manintona ny saina...

1. itaramasoandro ( 15/06/2009 21:47)
lasa lavitra ny eritreritra mandinika ny zavamisy eto an-toerana hatrizay ka hatrizao raha fehezina @ teny vitsivitsy ny fifampitahana :
- jiona 2009: asandratra ho olontsambatra L. Rafiringa, katolika mazava ho azy, mandritra ny fotoana fisavorovoroina eto @ Nosy, anaty fotoana hiantonanan\'ny lalàna-mpirenena voafidy t@ 2002 izay nanandratra ny fjkm saiky ho finoampanjakana
-avrily 1989: asandratra ho olontsambatra V. Rasoamanarivo, katolika mazava ho azy, nandritra ny fotoana namirapiratan\'ny ny finoana katolika ho saiky finoampanjakana; fotoana vitsy taty aoriana dia niongana izany fanjakana izany
-1869: natao ho protestanta ny fanjakan\'i Ranavalona II tao anaty ny fisavorovoroina ara-pinoana sy politika nandritra ny fitondràn\'i Ranavalona I izay tsy nanaiky ny fidiran\'ny misionera hanova sy amotika ny finoan-drazana sy ny finoan\'ny mpanjaka t@ fotoanandrony
- teo aloha kely teo ary: nivelatra t@ vazan-tany miteny anglisy ny firenena malagasy (famerenana ny tenimpirenana ho teny voalohany ary fampidirana ny teny anglisy ho fiteny mpirenena ienarana an-tsekoly, fampidirana ny teny anglisy @ lalàm-barotra, sns...,) dia tamy indray ny korontana.
hono ho\'a : tsy misy hoe ny fisarahan\'ny tanataran\'ny finoana sy ny fanjakana ????
itaramasoandro 8)
2. soanja ( 16/06/2009 04:57)
Ny fivavahana no fomba nentina nazahoana voalohany an'ny Madagasikara ho zanan-tany. Ny fivavahana no nahitantsika koa fanapotehana ny mahairay ny Malagasy tamin'ny taona 2009 ity. Akory atao? Mifaningotra koa ireo saingy tsy avy amin'ny fotoan-dehibe tanisanao ireo akory fa ireo dia sasanangy samihafa tokoa raha ampifandraisina amin'ny politika sy ny fianam-pirenena amin'ny ankapobeny.

Manana olomangany Malagasy, manana ny maritiorany ary manana koa ny olo-tsambatrany sy ny olo-masina. Masina i Madagasikara!
3. itaramasoandro ( 16/06/2009 15:28)
mifaningotra hatrany tokoa ireo sehatra ireo dia ny finoana sy ny fanjakana izany fa tsy tongatonga ho azy.

nahoana no ilaina foana ny fandrindràn'ny ffkm rehefa tonga ny resaka ampilaminana ny korontana? satria mifampitantana hatrany ireo, tsy mety misaraka.

ny vahoaka koa manana ny anjarampeony ka ny fitsapana ny heviny dia anisan'ny fitaovana hamantarana izany.
nahoana ary ankehitriny re olona no tsy mba anton-dresaka mihitsy io fitaovana io?

sa matahotra ny latsak'hevitry ny vahoaka malagasy ny tsirairay ?
itaramasoandro 8)
4. ikaretsaka ( 16/06/2009 16:03)
Satria manao kasikety 2 ireo vahoaka ireo..80% n'reo vahoaka ireo na tsy hoe mandeha isak'alahady aza dia misora-tena fa kristianina aby, ankoatran'ny maha gasy azy ( le gasy an fanjakana gasy izany) .. donk ankoatran'ny maha zanaky ny firenena an ireo dia zanak'ireo fiangonana kristianina..izay mikambana ao @ ffkm ny maro an'isa amin reo

Fa ataovy fotsiny hoe silamo na hindu fotsiny ny antsasa- manilan'ireo vahoaka voakasika ireo, dia minoa ahy marimarina ianao fa ny fikambanan'ny silamo na ny hindu no hiaraka voalohany @ fanjakana handamindamina eo
5. itaramasoandro ( 16/06/2009 18:08)
io ilay lazaiko fa sarobidy sy masina ny tanindrazana sy ny fahaleovan-tena fa raha ireo hevitra ireo no voavoly lalina anaty ny fo, saina ary fanahin-ndramalagasy dia tsy mamela an'ny vahiny-na-naman'ny-vahiny-mitady-ny-tombontsoany (paosiny sy fireneny) hitsabaka na kely fotsiny anatin'ny resaka famoahana an' Madagasikara @ korontana ankehitriny isika.

hetsika mivoaka avy @ malagasy tokana tia tanindrazana no hilaina izao toa t@ fotoanandron'ny 1947 izany, satria izany no tena hatao hoe tia tanindrazana.

itaramasoandro 8)
6. soanja ( 16/06/2009 19:18)
itaramasoandro:

Saingy tsy izay no miseho no mampalahelo.

