaka eny an-dalambe sy tsy mitady ady saritaka aza.
* Tsy manangan-tsaina izahay satria tsy tianay ny fandrahonana atao ofisialy hoe izay tsy manangan-tsaina dia tsy karakarain'ny ao amin'ny fokontany ny taratasy. Tsy fotoanan'ny fampihorohoroana izao... ary tany demokratika i Madagasikara. Raha tsy izany dia naleo nijanona tamin'ny teo aloha ihany.
* Tsy manangan-tsaina izahay satria tsy manam-bola hividianana na hanamboarana saina.
* Tsy manangan-tsaina izahay satria aiza moa no hatsanganay ny saina? Eny ambany tonelina ve? Ny trano aza tsy anananay.
Dia inona no antony hanangananao saina?
7. Onjakeli
(
22/06/2009 15:44)
Iza ko no hananga-tsaina amin'io hat. ny olona vendrana otrazy ihany no manao manaraka izany. Tsy mahafaty antoko mihitsy ny tsy manangan-tsaina amzay e!
9. sakaymena
(
22/06/2009 18:42)
zany ve tsy midika koa hoe aza manao fety ny gasy @26 .tadidio fa firy @ vahoaka malagasy no tsy mùba afaka mifety toa anareo isaky ny week end
fa paka sy krismasy ary 26 no mba mifaly
avelao ny gasy hi fety ze tiny fa tsy ny fahaverezan-teszan' ny dada akory no hisaonan'ny malagasy mbola velona i dada fa tsy mbola maty
fa paka sy krismasy ary 26 no mba mifaly
avelao ny gasy hi fety ze tiny fa tsy ny fahaverezan-teszan' ny dada akory no hisaonan'ny malagasy mbola velona i dada fa tsy mbola maty
10. xxx
(
22/06/2009 19:46)
sakaymena:
zany ve tsy midika koa hoe aza manao fety ny gasy @26 .tadidio fa firy @ vahoaka malagasy no tsy mùba afaka mifety toa anareo isaky ny week end
fa paka sy krismasy ary 26 no mba mifaly
avelao ny gasy hi fety ze tiny fa tsy ny fahaverezan-teszan' ny dada akory no hisaonan'ny malagasy mbola velona i dada fa tsy mbola maty
tena adala mitsy ny gasy sasany fa mahita fa ory ny firenena fa mbola mieritreritra ny HIFETY ihany
11. Noue
(
22/06/2009 19:53)
zaho mba gaga !! misy zavatra hafa beaucoup plus important ao @ fiainana noho ny fety eee
12. pink
(
22/06/2009 20:38)
Miverina indray ilay fampijaliana vahoaka manomboka any @fokontany...Nidirandoza ny vahoaka marina.AREMA FAHIZAY ITY HIAINANA
13. benkintana
(
22/06/2009 22:42)
refa azo t@ setrasetra dia hapiahatra setrasetra ary harodana @ setrasetra ihany koa ,zany ve no hifandimby eto
asio fiheverana ry tgv isany fa mitohy ny tolona
asio fiheverana ry tgv isany fa mitohy ny tolona
14. mibalika
(
23/06/2009 09:32)
Miarahaba,
Dia hono oa , firy am malagasy no manana saina hisaina fa ny ankamaroan'ny olona dia na ny ankanjo ho tafiana amin'izao hatsika izao aza efa mafy no manjo hitafina izany koa ny FANEVAMPIRENENA tompokolahy sy tompokovavy isany ,izay manana KA te hanangana dia manao,TSY TERENA am izany ny olona ....
Mampisandaotra ahy izy ity satria tamin'ny androndratsiraka efa nisy izany,sonia no notadiavin'ireto lohandohan'ny fokotany,izaho no tao antrano ,nasainy nanao sonia aho ho fikambanan'ny korea avaratra sy atsimo,dia novaliko fa izaho tsy hanao izany satria eto aza ny fitovian_tsaranga tsy mitovy koa inona no atao any korea?dia niteny lay lahy antitra iray fa mantsambava aho kanefa ahita aho rehefa hanao taratasy any am fokotany,volana vitsy tao aorina nanao ny karatro aho ...Ny tiako ho lazaina dia MISAHIA MIJORO NY MAHA OLONA ,fa ny SITRAKAO DIA AZO HAJAINA TOY NY SITRAKY NY HAFA!
TSY HILAINA NY DIDI-JADONA
Manaova fety 26 sambatra daholo
15. xxx
(
23/06/2009 10:01)
marina izany e, aza mba aty amiko aty no maneritery hanangan-tsaina fa roahako ohatriny alika sy kisoa ato antranoko ato an!!
16. benkintana
(
23/06/2009 20:49)
Manala-baraka ny btygv mintsy reto pseudo tgvendrana ato @ serasera fa faizo ao zalahy a :-D :-D