Vita pasoka ny Malagasy ary tena mipetrapetraka tsara ao an-tsainy ny fihevitra vazaha sy ny fomba vazaha. Nariana aby ny mahaMalagasy amin'ny ankapobeny. Na ny teniny aza marina raha tafavoakany amin'ny tokony ho izy ka no izay findrianam-pirenena mahaMalagasy dia mety ho nofy ihany raha izao.
Amiko ny manamboatra ny saina hivoatra amin'ny mampilamina antsika no tokony heverina ary mety ny fanekena fa iray ny tontolo eran-tany no hirosoana amin'izany.

7. itaramasoandro ( 16/06/2009 19:33)
iriako ho vitsy ny toa ny fihevitrao hoe voatarika @ saimbazaha ny malagasy. TSIA, ny mpitondra azy no mirona @ mpivahiny fa misy ary hisy hatrany ny malagasy izay mitana ny mahamalgasy azy hatr@ faravazany, adray, hatr@ fanahiny sy finoanay manontolo satria tsy hay hariana na hoverezina ny mahamalagasy ny tena.

tsy io no miseo anivon'ny mpanetsika ankehitriny fa tsy midiaka izany fa lany tamingana ny malagasy manaja ny fotony, ny razany, ny teniny ary ny kolontsainy.

aza manaiky manely fa tapitra ramalagasy fa tsy izany no miseo eny ambanivohitra, eny amorontsiraka alavitra ny fisavorovoroana aterakin'ny mpanankoontana. mbola ny fomba amanpanao eto @ntsika no hatao sy arovana.

malagasy daholo ka tano ary ahelezo ny maha tokana antsika.

itaramasoandro 8)
8. soanja ( 17/06/2009 16:04)

Izay no fanirianao fa tsy izay ny zavamisy. Na any ambanivohitra any aza dia ho gaga ianao fa vitsy sy mihena ny miakanjo tsihy fa sodokan'ny akanjom-bazaha ny olona. Na ao an-tanandehibe, firy amintsika ndao tenenina hoe Merina moa no mbola mitafy lamba? Namangy sekoly vistivitsy aho tany Mada fa gaga amin'ny tsy fahaizan'ny Malagasy manoratra ny teniny aho. Ankizy haka baka , disodiso daholo satria nahoana? efa ny teny frantsay no cool e!

Raha misy mpandala ny tenindrazana sy ny kolontsaina dia ny tenako. Tiako sy lalaiko ny mahaMalagasy ahy. Fa na very aza ny mahaMalagasy antsika ny faniriako kosa dia ny ahita an'i Madagasikara handroso sy hiatrika fiainana maharitra sy milamina ary mampivoatra taranaka. Izany fikajiana kolontsaina izany dia efa ambinambiny izany sy fitiavana manokana mitoetra koloina miadana ka rehefa feno ny fepetra tena takian'ny mahaolombelona dia ny antanantohatry ny filana hitan'i Maslow ny voalohany sy ny faharoa ary ny fahatelo dia afaka mikatsaka moramora ny hafa daholo ny ambiny amin'izay hitiavany azy.

9. itaramasoandro ( 18/06/2009 04:38)
tsy dia ny fandalianana ny teny vahiny irery ihany no mety analavitra ny malagasy ankehitriny @ tenindrazany fa indrindrindra koa ireo fomba vaovao noentin'ny serasera mailaka tsy ahitana hafa soranteny nofintinina hatr@ fara fahakeliny.

asa na ahoana no filaza io famintinana io fa tsy arako satria tsy manintona ahy mihitsy na @ teny gasy na @ teny vahiny.

io no manimba ny fiteny ary manaraka izany ny fomba fandaharana ny tiana ho ambara.

mahaliana ahy ny mijery ny firesaka etsy sy eroa fa avy hatrany dia mampiemotra ny miaino na mamaky teny tsy tonga volana ka aleoko andalovana fotsiny raha tahaka izany.

manenjika aloka ramalagasy raha maniry ny te hitovy @ vahiny satria tsy mety hitovy na anankaiky mihitsy nahoviana nahoviana. ndrao lahy hiomehezan'ny sasany fotsiny raha tsy manaiky akory ny mahamalagasy azy !

tsy misy antony raha tsy mahay ny tenindrazany ny tsirairay na tsy miezaka ahay izany. Ny teny volamena ary izay tia mampiasa azy no miravaka ny fahafahana maneho ny ao ampony sy ny fanahiny.

itaramasoandro 8)
10. soanja ( 18/06/2009 16:11)
Marina tsy misy anombinana. Tsara ny maha Malagasy ary tokony tandrovana tokoa . Io tsinona ny momba antsika.

Saingy, mino aho fa vitsy dia vitsy ao Madagasikara ao ny mampivoitra izay ho tody any am-pon'ny tanora maitsovolo maroanisa. Matahotra aza aho hoe mety nesorina ao anaty fanabeazana any an-tsekoly aza izany fa ny zava-bazaha no mamirapiratra.

Maromaroa ny toa anao RaItaramasoandro fa tsy ho lefy i Madagasikara sy ny hasiny! Misaotra!
11. itaramasoandro ( 19/06/2009 03:21)
soa fa misy ny minisitera miandraikitra ny zava-kanto sy ny maha malagasy namerina indray efa ho 15 taona izao ny karazan-dalonana samihafa manavaka ny malagasy, toy ny donia, ny fetin'alahamady, ny fandroana (raha tsy diso aho dia efa nisy izany saingy tsy niverina matetika), ny hira gasy moa dia eo hatrany isan'andro, ny adin'akoholahy na tsy leferiko aza io, sns maro hafa izay tsara tokoa ny anmparitahana azy ho fantarin'ny rehetra sy ho reharehan'ny malagasy.

ny akademia malagasy ary ny oniversite mandala ny entindrazana dia antoka ihany koa hanamafy ny harena kolotoraly malagasy. maro ireo mpanoratra, mpanao kabary sy zavakanto samihafa, sary hosodoko, rary,... no mety amirapiratra ny maha malagasy ka tsy aleo ve io no hatao izay hiavahana satria io no valihantsika tsy hitoviana @ hafa.

gasy ka manja hoy ny famintinana teo alohaloha.

taramasoandro 8)
12. endrika01 ( 21/06/2009 11:32)
itaramasoandro:

lasa lavitra ny eritreritra mandinika ny zavamisy eto an-toerana hatrizay ka hatrizao raha fehezina @ teny vitsivitsy ny fifampitahana :
- jiona 2009: asandratra ho olontsambatra L. Rafiringa, katolika mazava ho azy, mandritra ny fotoana fisavorovoroina eto @ Nosy, anaty fotoana hiantonanan\'ny lalàna-mpirenena voafidy t@ 2002 izay nanandratra ny fjkm saiky ho finoampanjakana
-avrily 1989: asandratra ho olontsambatra V. Rasoamanarivo, katolika mazava ho azy, nandritra ny fotoana namirapiratan\'ny ny finoana katolika ho saiky finoampanjakana; fotoana vitsy taty aoriana dia niongana izany fanjakana izany
-1869: natao ho protestanta ny fanjakan\'i Ranavalona II tao anaty ny fisavorovoroina ara-pinoana sy politika nandritra ny fitondràn\'i Ranavalona I izay tsy nanaiky ny fidiran\'ny misionera hanova sy amotika ny finoan-drazana sy ny finoan\'ny mpanjaka t@ fotoanandrony
- teo aloha kely teo ary: nivelatra t@ vazan-tany miteny anglisy ny firenena malagasy (famerenana ny tenimpirenana ho teny voalohany ary fampidirana ny teny anglisy ho fiteny mpirenena ienarana an-tsekoly, fampidirana ny teny anglisy @ lalàm-barotra, sns...,) dia tamy indray ny korontana.
hono ho\'a : tsy misy hoe ny fisarahan\'ny tanataran\'ny finoana sy ny fanjakana ????
itaramasoandro 8)

(l) (l) (l)
13. itaramasoandro ( 21/06/2009 18:16)
inona no dikan'ny hoe (l) (l) (l) fa tsy haiko ny mandika azy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1494